Rainay any an-danitra…
Vehivavy voalohany nasandratra ho mpampianatry ny Fiangonana Mb Terezy avy any Avila izay ankalazaina ankehitriny ny faha-500 taona nahaterahany.
Nohalalininy manokana ny vavaka nampianarin’i Tompo ka indro ifampizarana amintsika anio.
Rainay any an-danitra
Afaka manatona an’Andriamanitra amim-pahatokiana isika, miaraka amin’ny fahatsorana sy ny fahasahiana feno fanentretenan’ny ankizy resy lahatra fa hotiavina.
Inona moa ny Lanitra itoeran’Andriamanitra ? Ny lanitra kokoa no ao amin’Andriamanitra fa tsy Izy no ao amin’ny lanitra, satria ilay any ho any irintsika dia tsy toerana fa misitery tsy manampetra ifampizarana fitiavana.
Hohamasinina anie ny anaranao
Alaim-panahy isika hangataka amin’Andriamanitra ireo filantsika maika rehefa mivavaka. Manentana antsika kosa i Jesoa mba hiala amin’ny tenatsika ka hitodika any amin’Andriamanitra, any amin’ilay Fanjakana antenaintsika.
Tsy mila ampiana intsony ny fahamasinan’Andriamanitra fa asaina mameno ny tontolon’ny tany mba hahatonga azy hifanandrify amin’ny sitrapon’Izy Andriamanitra.
Mangataka ihany koa isika mba ho voninahitra ho Azy ny fiainantsika ka hahafantatra Azy amin’ny alalan’ireo zanany ireo rehetra mbola tsy mahalala Azy.
Ho tonga anie ny Fanjakanao
Fa inona moa ity fanjakana izay angatahantsika ny fiaviany ity ? Hoy Md Paoly hoe « Rariny, fiadanana ary hafaliana ao amin’ny Fanahy Masina ny Fanjakan’Andriamanitra ».
Marina fa mety hahakivy antsika ireo tranga maro misy ankehitriny saingy manasa antsika i Jesoa hahita
ireo toerana, ireo fo izay efa itoeran’ny fanjakan’Andriamanitra.
Manana Vaovao Mahafaly holazaina isika : « Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra, efa eo anivontsika izy ».
Hotanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra
Aoka isika tsy hihevitra hoe efa manana drafitra maty paika mialoha ho an’ny zanany tsirairay Andriamanitra ka mila « fantarina » izany ary tanterahina avy eo. Isika mamaly ny fitiavany ary manoritra ny lalantsika miaraka aminy no hany fanirian’Andriamanitra ho antsika.
Fa inona ary no sitra-pon’Andriamanitra ? Roa monja no zavatra angatahany amintsika : ho tia Azy ary ho tia ny namantsika ! Raha miezaka isika hahatontosa izany dia manao ny sitra-pony. Sarotra ny hahafantarantsika hoe tia an’Andriamanitra ve isika.
Azontsika fantarina tsy am-pisalasalana kosa anefa hoe tiantsika ny namantsika. Arakaraky ny androsoantsika amin’ny fitiavana ny namana no androsoantsika ihany koa amin’ny fitiavana an’Andriamanitra !
Omeo anay anio ny haninay isan’andro
Manasa antsika i Jesoa hampahafantatra ny Ray ireo tena ilaintsika. Rehefa mangataka Aminy ny « hanina » isika dia miaiky fa avy Aminy ny fiainantsika ary mila raisintsika amim-pitokiana isan’andro izy : tsy handao antsika mihitsy ny Tompo.
Na izany aza anefa dia mila miasa mafy hatrany isika, toa ny hoe miankina amintsika irery ny zava-drehetra. Ambonin’izay ny « mivavaka toa ny hoe miankina amin’Andriamanitra ny zava-drehetra » dia mandrisika antsika hiray hina marina amin’ireo ory, tsy manana n’inona n’inona.
Sakafom-panahy ihany koa io hanina mahavelona angatahantsika io. Lazaintsika amin’Andriamanitra ny faniriantsika ny Teniny mofom-piainana, ny mofon’ny Eokarisitia, mofo novakiana ho an’ny tontolo vaovao.
Avelao ny fahotanay, tahaka ny amelanay ireo izay nanao ratsy taminay
Tsy misy fetra ny fitiavan’Andriamanitra. Tsy misy mahasakana an’Andriamanitra hitia antsika. Fanekena ny halementsika, ny fahotantsika, ny fikiriantsika tsy handray ny fitiavany ny fangatahantsika famelana ka mampisokatra antsika amin’ny fahasoavany izany.
Tsy voarefy ny fitiavana tsy misy fetran’ny Ray, tsy misy fetra ny famelany, fanomezana maimam-poana Izy saingy miankina amin’ny fahaizantsika mamela ny helotsika sy mamela ireo nanota tamintsika ny fahafahantsika mandray Azy sy mamela Azy hanova antsika.
Tsy tanteraky ny fitiavan’Andriamanitra mpamela heloka ny fontsika rehefa tsy manaiky hamela heloka isika.
Rehefa lehibe loatra ny heloka ka sarotra ny mamindra fo amin’ny maha-olombelona dia aoka isika hijery an’i Jesoa, nivavaka ho an’ireo namono azy izy teo ambony hazofijaliana.
« Novonoiny tao aminy ny fialonana ». Izy irery ihany, noho ny herin’ny Fanahiny masina, no afaka manome hery antsika hahavitana ny tsy tokony ho vita. Lalana ho amin’ny fahafahana ny famelana voaray sy ny famelana omena.
Aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy
« Lalana tsy maintsy diavina » amin’ny fanorenantsika ny fahafahana izay amafisin’ireo safidy ataotsika ny fakam-panahy. Nalaim-panahy ihany koa i Jesoa ka sady nibanjina ny Rainy sy ny rahalahiny izy no nandresy ny mpaka fanahy. Miantso antsika izy hangataka amin’ny Ray ny tanjaky ny safidy mamelona ny aina, ny rariny, ny fampihavanana ary ny fiadanana.
Tsy mampihataka antsika amin’ny ady maha-olona sy aram-panahy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra fa manome antsika kosa ny finoana handresy miaraka amin’i Kristy. Fandrena manoloana ny herin’ny ratsy ny fiainan’i Jesoa manontolo, ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona. Niroso hatramin’ny faran’ny fitiavana izy ary fandresena goavana ny an’ny aina ny marainan’ny Paka.
Tanteraka ny zava-drehetra amin’ny fotoanan’Andriamanitra. Ao anatin’ny fotoanan’ny tantara sy ny fivoarany miadana dia miadana kosa isika. Hiakam-pitokiana, amin’ny finoana ny fanantenana ary fitiavana ny vavaka amin’ny “Raintsika” : “Tongavà ry Tompo, aza ela”.
Tsidiho ny site-catholique.fr raha hamaky ny fandalinana amin’ny teny frantsay.