Vavaka ho an’ny Fihaonambe JNE 2
Ry Andriamanitra Rainay ô !
Misaotra Anao izahay noho ny fampiombonanao anay
amin’ity fihaonambe faharoa ho an’ny Ankizy
Katolika manerana ny Nosy ity. Faly izahay fa
mifankahita sy mifankahalala, mifampizara sy afaka
maneho ny maha izy anay ato amin’ny Fiangonanao sy
ny Firenenay.
Ampitomboy ao anatinay tsirairay avy ny
fitiavam-bavaka sy ny fitiava-namana, amin’ny maha
Ankizy misionera anay, mba hanamasinanay ny
tenanay sy ny namanay. Ampio koa ny Eveka, ny
Pretra, ny Mpanabe sy ireo Rayaman-dReninay izay
tsy mitsahatra miahy sy mikolokolo hahatonga anay
ho olom-banona.
Mangataka ny Fitiavanao sy ny
Famindram-ponao izahay ho an’ireo Ankizy namanay
te hiombona sy hiara-paly aminay nefa tsy afaka
noho ny tsy fahasalamana, ny fahasahiranana, ny
herisetra mianjady sy ny antony maro samihafa.
Arotsahy amin’izy ireo, ry Ray, ny fahasoavanao
ahatsapany fa tia azy sy tsy mahafoy azy Ianao.
Miaraka amin’i Masina Maria Reninay
izahay no mitondra ny vavakay sy ny namanay,
mankany amin’i Jesoa Zanakao sady Zokinay, ilay
velona sy manjaka miaraka Aminao sy ny Fanahy
Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen !