Vavaka miaraka amin’i Zélie sy Louis Martin Olontsambatra
Ry Andriamanitry ny Fitiavana mandrakizay ô,
nomenao anay ho modelin’ny fahamasinana iainana ao an-tokantrano
Zélie sy Louis Martin Olontsambatra.
Nitana ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana,
Tao amin’ny adidy sy olana niseho teo amin’ny fiainany izy.
Nanabe ny zanany mba ho tonga olomasina.
Enga anie ny vavaka asandratr’izy ireo
Sy ny oha-piainana nomeny,
Hanohana ny fianakaviana ao amin’ny fiainana Kristianina
Sy hanampy anay rehetra hizotra amin’ny lalan’ny fahamasinana.
Raha sitrakao, mangataka ny fahasoavanao izahay
Amin’ny alalan’ny vavaka ataon’izy ireo, mba………………..
Misaotra anao izahay nanangana azy ho isan’ny Olomasina ao amin’ny Eglizinao
Sy ny famangiany an’i Madagasikara.
Miaraka amin’i Masina Maria Reninay izahay no mitalaho izany.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay.
Amen.