Fangatahan’ny Papa Ray Masina volana Janoary 2018
« Mba ho afaka miaina an-kalalahana ny finoany ireo Kristianina sy ireo mpino ara-pivavahana hafa vitsy an’isa any Azia »
Vao tsy ela fa tamin’ny volana Novambra 2017 lasa iny isika no nasain’ny Papa niombom-bavaka taminy ho an’ireo Kristianina any Azia, amin’izao fiandohan’ny taona vaovao izao dia manentana antsika sahady izy amin’ny Fanolorana ataontsika isan’andro hitrotro am-bavaka, hitodika indray amin’io kaontinanta io ny fangatahana ataontsika. Koa amin’ity indray maka ity dia tsy hijanona fotsiny amin’ny Kristianina ny fangatahana fa ho an’ireo mpino ara-pivavahana hafa ihany koa aza.
Raha ny fijoroan’ny Kristianina ho vavolombelon’ny Evanjely amin’ny fiainana mbamin’ny fampiroboroboana ny fifandraisana amam-pifanakalozan-kevitra amin’ny karazam-pivavahana hafa no votoatin’ny fangatahana teo aloha, amin’ity volana ity kosa dia mifototra indrindra amin’ny fahafahana mivavaka amin-kalalahana araka ny fanehoam-pinoana sy ny foto-pinoan’ny karazam-pivavahana misy. Voambara mantsy fa kaontinanta ahitana karazam-pivavahana maro samihafa i Azia ary be mponina indrindra, kanefa dia any ihany koa no ahitana ireo fomba faneriterena sy fanakantsakanana isankarazany atao amin’ireo mpivavaka ireo. Tsy ny Kristianina na ny katolika ihany mantsy no iharan’ny sakantsakana na fanenjehana toy izany fa hatramin’ireo antokom-pivavahana hafa ihany koa. Any amin’ireo firenena manana antokom-pivavahana matanjaka, izay mandray izany ho fivavaham-panjakana, dia mazána no ahitana ny toe-javatra toy izany.
Ny Papa François dia manome fampianarana lehibe sy ohatra ho antsika an’i Md Joseph Vaz, pretra tany Sri Lanka, amin’ny toe-po amam-panahy manokana niainany izany hoe fanajana sy fanomezana lanja ny maha izy azy ny hafa izany. Ity firenena ity izay tena vitsy an’isa ny kristianina, nefa dia ahitana antokom-pivavahana madinika ihany koa ; ny Silamo mbamin’ny bodista no tena maro an’isa any. Ny katolika dia anisan’ireo vitsy an’isa, kanefa na izany aza dia mbola iharan’ny fanenjehana indray. Na dia teo aza izany rehetra izany « i Md Joseph Vaz dia pretra nahay niaina sy nifandray teo anivon’ny fiarahamonina sy ny tontolo manodidina azy ary tonga famantarana velon’ny famindrampo sy mpampihavana amin’Andriamanitra ho an’ny rehetra. Nasehon’i Md Joseph Vaz, hoy ny Papa François , ny maha zava-dehibe ny fandresena sy ny fihoarana amin’ny fizarazarana ara-pivavahana mba ho an’ny fampanjakana ny fiadanana… Toa ny fiainan’ity Olomasina ity, ny finoana sy ny fanompoana an’Andriamanitra dia mampianatra antsika tsy hanavakavaka na hankahala sy hampiasa herisetra, fa ho amin’ny fanajana ny fahamasinan’ny aina, ny fanajana ny fahamboniana sy fahafahan’ny tsirairay » (Toritenin’ny Papa François tamin’ny fanandratana ho Olomasina an’i Md Joseph Vaz, 14 janoary 2015).
Ny Eglizy dia natao hanompo an-tsitrapo sy fitiavana ny olona rehetra tsy misy avakavaka ao anatin’ny fiarahamonina. Tsy natao hanavaka ara-bolokoditra, ara-pinoana, ara-poko amin’ireo asa sahaniny izy amin’izany. Ny hany angatahiny dia tsy misy afa tsy ny tena fahafahana marina hanatontosany ireo iraka ireo.
Ny fahafahana ara-pivavahana dia zo fototry ny olona tsirairay. Ny olona tsirairay dia manan-jo hivavaka an-kalalahana araka ny finoany avy. Tsy azo atao velively ny manery ny olona tsy hivavaka. Mbola maro anefa ny firenena ahitana io fangejana sy faneriterena ara-pivavahana io eran-tany, indrindra any Azia. Fantatsika sy rentsika amin’ny fampahalalam-baovao ohatra ny any Birmanie, dia ny fampahoriana sy fandroahana ireo mpino Silamo vitsy an’isa hiala amin’io firenena io. Tsy ny Kristianina na Katolika ihany no iharan’ny toe-javatra toy izany, fa mazàna ireo antokom-pivavahana vitsy an’isa eo amin’ny firenena misy azy. Ary na dia eto amin’ny Nosintsika aza dia mety hahitana karazana sakatsakana sy faneriterena ara-pivavahana saingy ny fomba isehoany no maha samihafa azy amin’izay misy any amin’ny firenen-kafa.
Koa amin’izao volana natokana hivavahana ho an’ny firaisam-pinoana sy ho an’ny fandriampahalemana eran-tany izao àry dia hiray fo amam-panahy amin’ny Papa sy ny Fiangonana manontolo isika ho an’ny fahafahana mivavaka an-kalalahana izay mitondra mankamin’ny tena fiadanana, indrindra any Azia.