CNECAUM : hatao any Toamasina ny kaongresy fahatelo
Ho tanterahina any Toamasina ny 7 ka hatramin’ny 11 aprily 2015 ho avy izao ny fihaonamben’ireo Ekipa kristianina ankehitriny misehatra eny anivon’ny ambaratonga ambony.
Taorian’i Mahajanga sy Fianarantsoa dia Toamasina no handray ny kaongresin’ny CNECAUM (Coordination nationale des équipes chrétiens d’aujourd’hui des universitaires de Madagascar).
Tanjona amin’izao fihaonana izao ny fifampizaràna trai-kefa eo amin’ireo ekipa, ny fandalinam-pinoana ary ny fanovozam-pahalalana avy amin’ireo mpisehatra isan-tokony.
Hisy ny filan-kevitra nasiônaly ny 7 aprily 2015. Fotoana handinihan’ireo mpandrindra isam-paritra, miaraka amin’ireo rayam-panahy sy ny ekipa nasiônaly, ireo ezaka vita nandritra ny roa taona lasa ary hanorintsoritana ny dia ho amin’ny dimy taona manaraka.
Nijoro ny taona 2006 ny CNECAUM, tanjony ny :
- hanampy ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony hahomby amin’ny fianarana ataony ;
- hanohana azy ireo amin’ny fandalinana sy fijoroana vavolombelona amin’ny finoana ;
- hanentana ireo tanora handray andraikitra amin’ny fampandrosoana ny firenena.