Vavaky ny mpianakavy isan’andro
Ry Jesoa be fitiavana indrindra, izay nanamasina ny fianakaviana voafidinao tety an-tany, tamin’ny hatsaram-panahinao tsy hay lazaina sy ny oha-pitondrantena nomenao tao an-trano, mba topazo fijery antra ity fianakaviana miankohoka eto an-tongotrao, mihanta mba hosoavinao. Ka tsarovy fa Anao ity fianakaviana ity, noho izy namehy sy nahafoy tena ho anao. Koa aoka mba harovan’ny hatsaram-ponao izy, hafahanao amin’ny loza, hovonjenao amin’ny mahory, ary mba homenao ny herim-po ilainy haharetana hatramin’ny farany amin’ny fanarahana ny fianakavianao masina; ka rehefa nifikitra tamn’ny fanompoana sy ny fitiavana Anao izy nandritra ny andro niainany, dia hahazo hankalaza Anao mandrakizay any an-danitra.
Ry Maria Masina, Reny tsara fo indrindra, mihanta ny fiarovanao izahay, fa mahatoky fa tsy ho hain’ny Zanakao lavina ny fangatahanao. Ary ianao koa, ry Jôsefa masina, Patriarka be voninahitra, mba tahio amin’ny fiarovanao mahery izahay, ary atero eo am-pelatanan’i Maria ny vavakay, hatolony an’i Jesoa Kristy. Amen