Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina volana Febroary 2018
« Mba tsy ho voasariky ny fanaovana kolikoly ireo manan-katao sy ireo mpanao politika ary ireo mpitondra fivavahana ».
Mifantoka indrindra amin’ny fiadiana amin’ny fanaovana kolikoly ny vavaka iraisantsika ao amin’ny Tambajotram-pivavahan’ny Papa Maneran-tany amin’ity volana ity. Ny kolikoly izay miparitaka sy mihanaka amin’ny sehatra maro maneran-tany ankehitriny ka toa zary lasa fanatontoloana mihitsy aza. Maro samihafa no ahafahana mamaritra na milaza ny atao hoe kolikoly, fa amin’ny ankapobeny, ny kolikoly dia izay rehetra mifandraika amin’ny fampiasana tsy amin’ny tokony ho izy na ny fangalaram-pahefana hahazoana tombontsoa manokana. Ka izay rehetra manam-pahefana hanapakevitra ary mampiasa izany hamiliviliana ny fizotry ny raharaha iray mba hahazoana vola na tombontsoa hafa, dia manao kolikoly.
Endrika iray mamoafady manimba sy manapotika ny fiainan’ny fiarahamonina sy ny firenena iray manontolo mihitsy ny fanaovana kolikoly ary tonga hatrany amin’ny fiainam-piangonana mihitsy aza. Mazàna dia ireo any amin’ny sehatry ny asam-panjakana sy ny tontolon’ny fanaovana politika no anjakan’ny fanaovana kolikoly. Ny fanodikodinam-bola ataon’ny tompon’andraikitra iray, na ara-panjakana io na amin’ny sehatra tsy miankina, ny hosoka sy ny fakana vola an-keriny mazàna no tena resahin’ny lalàna amin’ny fanaovana kolikoly. Na izany aza, mety misy karazana kolikoly tsy voalazan’ny famaritana miorina amin’ ny lalàna, toy ny fanomezan-danja ny havana sy ny namana, ny fiangarana olona na vondrona iray na maro, ny fanararaotam-pahefana. Nefa matoa marihin’ny Papa François manokana ao amin’ny fangatahana ny mpitondra fivavahana dia azo ambara fa mety ho voasariky ny fanaovana kolikoly ihany koa izy ireny amin’ny toerana misy azy.
Ny Fiangonana amin’ny maha Raiamandreny mpampianatra sy mpanabe azy dia mahatsiaro manana adidy lehibe amin’ ny famongorana ny tsy rariny rehetra misy eo amin’ny fiarahamonina ; anisan’ireny ny kolikoly. Antso sy iraka miantefa amin’ny Fiangonana rahateo ny fijoroana sy fitorìna ny fahamarinana. Ny Papa François dia nilaza mazava tamin’ny fampianarana nataony fa « ny mpitantan-draharaha manao kolikoly dia manao fahotana lehibe manohitra ny fahamendrehana no sady manome sakafo ‘’ mofo maloto ‘’ny zanany … Fa Andriamanitra nandidy antsika hitondra sakafo ao an-trano avy amin’ny asa mendrika nataontsika… Ny fahamendrehana, hoy hatrany ny Papa, dia avy amin’ny asa mendrika, asa madio, avy amin’ny asa atao isan’andro» (Pape François, Méditation matinal, 8 novembre 2013).
Ny Fiangonana amin’ny alalan’ ireo ratsamangaika isan-tokony mijoro ao aminy, toy ny Vaomiera misahana ny Fandriam-pahalemana sy ny Fiadanana, dia tsy mitsahatra ny mitory sy milaza ankarihary ny fahamarinana, maneho am-pahibemaso izay manao ny tsy rariny eo amin’ny fiarahamonina sy ireo sehatra hafa isehoan’izany. Etsy an-danin’izany koa anefa ny kristianina tsirairay avy dia entanina mba hiaina sy hijoro amin’ny Batemy sy ny Finoana aryireo Sakramenta noraisiny, ka na eo aza ny mety ho zava-tsarotra sy manahirana any amin’ny fiainam-piarahamonina any dia tsy ho voasariky ny fanaovana kolikoly sy ny tsolotra isankarazany. Adidin’ny vita Batemy rahateo ihany koa ny fitondrana am-bavaka ny fiainam-bahoaka hamongorana ny tsy rariny rehetra mba hisian’ny fiadanana sy ny fahamarinana.