Vavaka fiomanana amin’ny famangiana apostolika ataon’ny Papa Ray Masina Fransoa
Ry Andriamanitra Rainay ô,misaotra Anao izahay fa tsy mitsahatra maneho ny famindramponao Ianao. Naniraka an’i Jesoa Zanakao Ianao nitory ny Evanjely ka namonjy sy nanavotra anay hiala amin’ny gejan’ny fahotana mamatotra sy mampahory anay. Niantso sy naniraka mpianatra Izy. Tianao hanenika ny isan-tokatrano ny hafaliana entin’izany Evanjely izany.
Nahazo tombony tamin’izany ity tanindrazanay ity tamin’ny alalan’ireo Misionera tonga taty aminay. 30 taona lasa izay namangy anay ny Papa Joany Paoly faharoa, dimbin’i Md Piera Apostoly, efa tonga olomasina ankehitriny. Ho avy hamangy anay ny Papa Fransoa, hankahery ny vahoakanao eto amin’ity Nosy malalanay ity ary hamafy fiadanana sy fanantenana. Mankasitraka sy mankatelina Anao izahay noho izany fahasoavan-dehibe izany.
Fantatrao fa mangetaheta fihavaozana ny firenenay izay misedra fahoriana maro lafy. Koa iraho ny Fanahinao Masina hanokatra ny saina sy ny fo amam-panahinay, hanampy anay hahatsapa ny haratsianay sy hitondra anay amin’ny fibebahana.
Enga anie izao fitsidihana apostolika ataon’i Papa Fransoa izao hampiombona anay Aminao ka hitondra voka-tsoa betsaka amin’ny fiainan’ny Eglizy eto aminay miombona amin’ny Eglizy eran-tany sy ny fiainan’ny firenenay.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay no angatahanay izany. Amen.
Voninahitra anie……
- Masina Maria notorotoronina tsy azon-keloka – Mivavaha ho anay izay mangata-bonjy aminao
- Md Jacques Berthieu – Mivavaha ho anay.
- Ny Olon-tsambatra Victoire Rasoamanarivo – Mivavaha ho anay.
- Ny Olon-tsambatra Raphaël-Louis Rafiringa – Mivavaha ho anay.
- Ny Olon-tsambatra Jean Beyzim – Mivavaha ho anay.
- Ny Olon-tsambatra Lucien Botovasoa – Mivavaha ho anay.
Anio Alahady 21 avrily 2019,
Fankalazana ny Paka
Imprimatur
† Gaetano DI PIERRO, Evekan’i Farafangana, Filohan’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Litorjia
† Jean Claude RANDRIANARISOA, Evekan’i Miarinarivo.