Fangatahan’ny Papa ao amin’ny TPPM Novambra 2017
« Mba hijoro ho vavolombelon’ny Evanjely amin’ny asa sy ny teny atao anie ny kristianina any Azia, ka hiroborobo ny fifanakalozan-kevitra, ny fandriampahalemana sy ny fifankahazoana am-po, indrindra amin’ireo antokom-pivavahana hafa ».
Mitondra ny mafy ireo Kristianina any Azia
Anisan’ny kaontinanta be mponina indrindra maneran-tany ny firenena ao Azia. Fantatra amin’izany fahamaroan’ny mponina izany i Chine sy Inde izay samy misy mponina mihoatra ny iray miliara avy. Tsy arakaraka izany kosa anefa raha ny isan’ny Kristianina no jerena, satria zara raha telo isanjaton’ny mponina no mba kristianina ary raha ny katolika indray aza dia mbola vitsy noho izany ; any Azia rahateo koa mantsy no ahitana ireo karazam-pivavahana lehibe, toy ny Bodisma, ny Hindoisma, ny Silamo… mbamin’reo fivavahana nentim-paharazana, izay samy efa niorim-paka hatramin’ny taon-jato maro, ka nanamaivana sy nanakantsakana ny fidiran’ny fivavahana kristianina. Mbola manjaka ihany koa ny fanenjehana sy ny faneriterena amin’ny fomba maro samy hafa ahatra amin’ny fivavahana kristianina. Tsy vitsy noho izany ireo mpitondra fivavahana, Eveka sy pretra ary relijiozy, hatramin’ny kristianina lahika, samborina sy atao an-tranomaizina mihitsy noho ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy fiarovana ny finoana. Ny Fiangonana, amin’ny alalan’ny Papa Ray Masina, dia tsy mitsahatra mankahery ireo kristianina vitsy an’isa, indrindra fa ny katolika, mba tsy ho kivy fa hijoro hatrany amin’ny maha Vavolombelon’i Kristy azy ireo. Na dia mahery vaika toy izany aza ny fanenjehana mihatra amin’ireo kristianina vitsy an’isa ireo dia hita ho mijoro hatrany kosa amin’ny fahamarinana sy ny fiarovana ny finoana ao anatin’ny toe-po amam-panahy ary toe-tsaina maha kristianina izy ireny.
Mpampihavana ny Fiangonana
Manoloana izany indrindra, ny Eglizy amin’ny maha Reny sy mpampianatra azy dia tsy mitsahatra ny mankahery sy mampianatra ny zanany hizotra amin’ny lalan’ny fahamarinana atoron’ny Vaovao Mahafaly. Iray fianakaviambe manko ny olombelona rehetra, ladim-boatavo ka iray fiaviana, satria ny taranak’olombelona tsy vakivolo dia nataon’Andriamanitra hiray fonenana eto amin’ity tany ity. Ireo Papa nifandimby, hatramin’ny Konsily Vatikana II no mankaty, dia samy nanao ezaka mba ho amin’ny fifanatonana sy fiaraha-midinika amin’ny samy karazam-pivavahana mba hisian’ny fihavanana sy ny fandriampahalemana, ao anatin’ny fahasamihafana sy ny maha izy azy avy. Hoy ny Konsily Vatikana II manambara ny fanajany ireo karazam-pivavahana misy : « Tsy manifika izay mety ho marina sy masina amin’ireny fivavahana ireny ny Fiangonana Katolika, fa dinihiny amim-panajana lehibe na ny fomba fiaina na ny fitsipika amam-pampianarana » (Konsily Vatikana II, Ny fifandraisana amin’ny Fivavahana Tsy Kristianina, n.2). Ny Papa Joany Paoly II, tamin’ny 27 Oktobra 1986, dia nampiantso fihaonam-be ho an’ny mpitarika avy amin’ireo karazam-pivavahana misy eran-tany, natao tany Assise Italia, nanehoana indrindra ny fifankatiavana sy ny firahalahiana mba hampanjakana ny fahamarinana sy ny fiadanana eto amin’izao tontolo izao. 25 taona taty aoriana dia mbola nanamafy izany ihany koa ny Papa Benoît XVI tamin’ny fanohizana io fihaonam-bem-pirahalahiana io. Toraka izany koa ny Papa François, tamin’ny 20 Septambra 2016, raha nankalaza ny faha 30 taona nisian’io fihaonam-be io dia nanantitrantitra hatrany ny firaisan-tsaina sy ny fiombonana ao anatin’ny fahasamihafana mba hisian’ny fiadanana marina eto amin’izao tontolo izao, araka ny lohahevitra tamin’izany hoe : « Mangetaheta fiadanana ». Hoy indrindra mantsy ny Papa François raha namarana ny lahateniny : « Izao fihaonam-pirahalahiana izao anie hanamafy ny ezaka ataontsika mba hiaina am-pitoniana sy hampisandrahaka ny tsodranon’ny fiadanana ».
Na dia eo aza ny famporisihan’ny Papa Ray Masina antsika hivavaka ho an’ireo Kristianina any Azia ho amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fandriampahalemana mbamin’ny fifankahazoana am-po, dia ny mpino rehetra vita Batemy mihitsy no mila miezaka mijoro tanteraka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy maty sy ny Nitsangan-ko velona eo amin’ny fiainana andavan’andro sy amin’izay rehetra atao ; ezaka hifanaja sy hifankatia mba tsy hifanipaka amin’ny anarana entina.