Tambajotram-Pivavahan'ny Papa Maneran-tany MADAGASIKARA

Hafaliana feno firariantsoa no iarahabana antsika izay manokatra sy mijery ary mamangy ity tranokalan’ny AFAFI-FET ity. Ho amintsika lalandava anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompo sy ny fiombonana ao amin’ny Fanahy Masina.

Efa ela ihany izay no naniriana sy namolavolana ity tranokala ity, hampielezana sy hitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana na ny « Apostolat de la Prière » sy ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora (FET) na « Mouvement Eucharistique des Jeunes », ary koa ho fampahafantarana ny fikambanana amin’ireo liana hahalala sy hiditra hanatevin-daharana ao.

Tontosa izany ankehitriny noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny ezaka nataon’ireo manan-talenta sy tsara sitrapo ary ny Ekipa sy ny mpiara-miasa aminy. Mbola be ny fanatsarana tsy maintsy atao sy ny tovana ombieniombieny. Ho fiaingana sy fanombohana ihany izao. Angatahana ny fanohanantsika rehetra ny fanatsarana azy, na am-bavaka izany na torohevitra na amin’ny hoenti-manana ihany koa aza.

Isaorana manokana ireo teknisianina, izay tsy hoe nanampy fotsiny fa tena nandray an-tanana mihitsy ny fanatontosana. Fa indrindra isaorana Andriamanitra tompon’ny fandaharana sy ny zavatra rehetra, fa izy no mitantana sy manoro antsika amin’ny fanilon’ny Fanahy Masina izay tokony hataontsika

Ho ela velona ao am-pontsika anie i Jesoa Kristy!

Mandrakizay

Ny Aomônie Nasionaly. P. Odon Honoré ANDRIANARISOA sj

Famaranana ny taon-jôbily : vaovao ifampizaràna

Famaranana ny taon-jôbily : vaovao ifampizaràna

Efa miha-manakaiky ny fotoan-dehibe hamaranantsika AFAFI-FET manerana ny Nosy ny taon-jôbily, izay hatao eto Antananarivo ny 06-07-08 Novambra 2015 Toy izao ary ireo toromarika hifampizarana mba hahafahana miatrika tsara izany : FIOMANAM-PANAHY Entanina isika tompon’andraikitra...

Rainay any an-danitra…

Rainay any an-danitra…

Vehivavy voalohany nasandratra ho mpampianatry ny Fiangonana Mb Terezy avy any Avila izay ankalazaina ankehitriny ny faha-500 taona nahaterahany. Nohalalininy manokana ny vavaka nampianarin’i Tompo ka indro ifampizarana amintsika anio. Rainay any an-danitra Afaka...

Laudato si, ho fiarovana ny fonenana iombonana

Laudato si, ho fiarovana ny fonenana iombonana

Hiatrehana ny faharavan’ny tontolo iainana ny Laudato si « Hoderaina anie ianao ry Tompoko » io no lohatenin’ny ansiklika navoakan’ny Papa Fransoa tamin’ny 24 mey 2015 lasa teo. Ho fiarovana ny tany, fananana iombonana no votoatin’ny...

Mompera Jean Beyzym, ilay apostolin’ny marary hoditra

Mompera Jean Beyzym, ilay apostolin’ny marary hoditra

Ankalazaina ny 12 oktôbra ny fetin’i olontsambatra mompera Jean Beyzym, misionera zezoita pôlôney, nikarakara ireo marary hoditra teto Madagasikara. Fantaro ny fiainan’i mompera Jean Beyzym 15 mey 1850 : teraka tao Beyzymie, 1863 – 1871 :...

Sakafom-pitondran-tena isan’andro

Sakafom-pitondran-tena isan’andro

Alaovy ny FANANTENANA iray sotrokely Dia arotsahy anaty FAHARETANA roa litatra Ampifangaroy amin’ny FINIAVANA efatra sotro Sy FINOANA indray mitete Ary FAHAMALINANA iray fonosana Teneho amin’ny AFOM-PITIAVANA miredareda Ka rehefa mangotraka dia tampohy FANENTREN-TENA...

Fivahiniana masina any Ambiatibe : 23, 24, 25 oktobra 2015

Fivahiniana masina any Ambiatibe : 23, 24, 25 oktobra 2015

« Aleoko miara-ory amin’ireto ondriko ireto » Md Jacques Berthieu Faha III taona nananganana olomasina an’i Md Jacques Berthieu. Zoma 23 oktobra Lalan’ny Hazofijaliana 7 ora 30 : Fiaingana avy ao Analamahitsy ho any Ambohibemasoandro 10 ora :...

Fantaro ny JMJ Cracovie 2016 !

Fantaro ny JMJ Cracovie 2016 !

Cracovie, tananan’i Md Joany Paoly II no handray ny JMJ iraisam-pirenena ny 25 ka hatramin’ny 31 jolay 2016. Ny lohahevitra ifantohan’ity fihaonana ity dia ny hoe Sambatra ny mamindra fo fa hamindrana fo izy...