Fanambaran’ny FFKM : « aoka ny rariny hikoriana… »
“Aoka ny rariny hikoriana toy ny rano ary ny fahamarinana ho tahaka ny renirano tsy mety ritra” (Hamosa 5, 24 DIEM)
Ry Vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana,
Ny Filoham-piangonana miombona ato anatin’ny FFKM, ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) dia faly miarahaba ny isan-tokantrano sy ny tsirairay avy, velon’aina nahatratra izao taona vaovao 2021 izao. Taom-pisedrana tamin’ny lafiny maro iny taona 2020 nivalona iny koa maneho ny fiombonana alahelo amin’ireo izay nidonam-pahoriana. Singanina amin’izany ny Fiangonana Loterana Malagasy izay namoy ny filohany, Pasteur Docteur Rakotonirina David, nodimandry ny 11 jolay 2020 lasa teo. Nisedra ady sarotra isika noho ny fiatrehana ny valanaretina covid-19. Voasoratra amin’ny tantara fa nisy fotoana izay tsy maintsy nanakatonana ny fiangonana ka naha-sahiran-tsaina ny kristianina maro. Isaorana anefa IZY TOMPO fa tsapa Ilay tanany mahery nitazona sy nitantana ny Fiangonany.
Mampahery anareo vahoaka Malagasy maro an’isa izay misedra fahasahiranana amin’ny endriny samihafa. Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina no fanantenantsika. Aoka hivavaka sy hifampivavaka isika rehetra fa ny fiankinana amin’Andriamanitra irery ihany no vahaolana hamonjena ny firenena.
Miarahaba ny mpitondra fanjakana sy mitrotro anareo am-bavaka eo am-panatontosana ny andraikitrareo. Eo tokoa ireo ezaka ataonareo hampandrosoana ity firenena malagasy ity. Betsaka koa anefa ny asa miandry. Mbola misaina ao anaty tahotra sy fahasahiranana ny maro an’isa koa manao izao antso izao izahay :
Momba ny kere
Manamafy ny fanentanana ny mpiray tanindrazana ny FFKM hitsinjo manokana ireo iraitampo amintsika iharan’ny kere. Entanina ny fiangonana, ny fikambanana mpanao soa hifanome tanana amin’ny fanamaivanana ny fahoriana mianjady amin’izy ireo. Miantso ny mpitondra fanjakana hanohy ny ezaka efa atao mahakasika ny kere ka hitady vahaolana maharitra izay hitondra fanantenana ho an’ny vahoaka. Toa hamarinin’ny Soratra Masina ny zava-misy hoe : “ny vahiny eo aminareo no hisandratra ambony dia ambony noho ianareo fa ianareo kosa ho ambany dia ambany. Ireo no hampisambo-bola anareo fa tsy ianareo intsony no hampisambotra azy… ho mpanompon’ny fahavalo alefan’ny Tompo hamely anareo ianareo, ka hianjadian’ny hanoanana sy hetaheta ary hihafy amin’ny fitafiana sy ny zavatra isan-karazany” (Deo 28, 43-48). Koa manainga anareo hiasa amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra mba hitondra fandrosoana marina sy famonjena ho an’ny vahoaka.
Momba ny fandriampahalemana
Manantitra hatrany ny FFKM ny amin’ny hampitsaharana ny karazana herisetra manitsakitsaka ny hasin’ny aina, noho ny fitadiavan-karena na noho ny filana adala fotsiny izao. Mitaona ny manampahefana sy ny vahoaka samy hiezaka hampanjaka ny fandriampahalemana ary SAMY HANAJA NY AINA.
Momba ny fahasalamana
Mikasika ny fitantanana ny valanaretina covid-19: ankoatry ny fiatrehana teknika ny aretina dia tsy ampy ny tatitra avy amin’ny goverinemanta mahakasika ny fitantanana ny fanampiana.
Miteraka alahelo, fifandrafiana, teo amin’ny vahoaka izay efa sahirana izany. Fanirianay, noho izany, ny hisian’ny tatitra mazava avy amin’ny mpitondra mba hanala ny ahiahy rehetra.
Manentana ny FFKM ny hanaovana fandalinana vaovao momba ny fitantanana ny fahasalamana mba hisitraka fitsaboana feno fahamarinana sy azon’ny rehetra ianteherana ny marary ary ho takatry ny filan’ny vahoaka Malagasy ny saram-pitsaboana sy ny fanafodiny.
Momba ny fanabeazana
Mahatsapa izahay FFKM fa sahiran-tsaina ny ray aman-dreny sy mpianatra manoloana ny tranga misy eo amin’ny lafiny fanabeazana iainana ankehitriny. Mivavaka ho anareo izahay ary mandinika koa izay lalana hanatsarana ny fanabeazana mba hanomana ny taranaka ho olom-pirenena vanona.
Momba ny tontolo iainana sy seha-pihariana samihafa
Andraikitry ny fanjakana ny fampisitrahana ny vahoaka ny haren’ny taniny. Re anefa fa misy manondrana mivoaka ny Nosy ny harem-pirenena toy ny volamena, andramena, sokatra…
Manao antso avo ny FFKM hanavaozana ny politikam-panjakana amin’ireo sehatra ireo mba hisitraka ny hakanton’ny haren’ny taniny ny Malagasy ka hampisy fivoarana ho azo tsapain-tanana amin’ny fiainany.
Momba ny fampihavanam-pirenena
Mamerina hatrany FFKM fa ny fitondra fahombiazana ho an’ny firenena satria izany no mampihavana ko any olona samy olona ary ny olona sy ny zava-bohary. Manainga ny manampahefana rehetra isan’ambaratonga, noho izany, mba hiverina amin’ny fahatahorana sy fanajana an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina satria ny “fanajana ny Tompo no loharanom-pahendrena” (Ohabolana 9, 10a). Manainga ny vahoaka Malagasy, manainga ny vahoaka kristianina rehetra amin’ny maha-fiangonana azy mba hijoro ao “andry sy fiorenan’ny fahamarinana” (I Tim 3,15) azy amin’ny alalan’ny fibebahana syn y fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy.
Ry kristianina malala, ry vahoaka Malagasy havaozy amin’izao taom-baovao izao indray ny fanekenao ny fitondran’Andriamanitra ny fiainanao “satria raha misaraka amiko ianareo, hoy Jesoa, dia tsy afa-manao na inona na inona” (Joany 15, 5b)
“Mitsangana, mamirapiratra, satria tonga ny famirapiratanao : ny voninahitry ny Tompo no manazava anao toy ny masoandro miposaka” (Isaia 60, 1)
Antananarivo 24, janoary 2021
Pastora Dr Rakotozafy Denis, Filohan’ny FLM
SE Mgr Razanakolona Odon Marie Arsène, filohan’ny EKAR
SE Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, Filohan’ny EEMDr Irako Andriamahazosoa Ammi, mpitandrina Filohan’ny FJKM