Carlo Acutis : lalana migodana mankany am-paradisa ny Eokaristia
Loharano : Zenit.org
Ivom-piainantsika ny eokaristia. Marina fa mbola lavitra ny lalana mitondra amin’ny fanandratana an’i Carlo ho olontsambatra saingy ohatra azontsika arahina ny fiombonany tamin’i Jesoa.
Vavaka, tenin’Andriamanitra, eokaristia
Nanao kômônio voalohany i Carlo fony izy fito taona (1998). Nanomboka teo dia tsy tapaka ny famonjeny sorona masina isan’andro. Mivavaka matetika eo akaikin’ny tabernakla izy hidera an’i Jesoa velona ao anaty eokaristia.
Hoy indrindra izy teo amin’ny faha 11 taonany : « Arakaraky ny andraisantsika ny eokaristia no itoviantsika amin’i Jesoa ka mianoka sahady ny paradisa isika dieny ety an-tany. »
Namany akainy i Masina Maria ary vatrany ny manao toko sapile isan’andro.
Tondroavaratra nentiny namakivaky ny fiainana ny tenin’Andriamanitra.
Tanora herotrerony
Nianatra tao amin’ny sekoly Léon XIII i Carlo ary nanavanana azy ny informatika, ny famoronana tranonkala, ny tantara an-tsary ary ny fanambarana sary mihetsika.
Niasa an-tsitrapo ihany koa izy ho fanampiana ireo ankizy sy ireo zokiolona miaina ao anaty fahasahiranana.
Nararin’ny Leucémie i Carlo. Natolony ho fanasoavana ny Fiangonana sy ny asan’i Ray masina Benoît XVI.
Neken’ny diosezin’i Milan ny fanokafana ny fanadihadiana mba hanandratana azy ho olontsambatra tamin’ny 15 febroary 2013.
Te hahafantatra ny fiainan’i Carlo Acutis.