Tambajotram-Pivavahan'ny Papa Maneran-tany MADAGASIKARA

Hafaliana feno firariantsoa no iarahabana antsika izay manokatra sy mijery ary mamangy ity tranokalan’ny AFAFI-FET ity. Ho amintsika lalandava anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompo sy ny fiombonana ao amin’ny Fanahy Masina.

Efa ela ihany izay no naniriana sy namolavolana ity tranokala ity, hampielezana sy hitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana na ny « Apostolat de la Prière » sy ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora (FET) na « Mouvement Eucharistique des Jeunes », ary koa ho fampahafantarana ny fikambanana amin’ireo liana hahalala sy hiditra hanatevin-daharana ao.

Tontosa izany ankehitriny noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny ezaka nataon’ireo manan-talenta sy tsara sitrapo ary ny Ekipa sy ny mpiara-miasa aminy. Mbola be ny fanatsarana tsy maintsy atao sy ny tovana ombieniombieny. Ho fiaingana sy fanombohana ihany izao. Angatahana ny fanohanantsika rehetra ny fanatsarana azy, na am-bavaka izany na torohevitra na amin’ny hoenti-manana ihany koa aza.

Isaorana manokana ireo teknisianina, izay tsy hoe nanampy fotsiny fa tena nandray an-tanana mihitsy ny fanatontosana. Fa indrindra isaorana Andriamanitra tompon’ny fandaharana sy ny zavatra rehetra, fa izy no mitantana sy manoro antsika amin’ny fanilon’ny Fanahy Masina izay tokony hataontsika

Ho ela velona ao am-pontsika anie i Jesoa Kristy!

Mandrakizay

Ny Aomônie Nasionaly. P. Odon Honoré ANDRIANARISOA sj

JMJ Mada X Hafatry ny eveka ho an'ny tanora

JMJ Mada X Antsirabe : hafatry ny eveka ho an’ny tanora

Ry Tanora malala, Mifarana soa aman-tsara ny JMJ Mada faha X notontosaintsika niaraka teto Antsirabe. Hafaliana tsy omby tratra ny anay Eveka Raiamandreninareo niaraka taminareo nandritra ny andro maromaro, niara-nigoka taminareo ny harem-panahy tsy...

JMJ Mada X : hafatry ny Papa ho an’ny tanora malagasy

JMJ Mada X : hafatry ny Papa ho an’ny tanora malagasy

Ho an’ny Tanora tafavory hankalaza ny JMJ sehatra nasionaly ao Antsirabe Ry tanora malala tafavory ao Antsirabe amin’ity JMJ sehatra nasionaly ity, faly miarahaba anareo am-pitiavana ny tenako. Miombom-po sy miombom-bavaka aminareo aho ary...

Vavaka ho an'ny JMJ Mada X

Vavaka ho an’ny JMJ Mada X

Andriamanitra Rainay ô !  Entanin’ny Fanahinao Masina izahay ka midera sy misaotra Anao. Tsy misy miafina aminao ny fiainanay tanora, ny halemenay sy ny hafanam-ponay. Miredareda ao anatinay ny faniriana te-hamaly sy hanatanteraka ny antsonao...

Mitsangàna fa ataoko vavolombelon'ny zavatra efa hitanao ianao. Asa 26, 16

JMJ Mada 10 Antsirabe : hira faneva

Mitsangana ho vavolombelon’izany zavatra hitanao zany e!»Mandehana torio amin’ny fiainanao ny Vaovao Mahafaly eI- Teny an-dalana ho any Damasy dia izao ny zava nisehoNisy hazavana nanaitra an’i Saoly ka lavo izy( sy) nandre feo«...