Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – mey 2020

« Mba ho famantarana ny maha mpanompo ny Eglizy anie ny fijoroan’ny Diakra amin’ny fanomezam-pahasoavana hitory ny Tenin’Andriamanitra sy hanompo ny mahantra ».

Ho an’ireo Diakra indray no iompanan’ny fangatahana  anentanan’ny Papa Ray Masina ny vita Batemy rehetra mandritra ny volana Mey, amin’ny vavaka fanolorana ny andro izay atao isan’andro. Ny Diakra izay manana anjara toerana manokana eo amin’ny fandraharahana sy ny fiainam-piangonana, noho izy ao anatin’ny ambaratongan’ny sakramentan’ny Filaharana.

« Amin’ny laharana zandriny eo amin’ny ambaratongam-pitondrana no misy ny Diakra izay « tsy ho an’ny maha-mpisorona tsy akory, fa ho an’ny fanompoana » no ametrahan-tanana aminy » (KFK 1569).

Asongadin’ny fampianaran’ny Eglizy ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika hatrany fa : « Mandray anjara amin’ny fomba manokana ny Diakra, amin’ny fanirahana an’i Kristy sy amin’ny fahasoavany. Ny sakramentan’ny Filaharana no mampisy marika azy ireo amin’ny fitomboka (“marika”) izay tsy misy afaka manafoana izany, sy mampitovy endrika azy ireo amin’i Kristy izay nanao ny Tenany ho “Diakra”, izany hoe mpanompon’ny rehetra. Azo singanina manokana amin’izany ireto asan’ny Diakra ireto : manampy ny Eveka sy ny Pretra amin’ny fankalazana ny misterin’Andriamanitra, indrindra ny Eokaristia, mizara izany, …  mahafoy tena amin’ny asam-pitiava-namana isan-karazany » (KFK 1570).

Ny lahatenin’ny Eveka amin’ny fanamasinana ho Diakra dia mbola manamafy ny andraikitra masina ankinina amin’izy ireo : « Eo amin’ny toriteny sy eo amin’ny ôtely ary eo amin’ny fiahiana ny ory sy ny mahantra, hanompo ny olona rehetra » araka ny fomba nolovana tamin’ny apostoly. Fanampin’izany, araka ny anirahan’ny Eveka azy, dia adidiny ny mampianatra ny olona mpino, na ny tsy mpino, sy ny mivaofy na manazava ny fampianarana masina

Mpandraharaha voahosotra ho amin’ny lahasa fanompoana ny Fiangonana  àry ny Diakra ; tsy mandray ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra  izy, kanefa ny fanamasinana dia manome azy anjara raharaha mavesa-danja amin’ny andraiki-panompoana ny Teny, amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, amin’ny fitantanana pastôraly ary amin’ ny asa  fanompoana am-pitiavana ny hafa, lahasa izay tsy maintsy tanterahiny eo ambany fahefana maha-mpiandry ondry ny Evekany.

Adidintsika kristianina àry ny mivavaka ho an’ireo Diakra, fa efa  nanome ohatra azy ireo i Kristy ; izany hoe ho tena mpanompo marina tokoa, mpanao raharahan’i Kristy, ilay nilatsaka ho mpanompo teo anivon’ny mpianany ; mba ho tena hanompo am-pitiavana. Sahala amin’ireo nofidin’ny Apostoly fahiny hiandraikitra ny fiahiana ny ory sy ny mahantra, ka ho olona tsara laza, henika ny Fanahy Masina ary feno fahendrena.

Narisoa sj

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – aprily 2020

Mba hahazo fanampiana sy fanohanana amin’ny ezaka ataony anie ireo te hiala amin’ny filàna mangeja isan-karazany.

Anisan’ny loza lehibe mandrava sy manapotika ny fiainan’ny olombelona ny fahazaran-dratsy izay miteraka filàna mangeja, mitondra mankany amin’ny fiankinan-doha. Rehefa tsy voafehy intsony mantsy ny filàna ao anatin’ny saina amam-batan’ny olombelona ao, dia mitarika azy ho any amin’ny fiankinan-doha amin-javatra izay iantefan’ny filàny. Maro ankehitriny ny olona tafalatsaka ao anatin’izay fiankinan-doha izay, ary tsy ny tanora ihany fa hatramin’ny olon-dehibe koa aza. Inona moa ireo karazana filàna na fiankinan-doha manimba sy mitera-doza ireo : ny fisotroan-toaka, ny fidorohana zava-mahadomelina, ny fijangajangana, filokana sns ; fa mety ho fiankinan-doha ihany koa, ny fijerena tahitalavitra tafahoatra, ny internet, ny fanaovana facebook tsy voafehy na tsy voalanjalanja. Ny hatendan-kanina sy ny filerana ihany koa aza, araka ny voalaza ao amin’ny fahotana fito fototry ny hafa, dia azo lazaina fa filàna diso tafahoatra ka miteraka fahotana sy haratsiana maro.

Tsy vitsy ny olona ankehitriny, hoy isika, no tafalatsaka ao anatina fitongilanana na fiankinan-doha toy izany. Ny tena loza anefa dia tsy mijanona ho an’ilay manana io fironana io ihany ny vokadratsiny fa miantraika amin’ny hafa sy ny fiaraha-monina manodidina mihitsy. Toy ny virus ka manimba fiaraha-monina. Toa zary potika ny toetra soa sy ilay endrika itovizana amin’Andriamanitra. Toa tsy manam-pahafahana intsony fa voageja ao anaty fitiavan-tena.

Na izany aza dia misy ihany ny mahatsapa tena fa tafalatsaka anaty hantsana, diso lalana, ka te hanao toy ilay zaza mpandany, hiverina an-tranon-dray. Te hioitra sy hiezaka hanarina ny toe-piainana ; hiala amin’ny fahazaran-dratsy sy ny fiankinan-doha mamohehatra. « Ato anaty hantsana aho, Tompo, no miantso Anao ; Tompo ô, henoy izany feoko », hoy ny Salamo faha 129. Maro amin’ireny olona ireny no te ho afaka amin’izany fahazaran-dratsy izany, nefa tsy afaka, fa sarotra ho azy ny miala satria efa tafalatsaka anaty loatra, ka mila olona hanampy.

Adidin’ny tsirairay, ny vita Batemy, ny tsara sitrapo rehetra, indrindra fa ny Eglizy, ny manampy azy ireny hiala amin’ny filàny sy ny fahazaran-dratsiny ; mba hotafarina indray ka hanjary olona afaka toy ny rehetra.

Izany no anentanan’ny Papa Ray Masina antsika amin’ny fanampiana azy ireny, ary tsy ny hitrotro am-bavaka fotsiny, fa hanana fahasahiana hanarina azy indray, na ara-torohevitra izany, na ara-toetsaina. Hitantsika fa ny Papa Fransoa mihitsy no manome ohatra velona ho antsika amin’ny fanatonana sy fankaherezana ireny olona ireny, na amin’ny hafatrafatra sy ny fampianarana ataony izany, na amin’ny fanampiana ara-nofo ihany koa. Hoy indrindra izy, ao amin’ilay atao hoe « vidéo du Pape », raha manentana ny olona ny amin’izany : « Ataoko fa tsy isalasalana ny nandrenesanareo ny amin’ny resaka fiankinan-doha. Ary moa mba heverinareo ihany koa ny fiankinan-doha amin’ny filokana, ny sary mamoafady, ny internet sy ny voadratsy ateraky ny elanelana virtoaly ? Amin’ny alalan’ny Evanjelin’ny Famindram-po no ahafahantsika manamaivana sy mitsabo ary manasitrana ny fijaliana mifandray amin’ireo fiankinan-doha vaovao ireo. Mivavaka àry isika mba  hahazo fanampiana sy fanohanana amin’ny ezaka ataony ireo te hiala amin’ny filàna, ny fiankinan-doha mangeja isankarazany » (Vidéo du Pape, mois d’Avril 2020).

 

Hafatry ny Papa Fransoa : andro eran-tany ho an’ny tanora faha-35 (JMJ 2020)

« Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna ! » (Lk 7,14)

Ry tanora malala,

Tamin’ny Oktobra 2018, niaraka tamin’ny sinaodan’ny Eveka momba ny lohahevitra “ny tanora, sy ny finoana ary ny fandalinana ny antson’Andriamanitra” ny Eglizy no nanao dingana momba ny fandalinana ny zava-misy iainanareo amin’izao tontolo ankehitriny izao, momba ny fikarohanareo ny dikan’ny fiainana sy ny kasainareo eo amin’ny fiainana, momba ny fifandraisanareo amin’Andriamanitra. Tamin’ny Janoary 2019, nihaona tamin’ny tanora mitovy taona aminareo aman’hetsiny avy amin’izao tontolo izao aho, nivory tao Panama, tamin’ny andro eran-tany ho an’ny tanora. Ny tranga toy ireny- sinaody sy JMJ- dia maneho ny maha-zava-dehibe ny Eglizy: “miaraka mizotra”

Amin’io lalana io, isaky ny mahatratra (vato manamarika ny halavilaran-dalana vita)dingana iray lehibe isika, dia asain’Andriamanitra sy ny fiainana miatrika fanamby hiainga indray. Havanana amin’izany ianareo, ianareo tanora! Tianareo ny mandeha, mihaona amin’ny toerana sy endrika mbola tsy hitanareo teo aloha, miaina traikefa vaovao. Izany no nifidianako ho tanjona amin’ny fivahinianana iraisan’ny kontinanta manaraka, amin’ny taona 2022, any amin’ny tananan’i Lisbonne, renivohitr’I Portugal. Tao, tamin’ny taon-jato faha-15 sy faha-16, maro ny tanora, betsaka ny misionera tamin’izy ireo, no nandeha tany amin’ny tany tsy fantatra, mba hizara ihany koa ny traikefam-piainana miaraka amin’i Jesoa sy ny mponina ary ny firenena hafa. Ny lohahevitry ny JMJ any Lisbonne dia hoe: “Niainga i Maria, ary lasa nandeha haingana” ( Lk 1, 39). Nandritra ny taona roa nifanaraka, dia mandinika miaraka aminareo aho momba ny lahatsoratra roa hafa tao amin’ny Baiboly : “ Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangana!” ( Lk. 7, 14), ny taona 2020 ary “ Mitsangana fa izaho no hanendry anao ho vavolombelon’ny zavatra efa hitanao!”( Asa 26, 16), ny taona 2021.

Araka ny hitanareo, ny voambolana iombonan’ireo lohahevitra telo ireo dia hoe: mitsangana, Io fomba fiteny io dia misy heviny ihany koa hoe mitsangan-ko velona, mifoha ho amin’ny fiainana. Teny miverimberina ao amin’ny taratasy fanentanana apostolika Christus vivit 2

(Velona I Kristy) izay natokako ho anareo taorian’ny sinaody tamin’ny 2018, ary, tao amin’ny tahirin-kevitra farany, ny Eglizy no nanolotra anareo tari-dalana hanazava ny lalam-piainanareo. Manantena amin’ny foko rehetra aho fa ny lalana mitondra anareo ho any Lisbonne dia mifandraika, ao amin’ny Eglizy manontolo, amin’ny firotsahana mavitrika ho amin’ny fanatanterahana ireo tahirin-kevitra roa ireo, hitodika amin’ny iraka ho an’ireo mpanentana amin’ny pastoralin’ny tanora.

Ndeha amin’izay hijery ny lohahevintsika amin’ity taona ity: « Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna ! » (Lk 7, 14). Efa nolazaiko io andinin’ny Evanjely io tao amin’ny Christus vivit: “Raha very fanahy ianao, nofy, hafanam-po, fanantenana, fahalalan-tanana, Jesoa tonga eo aminao, toy ilay nataony amin’ny fahafatesan’ny zanak’ilay vehivavy nananon-tena, ary miaraka amin’ny herin’ny Fitsanganan-ko velona ny Tompo no mankahery : “ry zatovo, izaho mandidy ianao, mitsangàna” (lah.20).

Mitantara amintsika io andalana io ny fomba nataon’I Jesoa, niditra ilay tanana kely tao Naïm, ao Galilée, nifanena tamin’ireo mpandevina mitanjozotra nitondra ny tovolahy halevina, zanaka lahitokan’ilay reny mananon-tena. Jesoa, nangoraka noho ny fahoriana mahavaky fo nahazo ity vehivavy ity, ka nanao fahagagana ary nanangana ho velona ilay zanany. Nefa, io fahaganana io dia taorian’ny fihevitra sy fihetsika: “Nony nahita an-dravehivavy, nangoraka ny Tompo ka nanao taminy hoe: “aza mitomany”. Nanatona izy ka nanendry ny tranovorona dia nijanona ny mpilanja” (Lk. 7, 13-14). Hijanona kely isika handinika momba ny fihetsika sy tenin’ny Tompo sasany.

Mijery ny fijaliana sy ny fahafatesana

Nijery amim-pitandremana ireo mpandevina mitanjozotra i Jesoa ary tsy nidonàka. Tao afovoan’ireo vahoaka no nahitany ny endrik’ilay vehivavy ao anatin’ny fijaliana mafy. Niteraka fihaonana io fijeriny io, loharanon’ny fiainam-baovao. Tsy nilàna teny maro.

Ary ny fijeriko, manao ahoana? Mijery amin’ny maso amim-paharetana ve aho, sa amin’ny fomba izay mamadibadika haingana ny sary amin’arivony ao amin’ny finday na ny sary famantarana amin’ny tambazotra sosialy? Impiry isika no vavolombelona manatri-maso tranga maro, nefa toa tsy miaina izany mivantana! Indraindray ny ataontsika voalohany dia ny maka sary ny tranga amin’ny finday, angamba tsy te hijery amin’ny maso ilay olona voakasika izany.

Manodidina antsika, na indraindray ao amintsika ihany koa, mifanehatra amin’ny trangam-pahafatesana isika: ara-batana, ara-panahy, ara-pihetsem-po, ara-piaraha-monina. Tsapantsika ve izany na hoe miantraika amintsika ny vokatr’izany? Nisy zavatra azontsika natao ve hamerenana ny aina?

Mieritreritra ireo toe-javatra ratsy iainan’ny tanora namanareo aho. Misy, ohatra izay manankina ny rehetra amin’ny ankehitriny, ka manao vy very ainy amin’ny traikefam-piainana mihoampapana.

Ny tanora sasany, mifanohitra amin’izany, maty satria very fanantenana. Henoko tamin’ny zazavavy iray : “Amin’ireo namako dia hitako nisy very hery ny hirotsaka, very herim-po ny hiarina”. Mampalahelo, amin’ireo tanora ihany koa no mihanaka ny fahakiviana izay, amin’ny tranga sasany, mety hitarika amin’ny fakam-panahy hanala ny aina. Firifiry ireo tranga tsy maha-rototra, ka mahalatsaka any anatin’ny lavaky ny tebiteby sy ny nenina! Firifiry ireo tanora mitomany izay tsy misy mihaino ny kiakan’ny fanahin’izy ireo! Manodidina azy ireo, matetika, ny fijery variana, tsy miraharaha avy amin’ireo, angamba, manararaotra ny ora mahafinaritra ka mitazan-davitra.

Misy ireo mitsipozipozy amin’ny endrika ivelany, mihevitra fa velona nefa maty ao anaty (jr. Ap 3,1). Mety vao 20 taona dia mirefarefany fiainany, tsy mifanaraka amin’ny hahavon’ny fahamendrehany. Mionona amin’ny “velombelom-poana”, mitady fankasitrahana kely: fialamboly kely, potipoti-pitiavana avy amin’ny hafa…Misy ihany koa fizahozahoana amin’ny tontolo nomerika manjavozavo izay mahazo ny tanora sy ny olon-dehibe. Maro ny miaina toy izany! Misy amin’izy ireo angamba no mivelona amin’ny fikatsahana fahafaham-po amin’ny fahafinaretan’ny harena izay tsy mihevitra afa-tsy ny hahazo vola ary hitoetra, toy ny hoe ireo ihany no tanjo-piainana. Rehefa ela ny ela, dia tsy azo idovirana ny hisehoan’ny marenina, ny tsy firaharahiana, ny fahasorenana eo amin’ny fiainana, izay mihamampitebiteby hatrany.

Io firononana ratsy io dia mety ho vokatry ny tsy fahombiazan’ny tena, rehefa ny zavatra no atao am-po, nikatrohana, no tsy mandeha intsony na tsy mahatratra ny vokatra nantenaina. Mety hiseho izany amin’ny fianarana, na amin’ny ambom-po eo amin’ny fanatanjahan-tena na zava-kanto… Ny faran’ny “nofy” dia mety hahatsapana fa maty. Ny tsy fahombiazana anefa dia tafiditra ao amin’ny fiainan’ny olombelona rehetra, nefa ihany koa mety hiseho ho fahasoavana! Matetika, ny zavatra izay heverintsika fa mahasambatra dia miseho ho fitaka sy sampy. Ny sampy dia mitaky ny rehetra avy amintsika ary mahatonga antsika ho andevo, nefa tsy manome n’inona n’inona ho takalony. Ary, farany, levona izy ka ny vovoka sy ny lavenona sisa no avelany. Amin’io heviny io, ny tsy fahombiazana, raha handrodanana sampy, dia tsara, na dia mampijaly azy.

Azontsika tohizina amin’ny trangam-pahafatesana hafa, ara-batana, ara-moraly, izay mety iainan’ny tanora, toy ny fiakinan-doha, ny heloka bevava, ny fahoriana, ny aretina lehibe… Avelako ianareo hieritreritra ny momba anareo sy hisaintsaina izay mahatonga ny “fahafatesana”, ao aminareo na ao amin’ny iray amin’ireo akaikinareo, ankehitriny na tamin’ny lasa. Miaraka amin’izay, tadidio fa ity zazalahy nolazain’ny Evanjely ity, izay tena maty tokoa, dia niverina ny aina satria nojeren’ ilay Olona tia ny hahavelomany izy. Mbola mety ho tanteraka izany ankehitriny, ary isanandro.

Mangoraka

Ny Soratra masina dia mitantara matetika ny fihetseham-pon’ireo izay manaiky ho voatohina “hatrany amin’ny aty fanahiny” ny fahorian’ny hafa. Ny fihetsem-pon’i Jesoa dia nahatonga azy handray anjara amin’ny trangam-piainan’ny hafa. Noraisiny ho azy ny fahorian’ny hafa. Tonga fijaliany ny fahorian’ity reny ity. Lasa fahafatesany ny fahafatesan’ilay zaza.Amin’ny fotoana maro ianareo, ry tanora, no miseho fa mahay mangoraka. Ampy ny mijery hoe firy aminareo no manolo-tena amin-kahalalam-po rehefa misy fotoana ilàna izany. Tsy misy loza, horohoron-tany, tondran-drano, tsy ahitana andiana tanora milatsaka an-tsitrapo vonona ny hanampy. Toy izany koa ny fifamitaonana lehibe ataon’ny tanora te hiaro ny zavaboahary izay maneho ny fahafahanareo mihaino ny kiakan’ny tany.

Ry tanora malala, aza avela hisy handrombaka izany hamoram-ponareo izany! Meteza ianareo hihaino ny fitarainan’ireo izay mijaly; meteza ho tohinin’ireo izay mitomany sy maty amin’izao tontolo ankehitriny izao. “ny trangam-piainana sasany dia tsy hita raha tsy amin’ny maso voasasan’ny ranomaso” (Christus vivit, n.76). Raha hainareo ny mitomany miaraka amin’ireo izay mitomany, dia ho sambatra tokoa ianareo. Maro amin’ireo mitovy aminareo no tsy manana fahafahana, iharan’ny herisetra, ny fanenjehana. Ny ratrany anie ho tonga ho anareo, ary ianareo no ho mpitondra fanantenana eto amin’ izao tontolo izao. Afaka hilaza amin’ny rahalahinareo, sy anabavinareo ianareo hoe: “ Mitsangàna ianao, tsy irery ianao”, sy haneho fa Andriamanitra Ray tia antsika ary i Jesoa no tanany mitsotra hanarina antsika.

Manakaiky sy “mitsapa” mampijanona ireo mpandevina mitanjozotra i Jesoa. Manatona izy, mankaiky. Ny fanakaikezana no manosika antsika handroso sy lasa fihetsika be herim-po mba hahavelona ny hafa. Fihetsiky ny mpaminany. Ny fifandraisan’i Jesoa, ilay Velona, no mampita ny aina. Fifandraisana izay mampiditra ny Fanahy Masina ao amin’ny vatana matin’ilay zazalahy sy mamelona ny ain-dehibeny.

Io fifandraisana io no maninteraka amin’ny trangan’ny fahakiviana sy ny fahadisoam-panantenana. Io ilay fifandraisan’Andriamanitra izay mandala ihany koa amin’ny tena fitiavan’olombelona sy misokatra amin’ny habaka tsy hay heverin’ny fahafahana, ny fahamendrehana, ny fanantenana, ny fiainam-baovao sy feno. Ny fahombiazan’ity fihetsik’i Jesoa ity dia tsy azo saintsainina. Mampahatsiahy antsika izy fa na dia famantarana maneho fanakaikezana, tsotra nefa azo tsapain-tanana, dia mety hiteraka hery ho amin’ny fitsanganan-ko velona.

Eny, ianareo ihany koa, ry tanora, afaka manakaiky ny trangam-pahoriana, sy ny fahafatesana izay sendra anareo, azonareo tsapaina ireo ary afaka manome aina ianareo toa an’i Jesoa. Mety ho tanteraka izany noho ny Fanahy masina, raha toa ianareo aloha ho tohinin’ny fitiavany, raha toa ny fonareo nohalefahan’ny fiainana ny halemem-panahiny tao aminareo. Noho izany, raha mahatsapa ianareo ao anatinareo ny hamorampon’Andriamanitra

mitaintaina ho an’ireo zavaboahary velona, indrindra ireo rahalahy noana, mangetaheta, marary, tsy mitafy, migadra, dia afaka manakaiky toa izany ianareo, mitsapa toa azy, ary mampita aina amin’ny namanareo izay maty ao anaty, mijaly na very finoana sy fanantenana.

Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna!”

Tsy nilaza ny anaran’ilay zazalahy natsangan’I Jesoa ho velona tao Naïm ny Evanjely. Fanasana ny mpamaky io handray azy ho toy ny tenany. Miteny aminao i Jesoa, amiko, amin’ny tsirairay amintsika, ary miteny hoe: “Mitsangàna ianao!” fantantsika tsara fa isika, ihany koa, ny kristianina dia lavo, ary tokony hiarina mandrakariva. Ireo izay tsy mandeha ihany no tsy lavo, nefa tsy mandroso ihany koa. Noho izany tsy maintsy mandray ny asan’i Kristy ary maneho asam-pinoana an’Andriamanitra. Ny dingana voalohany dia manaiky ny hiarina. Ny fiainam-baovao izay homeny antsika dia tsara sy mendrika iainana, satria hotohanan’ily Olona izay hanjohy antsika ihany koa amin’ny ho avy, ary tsy handao antsika na oviana na oviana, hanampy antsika handany ny androm-piainantsika amin’ny fomba mendrika sy mahavokatra.

Tena zava-boahary vaovao izany, fahateraham-baovao.Tsy fanamboaran-tsaina izany. Mety, amin’ny fotoan-tsarotra, ny maro aminareo naheno teny “majika” miverimberina izay firononana amin’izao fotoana izao sy tokony hahavaha ny olana rehetra dia ny hoe: “Tokony hatoky tena ianao”, “Tokony ao aminao no hahitanao ny haren-tsaina”, “tokony ho fantatrao ny angovo mahomby ao aminao” … Nefa dia teny ihany ireo ary ho an’ireo izay tena “maty ao anaty” dia tsy mandaitra ireo. Hafa ny halalin’ny Tenin’I Kristy, ambonin’ny zavatra rehetra izy. Tenin’Andriamanitra sy mpahary izy, izay izy irery ihany no afaka mamerina indray ny aina izay efa maty.

Ny fiainam-baovaon’ny Fitsangana-ko velona

“Niteny” (Lk 7,15) ilay tanora, hoy ny Evanjely? Fihetsika voalohan’ny olona voakasika sy naverin’I Kristy amin’ny aina dia ny miteny, miseho tsy amin-tahotra ary tsy manano sarotra amin’izay misy azy, ny maha-izy azy, ny faniriany, ny filàny, ny nofiny. Angamba mety mbola tsy nataony izany teo aloha, satria resy lahatra izy fa tsy misy olona afaka nahazo azy!

Ny miteny dia midika hoe mifandray amin’ny hafa. Rehefa “maty dia mikatona ao amin’ny tena, tapaka ny fifandraisna na lasa misavoamboana, tsy mari-pototra, mihatsara ivela-tsihy. Rehefa mamelona antsika indray I Jesoa, dia manolotra antsika amin’ny hafa (jr. and. 15)

Matetika, ankehitriny, misy ny “fifanohizana” fa tsy misy fifandraisana. Ny fampiasana ny fitaovana elektronika, rehefa tsy mifandanja, dia mety hahatonga antsika hifantoka amin’ny efi-jery. Amin’ity hafatra ity dia tiako ny mametraka, miaraka aminareo tanora , ny fanamby amin’izao kihon-dalan’ny kolo-tsaina izao manomboka amin’ity hoe “Mitsangàna ianao!”-n’i Jesoa ity. Kolo-tsaina izay maniry ny tanora hitokana sy hikombona ao amin’ny tontolo virtoaly, andeha hahelintsika ity tenin’i Jesoa ity “Mitsangàna ianao!”. Fanasana hisokatra amin’ny zava-misy izay mihoatra lavitra noho ny virtoaly. Tsy midika akory izany hoe mankahala ny technologie, fa mampiasa azy ho toy ny fitaovana fa tsy ho toy ny tanjona. “Mitsangàna ianao” midika ihany koa hoe “nofy”, “loza mitatao”, “mandraisa andraikitra ianao mba hanova izao tontolo izao”, velombelomy ny fanirianao”, banjino ny lanitra, ny kintana, ny tontolo manodidina anao. “Mitsangàna-ianao, dia ho tonga amin’izay maha-izy anao”. Noho io hafatra io, maro amin’ny endrika kivin’ireo tanora manodidina antsika no mihavelom-bolo ary miha-tsara kokoa noho ny zava-misy eo amin’ny tontolo virtoaly.

Satria raha manome aina ianao, dia misy olona mandray izany. Tovovavy iray nilaza hoe: “Mitsangana eo am-pandriana ianao, raha mahita zavatra tsara, ary raha tapa-kevitra hanao toy izany koa”. Tsara ny manaitra ny firehetam-po. Ary rehefa ny tanora no tena tia zavatra iray, na tsara kokoa, olona iray, mitsangana izy amin’ny farany ary manomboka manao zavatra lehibe; niala tamin’ilay fahafatesany teo, ary mety ho tonga vavolombelon’I Kristy sy manome ny ainy ho azy.

Ry tanora malala, inona no firehetam-po ao aminareo sy ny nofinareo? Asehoy izy ireo, ary amin’ny alalan’izany, manolora amin’izao tontolo izao, an’ny Eglizy, an’ny tanora hafa, zavatra tsara ao amin’ny tonotolo ara-panahy, ara-java-kanto, ara-piaraha-monina. Averiko aminareo amin’ny fitenin-dreniko : hagan lio! Mandrenesa ianareo. Henoko tamin’ny tanora iray ity : « Raha i Jesoa no olona tsy nihevitra afa-tsy izay momba azy, dia tsy nitsanga-ko velona ny zanak’ilay vehivavy mpananon-tena!”

Namerina azy tamin’ny reniny ny fitsanganan-kovelon’ilay zatovo. Amin’io reny io dia afaka mahita an’i Maria isika, renintsika hanankinantsika ny tanora maneran-tany. Izy, no hahafahantsika ihany koa mankasitraka ny Eglizy izay te handray amin-kalem-panahy ny tanora zanany tsirairay, tsy misy voahilika na iray aza. Hitalahontsika noho izany i Maria ho an’ny Eglizy, mba ho reny mandrakariva izy manoloana ireo zanany maty sy mitomany ary miandrandra fiteraham-baovao. Ho an’ireo zanany rehetra maty, dia maty ihany koa ny Eglizy, ary ho an’ireo zanany mitsangan-ko velona dia mitsangan-ko velona ihany koa ny Eglizy.

Mitso-drano ny lalanareo aho. Ary ianareo, miangavy anareo aho, aza adinoina ny mivavaka ho ahy.

Nomena tao Roma, tao amin’ny Md Jean de Latran , ny 11 febroary 2020

Fahatsiarovana an’i Notre Dame de Lourdes.

Dikateny ofisialy :VPKT

 

 

Papa Fransoa : vavaka manokana noho ny Covid-19

Hafatry ny FEM : atomboka ny 19 martsa ny vavaka hasivianandro

Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan’ny Tompo

Ry havana,

Efa manodidina an’i Madagasikara ny areti-mifindra Coronavirus (Covid 19) ankehitriny.

Miantso antsika rehetra hiombom-bavaka amin’ny Papa François ho an’ireo firenena tratran’izany. I Jesoa Kristy Tompo nibaby ny rofintsika rehetra ka nandresy ny ratsy tamin’izy nitsangan-ko velona anie, hanome hery ireo marary sy ireo mpitsabo, ary ny fianakaviany. Ary ankinintsika amin’ilay Ray be famindrampo ny fanahin’ireo havantsika namoy ny ainy.

Manasa antsika ho tony ary hanaraka ireo toromarika marina rehetra momba ny fihetsika, omen’ireo tompon’andraikitra sy manam-pahefana amin’ny alalan’ny haino aman-jery, eny fa na dia ny tsotra indrindra tokony harahina andavanandro aza hiarovana ny fihanak’ity aretina ity.

Manasa antsika hifampilaza ny tokony hatao na any amin’ny toeram-pitsaboana na any am-piangonana na any am-pianarana na eny an-dàlana…

Mankahery ireo dokotera sy ny mpiasan’ny fahasalamana hanana ny herim-pon’ny aleoko maty mba handresena ny aretina fa tsy hanary na handositra ny marary.

Miantso antsika ho sahy hifanampy, hifampiaro, fa indrindra hiaro ireo efa manana aretina mitaiza na ireo mahantra tsy manana fiarovana.

Miantso ny Eveka, ny pretra, ny relijiozy sy ny mpikatroka rehetra amin’ny sehatra pastoraly katôlika tsy hatahotra fa hanaiky hanatona sy hikarakara amim-pitandremana ireo marary ary hiara-miasa amin’ireo hôpitaly rehetra hiara-hanohitra ny aretina.

Manasa antsika rehetra izahay Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka mba hiombona ka hanao vavaka hasivianandro manomboka ny 19 martsa Fankalazana manetriketrika an’i Masindahy Josefa mpiaro ny Fianakaviana Masina sy izao tontolo izao ka hifarana amin’ny faha-27 martsa. Tafiditra ao anatin’izany hasivianandro izany indrindra ny 24 ora ho an’ny Tompo hiombonam-bavaka amin’ny Eglizy manerantany (ny 20-21 martsa) sy ny Fankalazana manetriketrika ny Filazàn’ny Anjely ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo (25 martsa).

Inona àry no hataontsika amin’izany?

Hiaraka hanao ny Raozery masina isika, ilay vavaka nahomby tamin’ny fiarovana ny Eglizy rehefa nisy fahavalo nitady hanapotika an’i Roma, ka nahatonga ny Papa Pio faha 5 nametraka ny datin’ny 7 oktôbra ho fanajana ny Mpanjakavavin’ny Raozery Masina.

Vavaka tena tsotra izany ary azon’ny rehetra atao amin’ny toerana rehetra. Koa ampirisihina manokana ny isam-pianakaviana, ny mpamonjy lamesa isan’andro, hanao sapile miaraka ka faranana amin’ity vavaka ity :

– Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka, Mpiaro an’i Madagasikara, mivavaha ho anay izay mangata-bonjy aminao

– Masina Maria fahasitranan’ny Marary, sitrano ny marary rehetra

– Md Josefa, Ray mpitaiza an’i Jesoa, mpiaro an’izao tontolo izao, mivavaha ho anay

– Md Jacques Berthieu, mivavaha ho anay

– Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra, mivavaha ho anay

– Raphael Louis Rafiringa Olontsambatra, mivavaha ho anay

– Jean Beyzim Olontsambatra, mivavaha ho anay

– Lucien Botovasoa Olontsambatra, mivavaha ho anay

 

Ny Biraon’ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara

Ny Kardinaly Désiré TSARAHAZANA, Filohan’ny FEM.

Hafatry ny Papa Ray Masina Fransoa amin’ny Karemy 2020

« Mihanta aminareo amin’ny anaran’i Kristy izahay : mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo ! » (2 Kor 5, 20)

Amin’ity taona ity indray, mbola manome fotoana tsara ho antsika ny Tompo mba hiomanantsika hankalaza amin’ny fo vaovao ny Mistery lehiben’ny fahafatesana sy ny fitsanganan-ko velon’iJesoa, vato fehizoron’ny fiainana kristianina manokana sy iombonana.Tsy maintsy miverina amin’io Mistery io ny fo sy ny fanahintsika. Izany tokoa, tsy mitsahatra mitombo ao amintsika io mistery io, raha toa ka avelantsika hiasa ao amintsika ny heri-panahiny ary miditra ao aminy isika amin’ny alalan’ny valin-teny tsotra amin-kahalalam-po.

1. NY MISTERIN’NY PAKA, FOTOTRY NY FIBEBAHANA:

Ny hafaliana kristianina dia miainga amin’ny fihainoana sy ny fandraisana ny Vaovao Mahafalin’ny fahafatesany sy ny fitsangana-kovelon’I Jesoa: ny kerygma. Izy no mamintina ny Misterim-pitiavana « tena misy, tena marina, tena azo tsapain-tanana izay manolotra antsika fifandraisana avy amin’ny fifanankalozana marina sy mahavokatra » (Exhort. Ap. Christus vivit, n° 117). Izay mino ny filazana, dia mandà ny lainga izay milaza fa isika ihany no fototry ny fiainantsika, marina dia amirapiratan’ny fitiavan’Andriamanitra Ray izy, ny sitrapony te hanome aina antsika be dia be (jereo Jn 10, 10). Ankoatr’izany, raha mihaino ny feo mampitolagagan’ « ny rain’ny lainga »isika (Jn 8, 45), dia hilentika anatin’ny hantsan’ny hadalana, hiaina ny afobe dieny ety ambonin’ny tany, toy ny asehon’ireo tranga maro mampitaintaina, indrisy, eoamin’ny traikefam-piainan’ny olombelona manokana sy iombonana.

Amin’ity Karemy 2020 ity, tiako, noho izany, ny hampiely amin’ny kristianina rehetra, izay efa nosoratako ho an’ny tanora tamin’ny taratasy fanentanana apôstôlika Christus vivit, Velona i Kristy : « Jereo ny Tanana miampatr’i Kristy voafantsika, meteza ho avotany indray, ary ho avotany. Ka rehefa manatona Azy ianao hiaiky ny fahotanao, dia minòa marina tokoa ny famindram-pony izay manafaka anao amin’ny fahadisoana. Banjino ny rà nalatsany tamim-pitiavana lehibe ary meteza ianao hodiovina amin’ny alalany. Mety hateraka ho vaovao indray ianao amin’izay » (n°123). Tsy zava-niseho efa lasa ny Pakan’i Jesoa : noho ny herin’ny Fanahy Masina, mbola mitoetra ankehitriny izany ary ahafahantsika mijery sy mahatsapa amim-pinoana ny nofon’i Kristy amin’ireo olona mijaly.

2. ILAINA MAIKA NY FIBEBAHANA:

Mahavonjy ny mibanjina lalina ny Misterin’ny Paka fanavotana, izay nanomezana antsika ny famindram-pon’Andriamanitra. Ny fiainana ny famindram-po, noho izany dia tsy tomombana raha tsy« mifanatrika » amin’ny Tompo nofantsihana sy tafatsangan-kovelona « izay efa tia ahy, sy nanolo-tena hamonjy ahy » (Ga 2, 20). Ny fifampiresahana amin’ny fo, eo amin’ny samy mpinamana. Izany indrindra no maha-zava-dehibe ny vavaka amin’izao vanim-potoanan’ny Karemy izao. Ka alohan’ny maha-adidy azy, dia maneho ny filàna ny fifandraisana amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay mitarika antsika sy manohana antsika mandrakariva. Araka izany, mivavaka ny kristianina amin’ny fahatsapany fa tiana izy na dia eo aza ny tsy fahamendrehany. Miseho amin’ny endrika maro ny fivavahana, nefa ny zava-dehibe eo imason’Andriamanitra, dia izy maninteraka ao amintsika mandra-pahazoany ny hamafisan’ny fontsika, mba hampibebaka azy mandrakariva ao aminy sy araka ny sitrapony.

Amin’ity fotoana tsara ity, meteza ianareo araka izany ho tarihana toa an’Israely tany an-tany efitra (Jereo Os 2, 16), mba hahahafahantsika mandre ny feon’ilay Vady masina, mba hampanako ao amintsika lalina kokoa sy ho vonona mandrakariva. Arakaraka ny hanekentsika hiasan’ny Teniny, no hahafahantsika mianoka ny indrafony maimaim-poana ho antsika. Aza avelantsika ho very maina izao fotoam-pahasoavana izao, anatin’ny fihamboana fa isika no tompon’ny fotoana sy ny fomba ibebahanantsika Aminy.

3. NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA MIREDAREDA HIFAMPIRESAKA AMIN’NY ZANANY :

Ny fanomezan’Andriamanitra antsika, fanampiny indray, ny fotoana tsara hibebahantsika, dia tsy tokony hatao antsirambina velively. Ity fotoana vaovao fanararaotana ity no tokony hamohafoha ao amintsika ny fahaiza-mankasitraka sy hanaitra antsika amin’ny fahalainana. Na dia eo aza, indraindray mampitaintaina,ny ratsy eo amin’ny fiainantsika sy ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana ary ny fiainan’izao tontolo izao, io sehatra nomena mba ho fiovan’ny tanjona io dia maneho ny sitrapon’Andriamanitra maharitra mba tsy hanapaka ny fifanakalozam-pamonjeny amintsika. Ao amin’I Jesoa voafantsika, izay « natao ota ho antsika » (2 Kor 5, 21), Tonga amin’ny fotoana hamarinana ny fahotantsika amin’ny Zanany ity sitrapo ity, hany ka « hampivadika an’Andriamanitra amin’ny tenany izy », araka ny nolazain’ny Papa Benoît XVI (Jereo Enc. Deus caritas est, n°12). Araka izany, tia ireo fahavalony koa Andriamanitra (jereo Mt 5, 43-48).

Ny resaka tian’Andriamanitra haorina miaraka amin’ny olombelona amin’ny alalan’ny Misterim-panavotan’ny Pakan’ny Zanany dia tsy toy izay natolotra ny mponina tany Atena, izay « tsy nandany andro afa-tsy tamin’ny filazana na fihainoana zava-baovao » (Ac 17, 21). Io karazana resabe, avy amin’ny fahalianana tsy misy fotony sy misavoamboana io, no mamaritra ny maha-izao tontolo izao amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny androntsika, ary mety hifamoivoy koa ao anatin’ny fampiasana mamitaka ny fitaovam-pifandraisana.

4. NY HARENA HO ZARAINA FA TSY HANGONINA HO AN’NY TENA:

Mametraka ny Misterim-panavotana ao anivon’ny fiainana dia midika fa mahatsapa fangorahana ny ferin’i Kristy voafantsika iainan’ireo olona iharan-dozamaro tsy manan-tsiny noho ny ady, ao anatin’ny herisetran’ny fiainana, nanomboka hatrany an-kibon-dreny ka hatramin’ny fahanterana, amin’ny endriky ny herisetra tsy tambo isaina, ny loza momba ny tontolo iainana, ny fitsinjara-mitanila amin’ny haren’ny tany, ny famarotana olona amin’ny endrika rehetra sy fikatsahana tombontsoa miompampana izay endrika fanompoan-tsampy.

Ankehitriny ihany koa,dia zava-dehibe ny manao antso avo amin’ny lehilahy sy vehivavy rehetra tsara sitrapo mba hizara ny hareny amin’izay tena mila izany amin’ny fanaovana asa fiantrana, toy ny endriky ny fandraisana anjara manokana amin’ny fanorenana tontolo ara-drariny. Ny fizarana am-pitiavana no mahatonga ny olona ho tena olona kokoa, fa ny fanangonana dia mety hahadonto azy, amin’ny fikombonana anatin’ny fitiavan-tena.

Afaka ary tsy maintsy mandeha amin’ny lavitra kokoa isika, eo am-piheverana ny lafim-pandaminana ara-toekarena. Noho izany, amin’izao Karemy 2020 izao, manomboka ny 26 hatramin’ny 28 mars, dia antsoiko ho any Assise ny tanora mpahay toekarena, ny mpandraharaha sy mpitondra fanovàna, mba handray anjara amin’ny famolavolana kisarisarin’ny toekarena ara-drariny kokoa sy hafa kokoa noho ny ankehitriny. Araka ny averimberina matetika aoamin’ny Fampianaran’ny Fiangonana, ny pôlitika no endrika ambonin’ny fitiavana (Jereo. Pie XI, Discours aux Membres de la Fédération Universitaire Catholique Italienne, 18 décembre 1927). Toy izany koa ny fitantanana ny toe-karena, mifototra amin’io toe-panahin’ny Evanjely io izay toe-panahin’ny fahasambarana.

Italahoako ny vavak’i Maria Virjiny Masina mandritra izao Karemy ho avy izao mba handraisantsika ny antso hanaiky hihavanana amin’Andriamanitra, hampiraikitra ny fijerin’ny fontsika amin’ny misterin’ny Paka sy hibebahantsika amin’ny fifampiresahana misokatra sy marina amin’Andriamanitra. Noho izany indrindra no hahafahantsika ho tonga, araka ny nolazain’i Kristy tamin’ny mpianany : « fanasin’ny tany sy fahazavan’izao tontolo izao » (Mt 5, 13-14)
François

Nomena tao Roma, Fiangonana Md Joany tao Latran, 07 oktobra 2019
Fetin’i Masina Maria, Mpanjakavavin’ny Raozery.

Fangatahana ampanaovin’ny Papa mandritra ny volana Marsa 2020

« Mba haharitra amin’ny fiainana ny Evanjely sy hihamatotra anie ny fiombonan’ny Eglizy any Chine ».

Mitodika manokana amin’ny Eglizy any Chine ny fangatahana ampanaovin’ny Papa antsika kristianina mandritra ity volana Marsa ity. Ny Eglizy any Chine izay tsy nitsahatra ny nandalo sedra sy fahasahiranana nandritra ny taona maro ka mandraka ankehitriny.

Ara-tantara tokoa manko dia mizara roa miavaka tsara ny Eglizy katôlika any Chine : ny Eglizy ôfisialy sy ny Eglizy miafina na an-tsokosoko izay antsoina ihany koa hoe Eglizy ambanin’ny tany. Ny antsoina hoe Eglizy ôfisialy dia ny Eglizy mifandray mivantana amin’ny Fanjakana Sinoa sy amin’ny antoko kômonista ; amin’ny maha ôfisialy azy dia io Eglizy io ihany no eken’ny fitondram-panjakana hijoro ara-dalàna, ka na dia ireo mpitondra fivavahana ao aminy, toy ny Eveka sy ny Pretra aza, dia miankina amin’ny fanjakana Sinoa ny fijoroany sy ny fankatoavana azy. Azo lazaina fa saika tsy dia misy fifandraisana firy amin’ny Foiben’ny Eglizy any Rôma ity Eglizy ôfisialy ity, na dia ambara ho katolika aza, ary na misy aza izany dia ho voaramason’ny Fanjakana sy ho voafetra ihany. Ny Eglizy miafina na an-tsokosoko kosa dia ny fitambaran’ireo kristianina sy mpitondra fivavahana (Pretra, Eveka…) tsy manaiky ny fangejana sy ny fanenjehana ataon’ny Fanjakana Sinoa, noho izy mitana sy manaraka hatrany ny lovam-panahy ao amin’ny Eglizy katolika, eo ambany fahefan’ny Papa Ray Masina. Azo ambara izany fa raha eo anatrehan’ny Eglizy katolika maneran-tany miombona amin’ny Papa, dia ny Eglizy miafina no ara-dalàna sy miorina kokoa amin’ny maha katolika azy noho izy mandray sy mankato ary mitana ny soridalana apôstôlika avy amin’ny Papa.

Tsy mahagaga raha vitsy ny kristianina any amin’io firenena anisan’ny be mponina indrindra eran-tany io. Tsy mametraka firy ny fivavahana, indrindra ny kristianisma, ho zava-dehibe i Chine. Voafaritry ny lalam-panorenana ny fivavahana any. Anisan’izany, ohatra, ny tsy fahafahana manorina Fiangonana. Mahavoasazy na maha voaheloka ho faty mihitsy aza ny tsy fanarahana ny lalàm-panjakana mikasika ny fivavahana. Izany no antony andrenesantsika amin’ny alalan’ny fampitam-baovao ny fisian’ireo Eveka sy Pretra voaheloka an-tranomaizina, noho ny fanenjehan’ny Fanjakana azy ireo.

Na eo aza anefa izany fisarahan’ny Eglizy any Chine izany dia tsy mitsahatra ny mikatsaka izay hamahana ny olana ho amin’ny fampiraisana tanteraka ny Eglizy eo ambany fahefan’ny Papa, ary tsy ny Papa Fransoa ihany fa hatramin’ireo Papa nifandimby dia samy nitady sy nikatsaka izay ho fampiraisana. Toraka izany koa ireo mpitondra fivavahana any an-toerana, toa an-dry Mgr Jin Luxian, evekan’i Shanghai avy amin’ny Eglizy ofisialy, dia izao no nambarany: “Te-hilaza aho fa iray ihany ny Eglizy Katôlika any Chine. Tsy roa fa iray ihany: rômana, Katôlika ary apôstôlika. Mankato ny Papa daholo isika. Mitovy ny finoantsika rehetra, isika dia Katôlika rômana daholo. Tsy mbola nampianatra ivelan’ny teny finoana izahay”. Noporofoin’ny Papa Fransoa ihany koa, tamin’ny fanasany ireo eveka Sinoa roa lahy handray anjara tamin’ny sinôdan’ny Eveka tamin’ny oktobra 2019 ny maha iray ny Eglizy Katôlika. Toraka izany ihany koa tamin’ny Hafatra apôstôlika nalefan’ny Papa Fransoa ho an’ny mpino Katôlika Sinoa sy ho an’ny Eglizy maneran-tany (26 Septambra 2018), dia mametraka mazava ny fiainana ankafaliana ny Evanjely izay fototry ny fiombonana sy ny maha iray ny Eglizy ao amin’i Kristy ny Papa.

Narisoa SJ

 

Kongresy eokaristika 2020 : vavaka hasiviam-bolana, febroary sy marsa

Toy izao indray àry ny Taridalana ho an’ny Vavaka hasiviam-bolana mandritra ny volana Febroary sy Marsa 2020 izao. Ny Dingana fahatelo sy fahefatra ao amin’ny « Lalan’ny Fo » no hodinihina sy hiainana ary hifampizarana. Ny fomba hanatanterahana ny vavaka dia toy ny teo aloha ihany. Toy izao manaraka izao :

  • Hiezaka ny Ekipa fototra iray mba tsy ho tapaka mihitsy ny fivoriana isan-kerinandro fa ao anatin’io fivoriana tsy tapaka io no hanatanterahana ny vavaka iombonana. Raha misy tsy fahatanterahan’ny andro fivoriana dia hifidy andro iray amin’io herinandro voatondro io ny tsirairay hanaovana ny vavaka.
  • Omena mialoha any am-pivoriana ny lohahevitra sy ny vavaka hatao mba ho afaka hiomana ny tsirairay ;
  • Rehefa tonga ny fotoam-pivoriana dia hanokana 30 mn ahay hanaovana ny vavaka sy ny fandinihana masina, araka izao manaraka izao :
  • Vavaka Fanolorana ny andro
  • Hira fanombohana
  • Vavaka torapo, araka izay anentanan’ny Fanahy
  • Famakiana ny lahatsoratra momba ny Lohahevitry ny volana diavina
  • Fandinihana masina + hira iray
  • Vavaky ny Taon-jobily + Rainay, Arahaba ry Maria, Voninahitra, fiantsoana an’ireo Olomasina Mpiaro sy ny Fo Masin’i Jesoa.
  • Ny tsirairay kosa isan’andro dia hanao ny vavaky ny Taon-jobily, miampy Rainay sy Arahaba ry Maria ary Voninahitra sy fiantsoana ny Olomasina mpiaro. Izay tsy manana ny vavaky ny Taon-jobily dia hanao Toko Sapile iray ho an’ny Fankalazana.

Ireto àry ny Lohahevitra ho an’ny volana roa manaraka (Febroary sy Marsa)

3) Eo anivona tontolo feno hakiviana (Febroary)

Sondriana sy talanjona isika mibanjina ny hatsaran’ny tontolo manodidina antsika sy ny vokatry ny siansa mbamin’ny fahaizan’ny zanak’olombelona mamakivaky ny tantarany sy ny vanim-potoana lalovana. Saingy fahaizana sy fahalalana tsy voafehin’ny saina aman’eritreritra ka miteraka ratra sy fifanoherana mangirifiry mitarika amin’ny fahafatesana sy faharavana izao tontolo onenantsika izao. Sempotry ny herisetra sy ny fitiavan-tena mazàna ny aina sy ny fitiavana. Mijaly noho ny hetraketrak’ireo matanjaka ny madinika sy ny marefo, angalarina ireo harena voajanahary, miteraka alahelo sy fitokana-monina izany. Nisintaka, niala lavitra ny lalan’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny tetikasany ho an’ny zanak’olombelona isika.

 

  • « Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony; ka tsara indrindra izany». (Jn 1, 31).
  • « Fa nanao ratsy roa sosona ny vahoakako: Nafoiny Aho, Izaho loharanon’ny rano velona, ary lavaka no nohadiny ho azy, lavaka mitriatriatra, tsy mahatan-drano». (Jr. 2, 13).
  • « Dia hirenireny hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina izy ireo, hatrany amin’ny avaratra ka hatrany amin’ny atsinanana; hivezivezy atsý arý hitady ny Tenin’ny Tompo nefa tsy hahita izany izy ireo. ». (Amosy. 8, 12)
  • « Mifohaza ry Tompo ô! Nahoana no matory Ianao? Mifohaza, fa aza dia arianao mandrakizay izahay! Nahoana no dia afeninao ny tavanao, ka nohadinoinao ny fahantrana amam-pahorianay » (Sal. 44, 24-25).
  • « Tonga tao amin’ny olony Izy, fa ny olony tsy nandray Azy” (Jo 1, 11).

4) Naniraka ny Zanany hamonjy antsika ny Ray (Marsa)

Tsy nandao antsika tao amin’ity tontolo feno hakiviana ity Andriamanitra Ray. Niresaka matetika mikasika ny fitiavany tamintsika izy sy tamin’ny fomba samihafa tamin’ny vavan’ny Mpaminany, fa amin’izao andro farany iainantsika izao, dia tamin’ny alalan’ny Zanany izay tonga Olombelona, dia i Jesoa ilay Kristy (Hb. 1,1). Ao Aminy no ampiraisan’ny Ray ny tantarantsika amin’ny Azy mba hanasitranana ny toetra maha-olona antsika voaratra sy hanavaozana ny Fahariana. Ao aminy, dia Izy izay nanolotra ny ainy ho antsika teo amin’ny Hazofijaliana ary natsangan’ny Ray ho velona avy eo anivon’ny maty, no namelany ny fahotantsika. Ao Aminy no itsenan’ny fitiavan’Andriamanitra miredareda antsika, tapa-kevitra  hamonjy antsika. Miaraka Aminy no ianarantsika mamantatra ny Fanahin’Andriamanitra izay miasa eo anivon’ity tontolontsika ity, amin’ny fampisiana fihavaozana na dia eo anivon’ny fijaliana sy ny zava-tsarotra aza.

 

  • « Fa indro Aho hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy mahalala izany va ianareo? » (Iz 43,19)
  • « Hitako, eny efa hitako ny fahorian’ny vahoakako izay any Ejipta ‹…› Ka nidina Aho hamonjy azy amin’ny tanan’ny Ejipsianina… » (Eks 3,7-8)
  • « Kanefa Izaho no nampianatra azy nandeha ‹…› sy nitantana azy tamin’ny sandriny ‹…› Nentiko tamin’ny kofehy fitondrana olona izy ireo, dia tamin’ny fatoram-pitiavana. » (Os 11,3-4).
  • « Satria Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy : ka tsy nitana ny fahotana … » (2Kor. 5,19).
  • « Ny Fanahy Masina koa no manohana ny fahalementsika… » (Rom. 8, 6)
  • « Fa notiavin’Andriamanitra fatratra izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany Tokana… » (Jo. 3,16)
  • « Ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’Olona.» (Lk. 19,10)

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – febroary 2020

Mba hohenoina sy hoheverina anie ny tarainan’ireo mpifindra monina vokatry ny fanondranan’olona mamoafady satria mbola mpiray tampo amintsika izy ireo.

 

Anisan’ny mampiavaka ny Papa François amin’izao fitondrany sy fiahiany am-panahy ny Eglizy izao, amin’ny alalan’ny fampianarana ataony, ny fanentanana sy fampirisihana ny kristianina sy ny tsara sitrapo rehetra, indrindra ireo manana andraikitra manokana amin’ny fiainam-pirenena, amin’ny fandraisana an-tanana sy fiahiana ara-tsosialy ny mpifindra monina.

Antony maro tokoa mantsy ankehitriny no mahatonga ny olona hifindra monina. Ao, ohatra, noho ny antony ara-pivelomana, ao kosa noho ny antony ara-pandriampahalemana, tsy milamina ny tany noho ny asan-jiolahy sy ny ady isankarazany ; hany ka voatery miala ny toeram-ponenana sy mandao ny tanindrazana mihitsy azy ny maro amin’izy ireny. Fa ao ihany koa ireo mpifindra monina vokatry ny fivarotana olona na fanondranana olona tsotra izao, izay azo lazaina fa mbola miseho amin’ny endrika samihafa ihany koa ary ambara aza fa tena mamoafady mihitsy satria ny soatoavina maha olona manontolo mihitsy no potika sy rava.

Mihamahazo vahana sy mihanaka tokoa ity fomba ratsy mamohehatra sy mamoafady ity ankehitriny, indrindra aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana sy mahantra toa an’i Madagasikara. Hita sy re ombieny ombieny amin’ny alalan’ny fitaovan-tserasera sy ny boky aman-gazety ny fijaliana sy fahasahiranana ary ny taraina mianjady ami’ireny olona ireny.

Efa misy ihany ny ezaka sy ny vahaolana atao eo anivon’ny Firenena mikambana sy ireo firenena voakasik’izany mivantana, amin’ny ady atao hamongorana ity fanondranana olona amin’ny fomba mamoafady ity. Tsy mijanona fotsiny amin’ny famongorana na fanafoanana fotsiny anefa ny ezaka atao fa eo ihany koa ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fitsinjovana ny maha olona an’ireo mpifindra monina ireo.

Manoloana izany indrindra, ny Papa François amin’ny maha Mpiandry ondry sady Mpampianatra, solontenan’i Jesoa Kristy azy, dia tsy mitsahatra ny manentana sy manantitrantitra ny tokony hitsinjovana ary hiahiana ireny olona ireny. Hoy indrindra izy raha manentana sy mampirisika ny olona handray ireo mpifindra monina : « Raiso, arovy, karakarao ny mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana » ( Hafatry ny Papa François ho an’ny andro maneran-tany momba ny mpifindra monina sy mpitsoa-ponena 2018).

Izany dia hamafisiny amin’ny tenin’ny Soratra Masina : « Raha misy vahiny tonga miara-monina aminareo, eo amin’ny taninareo, aza mampahory azy. Fa ataovy toy ny tompon-tany ihany no fitondra ny vahiny mitoetra eo afovoanareo, tiavo toy ny tenanareo izy, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianareo. Izaho no Tompo Andriamanitrareo » ( Fanisana 19, 33-34).

Ny Fampianaran’ny Eglizy momba ny sosialy sy fiaraha-monina ihiany koa moa dia manantitrantitra fa : « tokony horaisina araka ny maha olona azy ny mpifindra monina ary ampiana izy hiditra ao amin’ny fiaraha-monina« .

Hafatry ny Papa Fransoa : Ny Fiadanana, lalan’ny fanantenana

HAFATRY NY PAPA FRANSOA

Ho an’ny fankalazana ny andro manerantany faha-53 ho an’ny Fiadanana

 

NY FIADANANA, LALAN’NY FANANTENANA : FIFANAKALOZAN-KEVITRA, FAMPIHAVANANA ARY FIBEBAHANA ARA-TONTOLO IAINANA.

1. Ny Fiadanana, làlan’ny fanantenana manoloana ireo vato misakana sy ireo sedra

Ny fiadanana dia soa sarobidy, fototry ny fanantenantsika, izay irin’ny olombelona rehetra. Ny manantena ny fiadanana dia toetra maha-olombelona izay mitondra fifandroritana ara-pisiana; ka amin’izany, na ny ankehitriny izay somary mandreraka aza indraindray dia ho « azo iainana sy ekena raha mitondra amin’ny tanjona iray indrindra raha azontsika antoka io tanjona io, na koa ambony dia ambony ka afaka manamarina ny antony hiatrehana ireo zava-tsarotra eny an-dàlana »(1). Araka izany, ny fanantenana dia toe-panahy tsara izay manosika antsika handeha, manome antsika ny elatra hahafahana mandroso, eny hatramin’ny fotoana ahatsapana fa toa tsy ho azo ihoharana aza ireo vato misakana eny an-dàlana.

Ny fianakaviam-ben’ny olombelona dia mbola mitondra, ao amin’ny fahatsiarovany sy eo amin’ny nofony, ireo holatry ny ady sy fifandonana nifanesisesy, miaraka amin’ny fahafaha-manapotika bebe kokoa hatrany, ka mbola tsy mitsaha-mikapoka manokana ireo tena mahantra sy ireo tena marefo. Maro ihany koa ireo firenena iray manontolo, mbola mitolona mafy mba ho afaka amin’ny fatotry ny fanararaotana sy ny kolikoly, izay mampahazo vahana hatrany ny fankalahana sy ny herisetra. Ankehitriny, mbola maro amin’ireo lehilahy sy vehivavy, ireo ankizy ary ireo zokiolona no lavina ny fahamendrehana maha-olona azy, ny hafenoany ara-batana, ny fahafahany, anisan’izany ny fahalalahana ara-pivavahana, ny fahafahany miray hina ara-piaraha-monina sy ny fahafahany manantena ny ho avy. Maro koa ireo tsy manan-tsiny niharam-boina, mbola mitondra alahelo am-po noho ny fanambaniana sy fanavakavahana, ny fisaonana sy ny tsy rariny nihatra taminy, hatramin’ny ratram-po sy ny fikorontanan-tsaina vokatry ny fifofoana tsy an-kiato ny vahoaka misy azy sy ny fianakaviany.

Ireo fitsapàna mahatsiravin’ireo ady an-trano sy ireo fifandonana iraisam-pirenena, izay mazàna arahina herisetra tsy misy indrafo, dia manamarika mandritra ny fotoana maharitra ny vatana amam-panahin’ny zanak’olombelona. Rehefa mety ho ady, raha ny marina, dia famonoana ny mpiara-belona ka mandrava mandrakariva ilay fandaharana ho amin’ny firahalahina izay efa voasoratra ao amin’ny fiantsoana ny fianakaviamben’ny olombelona.

Fantatsika fa ny ady mazàna dia manomboka amin’ny tsy fahaleferana manoloana ny fahasamihafana, ka mamelona ny faniriana te hanana sy ny sitrapo te hanjakazaka. Ny ady dia teraka ao am-pon’ny olona noho ny fitiavan-tena, noho ny avonavona, noho ny fankahalana izay manosika hanapotika ny hafa, hanidy azy ao anatina sary ratsy, hanilikilika sy hanafoana tanteraka ny fisiany. Ny ady dia velomin’ny fifandraisana mivaona, ny hambom-po te ho ambony, ny fanararaotam-pahefana, ny fahatahorana ny hafa sy ny fiheverana ny fahasamihafana ho sakana; nefa etsy an-kilany koa, ny ady dia mamelona ireo rehetra ireo.

Ohatry ny mifanipaka, araka ny efa notsipihako nandritra ny dia nataoko tany Japon farany teo, ny hoe « ny tontolontsika dia miaina ny fivakisana mivaonan’ny finiavana hiaro sy hiantoka ny fahamarinan-toerana sy ny fiadanana mifototra amin’ny fandriam-pahalemana tsy tena izy, tohanan’ny toe-tsaina mifampatahotra sy tsy mifampatoky, izay miafara amin’ny fanapoizinana ny fifandraisan’ny vahoaka samihafa sy misakana ny mety ho fifanakalozan-kevitra azo tanterahina. Ny fiadanana sy ny fahamarinan-toerana iraisam-pirenena dia tsy afa-miaraka amin’izay mety ho finiavana hanorin-javatra eo ambonin’ny tahotra ny fifanapotehana na amin’ny ahiahy fa hofongorana tanteraka; Tsy ho tanteraka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana eran-tany raha tsy miainga amina fitsipi-pitondran-tena eken’ny rehetra izay mitondra amin’ny firaisan-kina sy fiaraha-miasa hanorina ho avy, volavolavolain’ny fifampiankinana sy ny fiaraha-mandray andraikitry ny fianakaviamben’ny olombelona manontolo, anio sy ampitso.

Rehefa mety ho toejava-misy tataovana fandrahonana dia mamelona ny tsy fifampitokisana sy fikombonana amin’izay iainan’ny tena fotsiny. Ny tsy fifampitokisana sy ny tahotra dia mampitombo ny faharefoan’ny fifandraisana sy ny mety ho firongatry herisetra ka tsy hitondra na oviana amin’ny fifandraisana misy fiadanana. Araka izany ny fifandresen-dahatra ara-nokleary dia tsy hiteraka afa-tsy fandriampahalemana nofinofy.

Noho izany dia tsy afaka ny hihambo isika hoe hitazona ny fahamarinan-toerana eo amin’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny tahotra ny hofongorina tanteraka, ao anatin’ny fifandanjana tsy mety ho marin-toerana na oviana, mihantona eo amoron’ny tevana nokleary sy voahidy ao anatin’ny rindrin’ny tsy firaharahana; andraisana ireo fanapahan-kevitra ara-toe-karena sy sosialy izay manokatra làlana amin’ireo zava-dozan’ny fanilihana ny olombelona sy ny voaary toy izay hoe mba hifampiaro isika samy isika(3). Amin’ny fomba ahoana àry no hanorenana làlan’ny Fiadanana sy fifampiaikena? Amin’ny fomba ahoana no hialàna amin’ny lôjika mampihoron-koditry ny fandrahonana sy ny tahotra? Amin’ny fomba ahoana no handravàna ny tanjaky ny fifampiahiahiana izay tena mahazo vàhana ankehitriny?

Tsy maintsy katsahintsika ny firahalahiana tena izy, izay miorina amin’ny fiaviana iombonana ao amin’Andriamanitra, zàrina iainana ao amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifampitokisana. Ny faniriana fiadanana dia efa voasoratra lalina ao am-pon’ny olombelona ary tsy tokony hanaiky na inona na inona ambanin’izany isika.

2. Ny fiadanana, lalan’ny fihainoana mifototra amin’ny fahatsiarovana, amin’ny firaisankina, amin’ny firahalahiana.

Ireo Hibakusha, akanga sisa nanamborana tamin’ny nandarohana baomba atômika an’i Hiroshima sy Nagasaki, dia isan’ireo olona mitàna ho velona, ankehitriny, ny lelan’afon’ny feon’ny fieritreretan’ny fiaraha-monina, amin’ny fijoroany ho vavolombelona eo anatrehan’ny taranaka mifandimby, ny maha-mahatsiravina ny zava-nitranga tamin’ny volana aogositra 1945 sy ny fijaliana tsy hay lazaina naterany izay mbola zakaina mandraka ankehitriny. Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’izy ireo, arak’izany, dia mamelona sy mitahiry ny fahatsiarovana ireo niharam-boina mba hihamahery bebe kokoa hatrany ny fahatsiarovan-tenan’ny olombelona manoloana izay rehetra mety ho finiavana hanjakazaka sy hanapotika : « Tsy azontsika avela tsy hahalala na tsy hahatsiaro ny zava-nitranga ireo taranaka ankehitriny sy ho avy, fahatsiarovana izay zary antoka sy fampirisihana enti-manorina ny ho avy anjakan’ny fahamarinana sy firahalahiana bebe kokoa » (4).

Tahaka azy ireo, dia maro ihany koa ireo any amin’ny toerana rehetra manerana an’izao tontolo izao no manolotra ho an’ny taranaka ho avy fanompoana tena ilaina tokoa, amin’ny famelana ny fahatsiarovana tokony ho voatahiry, tsy hoe mba tsy hanao hadisoana mitovy amin’ny teo aloha intsony fotsiny na koa mba tsy hamerina hanolotra indray ireo kisary nanodoka tamin’ny lasa fotsiny, fa noho ny fahatsiarovana vokatry ny traikefa, dia irariana hananganana fototra sy hanolorana soritra mitondra amin’ny fisafidianana ny fiadanana, ankehitriny sy amin’ny ho avy.

Mihoatra noho izany, ny Fahatsiarovana dia mamaritra ny tontolon’ny Fanantenana : matetika, ao anatin’ny haizin’ny ady sy ny fifandonana, ny fahatsiarovana na dia fihetsika kely iray nanehoana firaisan-kina fotsiny aza dia mety hanilo anao hanao safidy feno fahasahiana omban-kerim-po, mety hampipoitra herijika vaovao sy hamelona fanantenana vaovao eo amin’ny tsirairay sy ny fiaraha-monina.

Ny manokatra sy mamaritra ny lalan’ny Fiadanana dia fanamby tena sarotra noho izy ifandrohizan’ireo tombotsoa maro sy mifanohitra eo amin’ny fifandraisan’ireo olona samihafa, ireo fiaraha-monina sy ireo firenena. Ny zavatra tsy zavatra atao voalohany indrindra dia manaitra ny feon’ny fieritreretana ara-moraly, ny sitrapon’ny tsirairay sy ny sitrapo ara-politika. Noho izany, avy ao am-po lalin’ny olombelona no anovozana ny Fiadanana ary amafisina mandrakariva ny sitrapo ara-politika, mba hanokafana lalam-baovao mety hampihavana sy hampiombona ireo olona tsirairay amin’ny fiaraha-monina.

Tsy mila kobaka am-bava izao tontolo izao fa mila vavolombelona tena resy lahatra, mila mpanorina fiadanana misokatra amin’ny fifanakalozan-kevitra tsy misy fanilikilihana sy fanaovana fitaovana ny hafa. Arak’izany, tsy ho tonga marina any amin’ny fiadanana na oviana raha tsy misy ny fifanakalozan-kevitra resy lahatra avy amin’ny lehilahy sy vehivavy izay mitady ny tena fahamarinana any ambadiky ny firehan-kevitra sy ny hevi-dravina isan-karazany. Ny Fiadanana manko dia trano « aorina tsy an-kiato » (5), lalana izay izorantsika miaraka eo am-pitadiavana ny soa iombonana ary irotsahantsika hitazona ny teny nomena sy hanaja ny lalàna. Ao anatin’ny fifampihainoana ihany koa no afaka mitombo ny fahalalana sy ny fahaizana mijery ny tsara ao amin’ny hafa, tonga hatramin’ny fiekena ny fisian’ny endri-drahalahy ao amin’ny fahavalo.

Noho izany, ny firosoana mankamin’ny Fiadanana dia firotsahana izay maharitra ela tokoa. Io dia asa amim-paharetana itadiavana ny marina sy ny rariny, izay manome voninahitra ny fahatsiarovana ireo niharam-boina sy manokatra miandalana amin’ny fanantenana iombonana, mahery lavitra noho ny valifaty. Amin’ny firenena tan-dalàna, ny demokrasia dia môdely maneho mazava io firosoana io raha toa ka mifototra amin’ny rariny sy ny firotsahana hiaro ny zon’ny tsirairay, indrindra raha marefo sy atao ankilabao izy, amin’ny fitadiavana tsy miato ny fahamarinana (6). Fanorenana ara-tsosialy izany ary koa famoronana miandàlana zavatra mbola ho avy ka samy mitondra ny anjara birikiny amim-pahatsiarovan-tena ho tompon’andraikitra ny tsirairay sy ny rehetra, eo amin’ny ambaratongam-piaraha-monina misy azy : eo an-toerana, amin’ny sehatra nasionaly ary maneran-tany.

Araka ny notsipihin’i Md Paoly faha-6, « ny faniriana roa sosona ho amin’ny fitoviana sy ho amin’ny fandraisana anjara dia natao hampiroboroboana karazam-piaraha-monina demokratika […]. Izany dia maneho an-kolaka ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana eo amin’ny fiainam-piaraha-monina, ka ao anatin’izany, ankoatry ny fampahalalana izay tokony ho fantatra momba ireo zon’ny tsirairay, dia tokony haseho mazava ny fifandraisana tena ilaina tokoa eo amin’izy ireo : ny fanekena ny fisian’ireo adidy manoloana ny hafa; ny hevitry ny teny hoe adidy sy ny fampiharana azy dia voafetran’ny fifehezan-tena, tahak’izany koa ny fanekena ireo andraikitra sy ireo fetra apetraka amin’ny fiainana ny fahafahana, eo amin’ny tsirairay sy ny vondron’olona»(7).

Mifanohitra amin’izany kosa, ny fisaratsarahanan’ny samy mpikambana ao amin’ny fiaraha-monina, ny fitomboan’ny tsy fitoviana ara-tsosialy ary ny fandavana ny hampiasa ireo fitaovana ho amin’ny fampivelarana ny olona manontolo dia mety ho loza mitatao amin’ny fanatrarana ny soa iombonana. Ny asa atao amim-paharetana, mifototra amin’ny herin’ny teny sy ny fahamarinana kosa dia afaka mampifoha ao anatin’ny olona ny fahafahana mangoraka sy ny firaisankina enti-mamorona.

Amin’ny traikefa iainantsika kristianina, mahatsiaro an’i Kristy, izay nanolotra ny ainy mba hampihavana antsika (Rm5,6-11), mandrakariva isika. Mandray anjara feno amin’ny fitadiavana ny filaminana marina ny Eglizy, amin’ny fanohizana ny fanompoana ny soa iombonana sy famelomana ny fanantenana Fiadanana, amin’ny alalan’ny fampitàna ireo soa toavina kristianina, ny fampianarana môraly ary ny asa sôsialy sy fanabeazana.

3. Ny Fiadanana, lalan’ny fampihavanana ao amin’ny fiombonam-pirahalahiana

Ny Baiboly, indrindra amin’ny alalan’ny tenin’ireo mpaminany, dia manaitra ny feon’ny fieritreretana sy ireo vahoaka amin’ny fanekem-pihavanana eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona. Entanina amin’izany ny fialàna amin’ny faniriana hanjakazaka amin’ny hafa sy ny fitaomana antsika mba hianatra hifampijery amin’ny maha-olona, amin’ny maha-zanak’Andriamanitra sy tahaka ny mpirahalahy. Ny hafa dia tsy tokony ho voahidy na oviana amin’izay mety ho teneniny na ataony fa tokony horaisina noho ny fampanantenana entiny ao aminy. Amin’ny fifidianana ny lalan’ny fanajana ihany no ahazoana mandrava ny fitombon’ny falifaty sy ahafahana manjohy indray ny làlan’ny Fanantenana.

Mitari-dàlana antsika amin’izany ny andàlan’ny Evanjely izay mitantara ny resaka nifanaovan’i Jesoa tamin’ i Piera  : « Ry Tompo ! raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho ? Impito va ? Namaly i Jesoa nanao hoe : « Izaho tsy miteny aminao hoe impito fa hatramin’ny impitopolo fito » (Mt 18,21-22). Ity làlan’ny fampihavanana ity dia miantso antsika hitady ao amin’ny ati-fontsika lalina ny herin’ny famindram-po sy ny fahafahana mifampiaiky fa mpirahalahy sy mpirahavavy. Ny fianarana hiaina ny famindrampo no mampitonbo ao amintsika ny fahafahana ho tonga lehilahy sy vehivavin’ny Fiadanana.

Ny marina momba ny Fiadanana eo amin’ny sehatra ny sosialy dia marina koa eo amin’ny sehatry ny politika sy ekonomika, satria ny Fiadanana dia mahahenika ny sehetra rehetra eo amin’ny fiainam-piaraha-monina : tsy hisy na oviana ny Fiadanana tena izy raha tsy afaka mampijoro rafitra ekonomika ara-drariny isika. Araka ny nosoratan’ny Papa Benoa faha-16, folo taona lasa izay, ao amin’ny Ansiklika Caritas in veritate : “Ny fandresena ny fahataràn’ny fandrosoana dia mitaky asa, tsy hoe ho amin’ny fanatsaràna ny fifanarahana mifototra amin’ny fifanakalozana fotsiny, na momba ny fampitàna ireo rafitra fanampiana ara-tsosialy mahasahana ny fiainam-bahoaka fotsiny, fa indrindra momba ny fisokafana miandalana, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, amin’ireo endri-pihariana ara-toe-karena mba ahitana soritra amin’ny lafiny iray ahay ny fahafoizana maimaim-poana sy ny fiombonana

4. Ny Fiadanana, làlan’ny fibebahana ara-tontolo iainana

“Raha ny tsy fahazoana araka ny tokony ho izy  ireo fotokevi-dehibe ijoroantsika no mahatonga antsika indraindray hanamarina ny fanararaotana ny zava-boaary na ny fanjakazakana tsy refesi-mandidy ataon’ny olombelona amin’ny voaary, na ny ady, ny tsy rariny sy ny herisetra, dia tokony hiaiky isika mpino fa tsy nahatoky tamin’ny fitandroana ny raki-pahendrena tokony ho narovantsika”(8)

Manoloana ny vokatry ny fankahalantsika ny hafa, ny tsy fanajana ny tranobe iombonana, ny fanararaotana amin’ny fitrandrahana ireo harena voajanahary – izay heverina fa fitaovana ilaina fotsiny hisitrahana tombotsoa ankehitriny, fa tsy misy fanajana ireo fiaraha-monina eo an-toerana sy ny soa iombonana ary ny zavaboary – dia mila fibebahana ara-tontolo iainana isika.

Ny Sinôda vao haingana tany Amazonie dia manosika antsika hanao antso avo, amin’ny fomba vaovao, mba hisian’ny fifandraisana milamina eo amin’ireo mpiray monina sy ny tany, eo amin’ny ankehitriny sy ny fahatsiarovana, eo amin’ny traikefa sy ny fanantenana.

Io làlan’ny fampihavanana io koa dia fihainona sy fibanjinana izao tontolo izao izay nomen’Andriamanitra antsika mba hanaovantsika azy ho tranobe iombonantsika. Noho izany, ireo loharanon-karena voajanahary, ireo endrika maro isehoan’ny aina fa indrindra ny Tany dia nankinina amintsika mba “hokolokoloina sy harovana” (Cf Jen 2, 15), sy ho an’ireo taranaka ho avy koa, miaraka amin’ny fandraisana anjara arahin’asa sy andraikitra, ataon’ny rehetra. Ankoatr’izay, mila fiovàna isika, amin’ny faharesen-dahatra sy ny fomba fijery, izay mampisokatra antsika bebe kokoa hatrany amin’ny hafa sy amin’ny fandraisana ny fanomezan’ny zavaboaary, izay mampiseho ny hatsarana sy ny fahendren’ilay Mpanamboatra azy.

Hipoitra manokana avy amin’izany ny fahavononana lalina sy ny fomba vaovao ahafahana monina ao amin’ny tranobe iombonana, ahafahan’ny rehetra miara-miaina ao anatin’ny fahasamihafana, ahafahana mankalaza sy manaja ny aina noraisina sy nifampizaràna, ahafahana miara-mikaroka ireo fepetra sy endri-piaraha-monina manamora ny fivelaran’ny aina sy ny faharetany amin’ny ho avy, ahafahana mampiroborobo ny soa iombonan’ny fianakaviam-ben’ny olombelona manontolo.

Ny fibebahana ara-tontolo iainana izay anaovantsika antso avo eto àry dia mitondra antsika hanana fijery vaovao momba ny aina, eo am-piheverana ny fitsimbinan’ny Mpahary izay nanome antsika ny Tany sy mitaona antsika hiverina amin’ny fahatsoram-pifalian’ny fifampizaràna. Io fibebahana io, dia mahasahana ny fiainana manontolo, toy ny fiovàn’ny fifandraisantsika amin’ireo rahalahy sy anabavy, fifandraisana amin’ireo zava-manan’aina hafa, fifandraisana amin’ny zavaboary ao anatin’ny fahasamihafany maro tsy tambo isaina, fifandraisana amin’ny Mpahary izay niandohan’ny aina rehetra. Ho an’ny kristianina, ny fibebahana dia mitaky ny “famelana hiboiboika ireo vokatry ny fihaonana tamin’i Jesoa Kristy, amin’ireo fifandraisana amin’izao tontolo izao » (9).

5. Mahazo arakaraka ny anantenana fatratra (10)

Mitaky faharetana sy fahatokiana ny làlan’ny fampihavanana. Tsy afaka hahazo ny Fiadanana isika raha tsy antenaintsika izany.

Voalohany indrindra dia mila mino fa azo atao ny mampisy Fiadanana, mino fa ny hafa ihany koa dia mila ny Fiadanana tahaka antsika. Mety hanilo antsika amin’izany ny Fitiavan’Andriamanitra ho antsika tsirairay, dia ilay fitiavana manafaka, tsy misy fetra, maimaim-poana ary tsy mahalala sasatra.

Ny tahotra mazàna dia fototry ny fifanoherana. Zava-dehibe noho izany ny mihoatra ireo karazana tahotra ananantsika olombelona, amin’ny fahatsapantsika tena fa zanaka mila fanampiana, manoloana an’Ilay tia sy miandry antsika, tahaka ny Rain’ilay zaza mpandany (Lk 15,11-24). Ny kolo-tsain’ny fifanatonana eo amin’ny samy mpirahalahy sy mpirahavavy dia mandrava ny kolo-tsain’ny fifandrahonana. Mahatonga ny fifanatonana rehetra ho zavatra azo tanterahina sy ho fanomezan’ny fitiavana malala-tànan’Andriamanitra. Mitarika antsika hihoatra ny fetran’ny ny tontolo tery iainanatsika, mba hikendry mandrakariva ny hiaina ny firahalahian’ny zanak’olombelona rehetra ho toy ny zanak’ilay Ray tokana any an-danitra.

Ho an’ny mpianatry i Kristy, io làlana io koa dia tohanan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana, nomen’ny Tompo ho famelàna ny fahotan’ireo vita batemy. Io Sakramentan’ny Eglizy io, izay manavao ny olona sy ireo ankohonam-piainana, dia miantso antsika hampifantoka ny fijery amin’i Jesoa, ilay nampihavana « ny zavatra rehetra aminy indray, rahefa nampihavaniny tamin’ny rany teo amin’ny hazo fijaliana, dia tamin’ny tenany, na ny ety an-tany na ny any an-danitra » (Kol 1, 20) ; ary nangataka amintsika mba handao izay rehetra mety ho herisetra na an’eritreritra na amin’ny teny na amin’ny atao, na amin’ny hafa izany na amin’ny zavaboary.

Atolotra antsika tsy misy fepetra ny fahasoavan’Andriamanitra. Raha vao mandray ny famindram-pony isika ao amin’i Kristy dia afaka mizotra amin’ny làlana mba hanolotra izany amin’ireo lehilahy sy vehivavy miara-miaina amintsika ankehitriny. Isan’andro isan’andro ny Fanahy Masina no manoro antsika ny fihetsika sy ny teny tokony hatao hahatonga antsika ho mpanorina ny Fahamarinana sy Fiadanana.

Ilay Andriamanitry ny fiadanana anie hitsodrano sy hanampy antsika.

I Masina Maria, Renin’ilay Mpanjakan’ny fiadanana sy Renin’ny vahoaka rehetra eto ambonin’ny tany anie hitantana antsika sy hanohana antsika isaky ny dingana ataontsika, eny amin’ny làlan’ny fampihavanana, .

Ary ny olona rehetra anie, amin’ny fahatongavany eto amin’izao tontolo izao, mba ho afaka hahalala fisiana feno fiadanana sy ho afaka hampivoatra manontolo ny fampanantenan’ny fitiavana sy ny fiainana, izay entiny ao anatiny.

Avy eto Vatikana, ny 8 desambra 2019.

Fransoa.

 

(1)             Benoa faha-XVI, Taratasy Ans. Spe salvi (30 novambra 2007), n.1

(2)             Kabary momba ireo fitaovam-piadiana nokleary, Nagasaki, 24 novambra 2019

(3)             Cf Toriteny tao Lampedusa, 8 jolay 2013

(4)             Kabary momba ny Fiadanana, Hiroshima, 24 novambra 2019

(5)             Konsily ekiom.. VAT II, Gaudium et spes, n.78

(6)             Kabarin’ny Papa Benoa faha XVI tamin’ireo mpitarika ireo fikambanan’ny mpiasa kristianina italianina, 27 janoary 2006

(7)             Taratasy. ap. Octogesima adveniens, 14 mai 1974, n.24

(8)             Taratasy. Ans. Laudato si, 24 mey 2015, n.200

(9)             Ibid., n.217

(10)         Cf. Jean de la Croix, Alina mikitroka, II, 21,8