Kongresy eokaristika nasiônaly 2024 : fifaninanana logo
Hatao any Quito, Equateur ny Kongresy Eokaristika Iraisam-pirenena ny volana Septambra 2024. Isika eto Madagasikara, kosa, dia hanatanteraka ny Kongresy Eokaristika Nasionaly any Antsiranana ny 23 – 25 Aogositra 2024.
Ny Kongresy Eokaristika moa dia tsy inona fa hetsika lehibe ampahibemaso ataon’ny Eglizy hanasongadinana sy hanomezan-danja ny anjara toeran’ny Eokaristia, izay foibe sy ivon’ny fiainana Kristianina Katôlika, sady fanehoam-pinoana.
Koa ho fanomanana izany àry dia hisy ny fifaninanana Logo na Sary famantarana.
Toy izao ny mombamomba izany
Ny Sary famantarana dia :
• Maneho ny Eokaristia ka aseho amin’ny alalan’ireto toromarika ireto
Ø Lohahevitra : « Ny Fihavanana no manasitrana izao tontolo izao« , « mpiray tampo avokoa ianareo » (Mt 23, 8)
Ø Soratra hita ao anaty Logo (tsy soratana miaraka) :
– Kongresy Eokaristika Nasionaly
– Antsiranana 2024
• Maneho fa eto Madagasikara no hanaovana ny Kongresy Eokaristika
Ø Loko ampiasaina : Mavo, Fotsy, Manga, Mena, Maitso
Fomba fandefasana azy
Ø Atao amin’ny taratasy A4 (21 cm x 29,7 cm) mihidy anaty valopy iray ny sary miaraka amin’ny fanazavana azy, ary hatao anaty valopy iray hafa ny mombamomba ny mpamorona. Alefa aty amin’ny adiresy :
Foibe Nasionaly TPPM/ AFAFI-FET
Lot IVG 199, Porte 38, 2ème Etage
CNPC Antanimena. Antananarivo 101
Ø Raha voadika amina « version numérique » kosa ny sary dia alefa « pièces jointes » amin’ny adiresy :ken.antsiranana.2024@afafi-fet.org miaraka amin’ny fanazavana ny sary. Atao anaty valopy mihidy ary alefa mivantana amin’ny adiresy voalaza eo ambony fa tsy alefa mailaka kosa ny momba ny mpamorona.
Mpandray anjara : Ny Kristianina Katôlika tsy ankanavaka ary sangan’asa iray isan’olona
Daty : Mifarana ny Alahady 18 0ktobra 2023 (fetin’i Md Lioka) fara-fandraisana azy aty amin’ny Foibe Nasionaly TPPM/ AFAFI-FET
Sangan’asa : ireo sangan’asa rehetra voaray dia azon’ny Eglizy ampiasaina amin’izay ilàna azy.
Mpitsara : Olona havanana amin’ny sary ary nandalina manokana ny Eokaristia no hitsara.