Tambajotram-Pivavahan'ny Papa Maneran-tany MADAGASIKARA

Hafaliana feno firariantsoa no iarahabana antsika izay manokatra sy mijery ary mamangy ity tranokalan’ny AFAFI-FET ity. Ho amintsika lalandava anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompo sy ny fiombonana ao amin’ny Fanahy Masina.

Efa ela ihany izay no naniriana sy namolavolana ity tranokala ity, hampielezana sy hitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana na ny « Apostolat de la Prière » sy ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora (FET) na « Mouvement Eucharistique des Jeunes », ary koa ho fampahafantarana ny fikambanana amin’ireo liana hahalala sy hiditra hanatevin-daharana ao.

Tontosa izany ankehitriny noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny ezaka nataon’ireo manan-talenta sy tsara sitrapo ary ny Ekipa sy ny mpiara-miasa aminy. Mbola be ny fanatsarana tsy maintsy atao sy ny tovana ombieniombieny. Ho fiaingana sy fanombohana ihany izao. Angatahana ny fanohanantsika rehetra ny fanatsarana azy, na am-bavaka izany na torohevitra na amin’ny hoenti-manana ihany koa aza.

Isaorana manokana ireo teknisianina, izay tsy hoe nanampy fotsiny fa tena nandray an-tanana mihitsy ny fanatontosana. Fa indrindra isaorana Andriamanitra tompon’ny fandaharana sy ny zavatra rehetra, fa izy no mitantana sy manoro antsika amin’ny fanilon’ny Fanahy Masina izay tokony hataontsika

Ho ela velona ao am-pontsika anie i Jesoa Kristy!

Mandrakizay

Ny Aomônie Nasionaly. P. Odon Honoré ANDRIANARISOA sj

Carlo Acutis : lalana migodana mankany am-paradisa ny Eokaristia

Carlo Acutis : lalana migodana mankany am-paradisa ny Eokaristia

Loharano : Zenit.org Ivom-piainantsika ny eokaristia. Marina fa mbola lavitra ny lalana mitondra amin’ny fanandratana an’i Carlo ho olontsambatra saingy ohatra azontsika arahina ny fiombonany tamin’i Jesoa. Vavaka, tenin’Andriamanitra, eokaristia Nanao kômônio voalohany i...

Alalino ny fahaiza-mihaino

Alalino ny fahaiza-mihaino

Loharano : Jean-François Guéodon – Journal du Net Beazina isika mba hahay hihaino. Oham-piainana atolotra antsika i Masina Maria sy i Md Zôzefa. Ireto ary misy mpandinika vitsivitsy hanampy antsika andalina ny fahaiza-mihaino. ———- « Mamafy...

Ndao hiombom-bavaka !

Ndao hiombom-bavaka !

“Mba ho ao aminareo ny fifaliako” (Jn 15, 11) Manasa antsika hiombom-bavaka ho fanirahana ireo solotena hiatrika ny famaranana ny taon-jôbily any Rôma. Hankalazaina ao amin’ny Episcopat Antanimena ny sorona masina ny sabotsy 01...

Vakio ny tantaran’ny FET

Vakio ny tantaran’ny FET

Mankalaza ny faha 100 taonany ny FET. Hahafahana manomana ny 100 taona manaraka dia tsara ny mandalina ireo tranga niainan’ity fivondronana mamintsika loatra ity. Tsidiho ny http://mej2015.com/html/Francese/histoire.html. FET, miombom-po amin’ny Ray masina Iraka ampanaovin’ny...

Mompera Albert, misiônera any Filipinina

Mompera Albert, misiônera any Filipinina

Loharano : RRJ- Lakroa.mg, jona 2015 Tamin’ny taona 2011 no nahatongavako taty Filipinina. Katolika no ankamaroan’ny olona aty. Fa ny amin’ny faritra atsimo atao hoe Mindanao no saika silamo avokoa ny mponina ao. Karazana...

Fanolorana ny andro : fangatahana ho an’ny jolay 2015

Fanolorana ny andro : fangatahana ho an’ny jolay 2015

Ny fandraisana andraikitra ara-pôlitika sy ireo kristianina any Amerika Latinina no entina am-bavaka amin’ity volana jolay ity : – Mba hiainana eo amin’ny ambaratonga rehetra ho toy ny endrim-pitiava-namana ambony ny fandraisana andraikitra ara-pôlitika....

Fantaro i Md Louis De Gonzague

Fantaro i Md Louis De Gonzague

Loharano : www.jesuites.com Ankalazaina anio 21 jona Md Louis De Gonzague, mpiaro ny tanora, indrindra fa isika mpianatra. Amin’izao taonan’ny fiainana voatokana izao dia anisan’ny ohatra fakan-tahaka i Md Louis de Gonzague amin’ny fihainoana ny...