Valanaretina Covid 19 : fangatahana amin’i Masina Maria
“Izahay mifefy aminao ry Reny Masin’Andriamanitra”
Amin’izao zava-mitranga mampitaintaina, feno fijaliana sy fanahiana mamely an’izao tontolo izao ankehitriny izao, midodododo any Aminao, Renin’Andriamanitra sy Reninay izahay, ary mitady fialofana eo ambany fiarovanao.
Ry Maria Virjiny, atodiho aminay ny masonao feno indrafo amin’izao iatrehanay ny valan’aretina Coronavirus izao, ary ankaherezo ireo rehetra very hevitra sy mitomany noho ireo havany namoy ny ainy, nalevina amin’ny fomba mandratra fanahy. Tohano ireo velon’ahiahy noho tsy fahafahany mitoetra eo anilan’ireo marary ho fisakanana ny fiparitahan’ny valan’aretina. Omeo fitokiana ireo mitebiteby noho ny ho avy lasa manjavozavo, sy noho ny fiantraikan’izao zava-mitranga izao eo amin’ny toe-karena sy ny asa.
Ry Renin’Andriamanitra sady Reninay,
mitalahoa ho anay amin’Andriamanitra, Rain’ny famindrampo,
mba hitsaharan’izao fitsapàna mivaivay izao
ka hiverina ny fara-vodilanitry ny fanantenana sy ny fiadanana.
Tahaka ny nataonao tany Kanà, miresaha amin’i Jesoa Andriamanitra Zanakao, mba hitalaho aminy hankahery ny fianakavian’ireo marary sy ireo nodimandry ary hanokatra ny fon’izy ireo amin’ny fitokiana.
Arovy ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy, ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpilatsaka an-tsitra-po, izay lohalaharana amin’izao fotoanan’ny hamehana izao ka manao vy very ny ainy mba hamonjena ny ain’ny hafa. Tantano ny harerahana feno herim-po asehony ary omeo azy ireo ny hery sy halemem-panahy ary ny fahasalamana.
Aoka ianao ho eo anilan’ireo izay manampy andro aman’alina ireo marary sy ireo pretra izay mikatsaka ny hanampy sy hanohana ny rehetra, entanin’ny fiahiana maha mpiandry ondry sy ny firotsahana araka ny Evanjely.
Ry Virjiny Masina, hazavao ny sain’ireo lehilahy sy vehivavy mpikaroka ara-tsiansa, mba hahita vahaolana marina handresena ity tsimok’aretina ity.
Ampio ireo tompon’andraikitra ara-panjakana, mba hiasa amim-pahendrena sy fiahiana ary fahafoizana, eo am-pamonjena ireo izay tsy manan-kivelomana sy eo am-pandrafetana vahaolana ara-tsosialy sy ara-toekarena, amim-pahiratan-tsaina sy amim-pitandroana hatrany ny firaisan-kina.
Ry Maria masina indrindra, fohàzy ny feon’ny fieritreretana,
ka ireo vola be mikararàna nampiasaina hampitomboana sy hanatsarana ny fitaovam-piadiana anie mba hatokana amin’izay, hampiroboroboana fikarohana mahomby enti-misoroka ny zava-doza tahaka itony, amin’ny ho avy.
Ry Maria tianay indrindra,
ampitomboy eo amin’izao tontolo izao, ny fiheveran-tena ho mpikambana amin’ny fianakaviam-be iray, amin’ny fahatsapana ny rohy mampifandray ny rehetra, ka hanosika anay hamonjy ireo fahantràna marobe sy ny toe-javatra iainan’ireo fadiranovana, entanin’ny toe-tsaina mandala ny firahalahiana sy firaisan-kina. Ankaherezo izahay hiorina mafy amin’ny finoana, haharitra amin’ny fanompoana ary hitozo tsy tapaka amin’ny fivavahana.
Ry Maria Mpanambitamby ny malahelo,
fihino ireo zanakao rehetra ao anatin’ny fahoriana,
angataho amin’Andriamanitra mba hanampatra ny Tànany mahery
hanafaka anay amin’izao valan’aretina mampivarahontsana izao,
ka mba hiverina amin’ny laoniny ao anatin’ny fitoniana ny fiainanay.
Mitoky aminao izahay,
Ianao izay mamirapirapitra eo amin’ny làlanay,
toy ny famantarana ny famonjena sy ny fanantenana,
izany ry be fitiavana, izany ry be famindrampo,
izany ry Maria Virjiny maminay. Amen