Sinaoda 2018 : lazao ny hevitrao
Te hahafantatra ny fiainan’ny tanora ny Fiangonana ka manentana azy ireo hamaly fanontaniana vitsivitsy ho fiatrehana ny sinaoda amin’ny taona 2018. Miantefa amin’ireo 16 ka hatramin’ny 29 taona io fanadihadiana io ka azonao atao ny mandray anjara hatramin’ny 30 novambra 2017. Ampatsiahivina fa ny volana ôktôbra 2018 no hatao any Rôma ny sinaoda hiompana amin’ny lohahevitra hoe : « Ny tanora, ny finoana ary ny fisafidianana ny lalam-piainana ».
Misaotra mialoha amin’ny Famaliana ireo fanontaniana ho an’ny sinaoda 2018.