Tag: TPPM

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray masina – desambra 2018

« Mba hahita fomba fitoriana mifanaraka amin’ny kolontsaina sy ny fomba fiaina ankehitriny ireo manolotena hanao ny asa fitoriana ny Finoana ». « Ary ny Teny tonga Nofo ka niara-nonina tamintsika » (Jon 1, 14). Efa roarivo taona mahery lasa izay no tanteraka teto anivon’izao tontolo izao izany tenim-pamonjena izany ; manambara ny fahatongavan’Ilay Zanak’Andriamanitra ho olombelona nitondra ny …

Lire la suite

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – novambra 2018

« Mba ho teny feno fitiavana sy fifanakalozan-kevitra mandrakariva no hanjaka eo amin’izao tontolo izao fa tsy ny fampiasana fitaovam-piadiana ».  Ny fiainam-pinoana dia sekolin’ny fo ihainoana ny tena mba hialana amin’ny hevitra mamitaka izay manimba ny ankohonana sy ny fiaraha-monina. Manako eran-tany ny fitaovam-piadiana; zary akon’ny fon’olombelona tsy tompon’ny tenany intsony. Avo feo izy ka manakona …

Lire la suite

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – oktobra 2018

« Mba havitrika ireo mpanokantena ka hanana herim-po hanampy ny mahantra sy ireo atao anjorombala ary ireo tsy mba afa-miteny ». Hatrany ampiandohan’ny Fiangonana no efa nisy lehilahy sy vehivavy nanolo-tena hanaraka ny torohevitry ny Evanjely, mba hanarahany dia an’i Kristy sy hakany tahaka Azy tanteraka ary hanokanany ny tenany ho an’Andriamanitra samy araka ny fombany avy. …

Lire la suite

Vavaka hasivian’andro ho fiombonam-bavaka amin’ny Ray Masina

Vavaka hasivian'andro maneran-tany

Miteraka olana ho an’ny Eglizy manontolo ny fisian’ireo mpitondra fivavahana nanao fanararaotana ara-nofo. Manentana antsika kristianina manontlo hitrotro am-bavaka izany raharaha manahirana ny Fiangonana izany ny Papa François tamin’ny 20 Aogositra 2018 lasa teo, Nasongadiny fa « raha mijaly ny ratsam-batana iray, dia miara-mijaly avokoa ny ratsam-batana rehetra » ( I Kôr 12, 26). «Ny fivavahana sy ny asa …

Lire la suite

Fangatahana ampanaovin’ny Papa – septambra 2018

« Mba ho afaka misitraka ny fanabeazana aroso sy ny asa misy ao amin’ny Fireneny ireo tanora maro aty amin’ny kaontinanta Afrikana ». Raha ny salan’isan’ny mponina aty amin’ny Firenena Afrikana no jerena dia ny tanora no maro an’isa. Midika izany fa tanora kokoa ny mponina aty Afrika sy Madagasikara, amin’ny ankapobeny, raha miohatra amin’ireo any amin’ny …

Lire la suite

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – aogositra 2018

“ Mba ho arovan’ny fanapahan-kevitra ara-toekarena sy ara-politika ny fiainam-pianakaviana izay harena sarobidy ho an’ny zanak’olombelona”. Araka ny lahatra sy ny fandaharan’Andriamanitra dia sehatra voalohany manampy ny olona  ho mendrika ny maha-olona azy ny fianakaviana, ary manampy  ny fiaraha-monina ho mendrika ny maha-olona ny olona. Imbetsaka no asongadin’ny Soratra Masina ny lanjan’ny fianakaviana, na ho …

Lire la suite

Tambajotram-pivavahan’ny Papa Maneran-tany : fangatahana ho an’ny volana jolay

« Mba hankaherezin’ny fitiavan’Izy Tompo sy ireo rahalahiny ny Pretra trotraky ny asa sy manirery any amin’ny asa pastôraly ». Ny Pretra dia olona voantson’i Kristy manokana teo anivon’izao tontolo izao ho amin’ny fandraharahana masina eo anivon’ny Fiangonana amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy fizaràna ny sakramenta amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Amin’ny maha olom-boahosotra azy ao amin’ny Fandraharahana masina …

Lire la suite

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – jona 2018

« Mba hanamafy ny firaisankina sy ny fanajana ny hafa ao anatin’ny fahasamihafana ny tambajotram-pifandraisana sosialy misy. » Afantoky ny Papa Ray Masina amin’ny tambajotram-pifandraisana sosialy ny fangatahana iombonantsika aminy mandritra ny volana Jona. Ankehitriny mantsy dia miely hatraiza hatraiza ary efa zary fanantontoloana mihitsy ny firoboroboana sy ny fampiasana ny teknolojia moderna amin’ny fifandraisana amin’ny mpiara-belona. …

Lire la suite

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina volana aprily 2018

« Mba hanana fahasahiana handà ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana ireo mpandinika sy mpikirakira ny toekarena eran-tany, ka ho afa-manoritra lalam-baovao hifehezana ny toekarena ».   Na dia voazarazara ho firenena mahantra sy manankarena aza izao tontolo izao dia tsy misy afa-mihambo ho mahavita tena tanteraka eo amin’ny lafiny toekarena. Toa milaza izany fa na …

Lire la suite

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina volana Marsa 2018

“Mba ho tsapan’ny Fiangonana manontolo ny maha zava-dehibe ny fahazaina mandanjalanja ara-panahy, na eo amin’ny fiainan’ny tsirairay na ny ankohonana manontolo”. Entanin’ny Papa Ray Masina indray isika kristianina mandritra ity volana Marsa ity hiezaka ho amin’ny fahaizana mandanjalanja ara-panahy, na ilay ambara koa amin’ny teny frantsay hoe “discernement spirituel » na raha lazaina amin’ny fomba hafa …

Lire la suite