Vavaka ho fananganana ho Olomasina an’ i Victoire Rasoamanarivo
Ry Andriamanitra Rainay Masina sy Lavorary indrindra ô, faly izahay midera sy mankalaza Anao, ary mitalaho an-tanan-droa Aminao : mba omeo voninahitra ny Anaranao masina, vonjeo ny Fiangonanao sy ny tanindrazanay ary ny olona marobe.
Ka mba ho sitrakao anie ny hanangana ho Olomasina an’i Victoire Rasoamanarivo zanakao, fatra-panaja sy tia anao sy ny Zanakao Lahitokana ary i Masina Maria Reniny.
Mahagaga tokoa ny fitiavany ny namana : ny vadiny sy ny olon-drehetra, indrindra ny madinika isan-karazany.
Mahatalanjona ny fitiavany ny Fiangonana sy ny Sekoly katolika ary ny fikambanana mpanao asa famonjena.
Mahavariana ny fifikirany tamin’ny finoany. Mila azy ho mpiaro sy ho fakan-tahaka izahay.
Koa mba asehoy re ny sitra-ponao ry Ray ô. Ary mba omeo anay, noho ny vavaka ataony, izao fangatahanay aminao izao (…).
Matoky anao izahay ry Ray, satria Andriamanitra Fitiavana sy be famindram-po Ianao, ary mahefa ny zavatra rehetra. Amen
Rainay… Arahaba ry Maria… Voninahitra anie…