Fanolorana ny andro : hivavaka ho an’ny fiantson’Andriamanitra isika
Ny vavaka ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra indrindra no anaingan’ny Papa Ray Masina antsika amin’ ny fangatahana ampanaoviny amin’ny Fanolorana ny andro mandritra ity volana Aprily ity :
« Mba hahay mamaly amin-kafanam-po ny fiantsoan’Andriamanitra azy anie ny Tanora ka tsy hisalasala ny hanokan-tena ho Azy Tompo amin’ny fiainana maha Pretra na amin’ny fiainana maha olomboatokana ».
Samy voantson’Andriamanitra avokoa ny olona rehetra, saingy mitodika manokana amin’ny tanora kosa ny Papa Ray Masina ao anatin’ity vavaka ity, manoloana ny antson’Andriamanitra miantefa amin’izy ireo. Nosinganiny manokana anefa ny antson’Andriamanitra ho amin’ny fiainana maha Pretra na maha olomboatokana na dia maro rantsana aza ny karazam-piantsoana. Ao amin’ny tanora tokoa mantsy no itsimohan’ny antson’Andriamanitra. Ary vao mitsimoka ao ami’ny olona iray ny fiantsoana no efa ilaina ho tsikaritra ao aminy ny dikan’io antso io.
Tsy mitsahatra miantso mpanarato olona hiasa ao an-tanim-boalobony ny Tompo. Fa indrindra ho Pretra, ho Relijiozy, ho amin’ny fiainam-boatokana ary ny tanora no tena antsoiny amin’izany asa lehibe sady masina izany. Vitsy anefa ny tanora no manoina sy mahafoitena hamaly ny antson’ny Tompo. Hoy ny Papa Fransoa tamin’ny Hafatra nalefany ho an’ny Tanora tamin’ny Sampakazo taona 2015 :
« Ny fihaonana amin’Andriamanitra ao amin’ny vavaka, amin’ny famakiana ny Baiboly sy amin’ny alalan’ny fiainam-pirahalahiana no hanampy anareo hahalala ny Tompo sy ny tenanareo. Toa ireo mpianatra tany Emaosy (Lk 24, 13-35), ny feon’i Jesoa no hampirehidrehitra ny fonareo ary hisokatra ny masonareo mba hahalalanareo ny fisiany ao amin’ny tantaranareo, ka hahitanareo ny fikasany feno fitiavana ho an’ny fiainanareo ».
« Manentana anareo aho mba handinika ny antso ho amin’ny fiainana voatokana na ho pretra. Tsara ery ny mahita ireo tanora mamaly ny antso hanolotena tanteraka ho an’i Kristy sy hanompo ny Eglizy ! Manontania tena ianareo miaraka amin’ny fo madio, ary aza matahotra an’izay angatahan’Andriamanitra aminareo! Manomboka eo amin’ny “eny” hamalianareo ny antson’ny Tompo, dia hanjary voa famafy vaovaon’ny fanantenana ao amin’ny Eglizy sy ao amin’ny fiaraha-monina ianareo. Aza hadinoina: ny sitra-pon’Andriamanitra no hasambarantsika ! »
Manoloana izany àry dia mila mivavaka tsy tapaka isika mba ho maro ny tanora hamaly ny antson’ny Tompo ho Pretra sy Relijiozy. Ny faharetana mivavaka ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra sy ny asa fanabeazana ary ny fanohanana an’ireo izay mandre ny antso no anehoan’ny Fiangonana ny maha Reny azy. Koa aoka isika hitalaho amin’ny Tompo mba homeny firaiketam-po tanteraka amin’ny Fiangonana ireo rehetra eo an-dalam-pirosoana amin’ny fiantsoan’Andriamanitra.