Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – febroary 2020
Mba hohenoina sy hoheverina anie ny tarainan’ireo mpifindra monina vokatry ny fanondranan’olona mamoafady satria mbola mpiray tampo amintsika izy ireo.
Anisan’ny mampiavaka ny Papa François amin’izao fitondrany sy fiahiany am-panahy ny Eglizy izao, amin’ny alalan’ny fampianarana ataony, ny fanentanana sy fampirisihana ny kristianina sy ny tsara sitrapo rehetra, indrindra ireo manana andraikitra manokana amin’ny fiainam-pirenena, amin’ny fandraisana an-tanana sy fiahiana ara-tsosialy ny mpifindra monina.
Antony maro tokoa mantsy ankehitriny no mahatonga ny olona hifindra monina. Ao, ohatra, noho ny antony ara-pivelomana, ao kosa noho ny antony ara-pandriampahalemana, tsy milamina ny tany noho ny asan-jiolahy sy ny ady isankarazany ; hany ka voatery miala ny toeram-ponenana sy mandao ny tanindrazana mihitsy azy ny maro amin’izy ireny. Fa ao ihany koa ireo mpifindra monina vokatry ny fivarotana olona na fanondranana olona tsotra izao, izay azo lazaina fa mbola miseho amin’ny endrika samihafa ihany koa ary ambara aza fa tena mamoafady mihitsy satria ny soatoavina maha olona manontolo mihitsy no potika sy rava.
Mihamahazo vahana sy mihanaka tokoa ity fomba ratsy mamohehatra sy mamoafady ity ankehitriny, indrindra aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana sy mahantra toa an’i Madagasikara. Hita sy re ombieny ombieny amin’ny alalan’ny fitaovan-tserasera sy ny boky aman-gazety ny fijaliana sy fahasahiranana ary ny taraina mianjady ami’ireny olona ireny.
Efa misy ihany ny ezaka sy ny vahaolana atao eo anivon’ny Firenena mikambana sy ireo firenena voakasik’izany mivantana, amin’ny ady atao hamongorana ity fanondranana olona amin’ny fomba mamoafady ity. Tsy mijanona fotsiny amin’ny famongorana na fanafoanana fotsiny anefa ny ezaka atao fa eo ihany koa ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fitsinjovana ny maha olona an’ireo mpifindra monina ireo.
Manoloana izany indrindra, ny Papa François amin’ny maha Mpiandry ondry sady Mpampianatra, solontenan’i Jesoa Kristy azy, dia tsy mitsahatra ny manentana sy manantitrantitra ny tokony hitsinjovana ary hiahiana ireny olona ireny. Hoy indrindra izy raha manentana sy mampirisika ny olona handray ireo mpifindra monina : « Raiso, arovy, karakarao ny mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana » ( Hafatry ny Papa François ho an’ny andro maneran-tany momba ny mpifindra monina sy mpitsoa-ponena 2018).
Izany dia hamafisiny amin’ny tenin’ny Soratra Masina : « Raha misy vahiny tonga miara-monina aminareo, eo amin’ny taninareo, aza mampahory azy. Fa ataovy toy ny tompon-tany ihany no fitondra ny vahiny mitoetra eo afovoanareo, tiavo toy ny tenanareo izy, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianareo. Izaho no Tompo Andriamanitrareo » ( Fanisana 19, 33-34).
Ny Fampianaran’ny Eglizy momba ny sosialy sy fiaraha-monina ihiany koa moa dia manantitrantitra fa : « tokony horaisina araka ny maha olona azy ny mpifindra monina ary ampiana izy hiditra ao amin’ny fiaraha-monina« .