Tari-dalana ho amin’ny karemy
Loharano : Zenith
Tohizantsika anio ny fifampizaràna mikasika ny laretirety nataon’ny Ray masina Fransoa sy ny mpiara-miasa aminy.
Izay iray vatsy iray aina
Ny sakafo farany niarahan’i Jesoa sy ny mpianany no nanompanan’i mompera Michelini ny fandalinany (Mt 26, 20 – 35). Fotoana manan-danja anehoana ny fifankatiavana ny fiaraha-misakafo ka tokony halavirina ny “famadihana”.
Anisan’ny nandalina ny lanjan’io fotoana io Md Ignasy avy any Lôyôla. Ho azy dia fiaikena ny mahavoafetra ny olombelona ny fisakafoana satria tsy mahavita tena izy fa mandray ny fiainana avy any ivelany. Araka izany, misy ny fitsipika tokony arahina : misakafo milamina tsara fa tsy asesiky ny hanoanana ary mifehy tena amin’ny habetsahan’ny zavatra ohanina.
Fotoana tokony hanamafisana ny firaisan-kina ny sakafo. Indraindray anefa isika dia mizarazara toa ireo kristianina tany Korinto izay nokianin’i Md Paoly. Marina fa efa maro ny ezaka vita mba ho fampihavanana ny mpino saingy mbola betsaka ny tokony hatao. Fanontaniana no namaranan’i mompera Michelini ny fifampizaràna : tsapantsika marina ve fa nandatsaka ny rany i Jesoa mba ho famelana ny fahotantsika ?
Matory isika sa mivavaka ?
Ny vavak’i Jesoa tany Getsemania sy ny nisamborana azy no niompanan’ny tari-dalana ny talata 7 martsa tolakandro (Mt 26, 36 – 46). Inona no ataontsika manoloana ny namantsika zohim-pahoriana ? Mivavaka sa matory, toa ireo mpianatra nentin’i Jesoa ? Ahoana no fahatsapantsika ny sitrapon’Andriamanitra : “hantahanta” tsy maintsy atao sa soa ho an’ny rehetra ? Hitantsika ao amin’ny bokin’i Jonasa (3, 10) fa niova hevitra ny Tompo rehefa nibebaka ny mponina. Manoloana izany, vitantsika ve ny hiziziry amin’ny hevintsika ?