Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina volana Marsa 2018
“Mba ho tsapan’ny Fiangonana manontolo ny maha zava-dehibe ny fahazaina mandanjalanja ara-panahy, na eo amin’ny fiainan’ny tsirairay na ny ankohonana manontolo”.
Entanin’ny Papa Ray Masina indray isika kristianina mandritra ity volana Marsa ity hiezaka ho amin’ny fahaizana mandanjalanja ara-panahy, na ilay ambara koa amin’ny teny frantsay hoe “discernement spirituel » na raha lazaina amin’ny fomba hafa dia hoe : fahaizana manavaka ny asan’ny fanahy samy hafa eo amin’ny fiainana. Toe-panahy tokony hananan’ny olona tsirairay tokoa mantsy ity fahaizana manavaka ny asan’ny fanahy ity fa sady miantoka tanteraka ny fandrosoana ara-panahy no mandrindra ny fiainana manontolo mihitsy.
Fa ahoana moa hoy ny Papa raha miteny sy mampianatra izy momba ity fahaizana manavaka ny asan’ny fanahy ity ? « Ny kristianina, hoy izy nanazava, mba hiainana amin’izao fotoana izao tsy misy famitahana na tsy misy fitaka, dia tokony hirona bebe kokoa amin’ny vavaka sy ny fahaizana mandanjalanja ara-panahy ». Fa toy izao, hoy izy, no fiasan’io fahaizana manavaka ny asan’ny fanahy io : mampahafantatra antsika ny tena famantarana marina, ahalalantsika ihany koa ny lalana tokony hizorantsika amin’izao fotoana izao ». « Ny vavaka kosa, hoy hatrany ny Papa, dia tena ilaina mba hiainana tsara izao fotoana izao »… Noho izany, miaraka amin’ny vavaka sy ny fahaizana mandanjalanja, ny kristianina no mizotra mamakivaky ny fotoana ».
I Md Ignasy avy any Loiola, ao amin’ny Fampiasam-panahy nosoratany, dia mampianatra sy manoro antsika ny « Fitsipika mba hahatsapana sy hamatampatarana ireo tosika samihafa manetsika ny fanahy, ka ny tsara moa horaisina ary ny ratsy kosa hariana » ( FP 313). Hoy indrindra izy amin’izany : « Tsy maintsy tandremana fatratra ny fizotry ny hevitra mitranga ao an-tsaina. Raha tsara tanteraka ny fiatombohany sy ny eo an-tenatenany ary ny fiafarany, ary miorina tanteraka ho amin’ny tsara, dia famantarana izay fa avy amin’ny Anjely (na Fanahy) tsara. Fa raha ny fizotry ny hevitra itaomany kosa no miafara amina zavatra ratsy, na mampihahakahan-kevitra … na raha toa ka mankalemy ny fanahy sy mampitebiteby na mampikorontana azy, manesotra ny fiadanana sy ny fahatoniana tao aminy teo aloha : dia famantarana miharihary izany fa asan’ny fanahy ratsy, dia ilay fahavalon’ny fandrosoana sy ny famonjena antsika mandrakizay » (FP 333).
Anisan’ny toe-panahy fototra manampy amin’ny fahaizana manavaka ny asan’ny fanahy ihany koa anefa ny fahaizana mihaino ny Fanahy Masina ao amin’ny tena sy ny namana ary izao tontolo izao.
Zava-dehibe loatra, noho izany, ity fahaizana mandanjalanja ara-panahy ity na ny fahaizana manavaka ny asan’ny fanahy, hoy isika. Koa ny tsirairay vita Batemy mihitsy no entanina, ny Fianakaviana, ny ankohonam-pianan-dRelijiozy, ny Fiangonana manontolo, hiaina sy hampihatra izany amin’ny fotoana rehetra izorana, fa tena antoky ny firindram-piainana sy ny fandrosoana rehetra ara-panahy tokoa.