Tambajotram-Pivavahan'ny Papa Maneran-tany MADAGASIKARA

Hafaliana feno firariantsoa no iarahabana antsika izay manokatra sy mijery ary mamangy ity tranokalan’ny AFAFI-FET ity. Ho amintsika lalandava anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompo sy ny fiombonana ao amin’ny Fanahy Masina.

Efa ela ihany izay no naniriana sy namolavolana ity tranokala ity, hampielezana sy hitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana na ny « Apostolat de la Prière » sy ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora (FET) na « Mouvement Eucharistique des Jeunes », ary koa ho fampahafantarana ny fikambanana amin’ireo liana hahalala sy hiditra hanatevin-daharana ao.

Tontosa izany ankehitriny noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny ezaka nataon’ireo manan-talenta sy tsara sitrapo ary ny Ekipa sy ny mpiara-miasa aminy. Mbola be ny fanatsarana tsy maintsy atao sy ny tovana ombieniombieny. Ho fiaingana sy fanombohana ihany izao. Angatahana ny fanohanantsika rehetra ny fanatsarana azy, na am-bavaka izany na torohevitra na amin’ny hoenti-manana ihany koa aza.

Isaorana manokana ireo teknisianina, izay tsy hoe nanampy fotsiny fa tena nandray an-tanana mihitsy ny fanatontosana. Fa indrindra isaorana Andriamanitra tompon’ny fandaharana sy ny zavatra rehetra, fa izy no mitantana sy manoro antsika amin’ny fanilon’ny Fanahy Masina izay tokony hataontsika

Ho ela velona ao am-pontsika anie i Jesoa Kristy!

Mandrakizay

Ny Aomônie Nasionaly. P. Odon Honoré ANDRIANARISOA sj

Fanolorana ny andro mey 2022

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – mey 2022

Mba hahita ao amin’i Masina Maria ny fahaiza-mihaino, ny halalin’ny fahaiza-mandanjalanja, ny herim-pinoana ary ny fahafoizan-tena hanampy ny hafa anie ny tanora izay voaantso ho amin’ny hafenoan’ny fiainana Mandritra ity volana mey 2022 ity...

Vavaka ho an'ny Sinaody 2021 - 2023

Vavaky ho an’ny sinaody 2021 – 2023

Manentana antsika ny Papa François mba hitondra am-bavaka ny sinaodin’ny eveka (2021-2023), momba ny lohahevitra hoe : « Eglizy miara-dia : fiombonana, fandraisana anjara, asa fanirahana » Ry Fanahy Masina ô,indreto izahay tafavory eto anoloanao amin’ny...

Russie sy Ukraine : vavaka ho fitsaharan'ny ady

Russie sy Ukraine : fanokanana amin’ny Fo madion’i Maria

Ry Maria, Renin’Andriamanitra sady Reninay, mitodika aminao izahay amin’izao ora mampahory izao. Reny ianao, tia anay sy mahafantatra anay: tsy misy miafina aminao izay rehetra hifikiranay. Ry Renin’ny famindram-po, imbetsaka izahay no miaina ny...

Mahita ny zavatra rehetra mihavao ao amin'i Kristy

Mahita ny zavatra rehetra mihavao ao amin’i Kristy

Migadona indray àry ity ny taom-pikatrohana vaovao 2021-2022, roso hatrany ny diantsika « mahita ny zavatra rehetra mihavao ao amin’i Kristy » mamakivaky ny andro sy ny volana ary ny taona. Roso ny dia, aza matahotra !...

Fangatahana ampanaovin'ny Papa - Janoary 2022

Fangatahana ampanaovin’ny Papa – Janoary 2022

Ny fangatahana voalohany ampanaovin’ny Papa Ray Masina ny vita batemy rehetra amin’izao taona vaovao 2022 izao dia natokana indrindra ho amin’ny ady amin’ny fanavakavahana sy ny fanenjehana ara-pivavahana. Ao anatin’ny volana natokana hivavahana ho...