Tambajotram-Pivavahan'ny Papa Maneran-tany MADAGASIKARA

Hafaliana feno firariantsoa no iarahabana antsika izay manokatra sy mijery ary mamangy ity tranokalan’ny AFAFI-FET ity. Ho amintsika lalandava anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompo sy ny fiombonana ao amin’ny Fanahy Masina.

Efa ela ihany izay no naniriana sy namolavolana ity tranokala ity, hampielezana sy hitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana na ny « Apostolat de la Prière » sy ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora (FET) na « Mouvement Eucharistique des Jeunes », ary koa ho fampahafantarana ny fikambanana amin’ireo liana hahalala sy hiditra hanatevin-daharana ao.

Tontosa izany ankehitriny noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny ezaka nataon’ireo manan-talenta sy tsara sitrapo ary ny Ekipa sy ny mpiara-miasa aminy. Mbola be ny fanatsarana tsy maintsy atao sy ny tovana ombieniombieny. Ho fiaingana sy fanombohana ihany izao. Angatahana ny fanohanantsika rehetra ny fanatsarana azy, na am-bavaka izany na torohevitra na amin’ny hoenti-manana ihany koa aza.

Isaorana manokana ireo teknisianina, izay tsy hoe nanampy fotsiny fa tena nandray an-tanana mihitsy ny fanatontosana. Fa indrindra isaorana Andriamanitra tompon’ny fandaharana sy ny zavatra rehetra, fa izy no mitantana sy manoro antsika amin’ny fanilon’ny Fanahy Masina izay tokony hataontsika

Ho ela velona ao am-pontsika anie i Jesoa Kristy!

Mandrakizay

Ny Aomônie Nasionaly. P. Odon Honoré ANDRIANARISOA sj

Sapilen’ny famindrapon’Andriamanitra

Sapilen’ny famindrapon’Andriamanitra

Fanombohana : Rainay any an-danitra Arahaba ry Maria Izaho mino Sapile : Ry Ray mandrakizay, atolotro ho Anao ny vatana, ny rà, ny Fanahy sy ny maha-Andriamanitra an’ilay Zanakao malalanao, dia i Jesoa Kristy...

Hafatra ho an’ny AFAFI-FET : jery todika, soridalana…

Hafatra ho an’ny AFAFI-FET : jery todika, soridalana…

« Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo » (Lioka 6, 36) Afafi ! – FET !     Hafaliana ho anay aty amin’ny Foibe Nasiônalin’ny AFAFI-FET  no miarahaba antsika rehetra  Aomônie, Zoky am-panahy, Mpanabe...

Vavaky ny taonan’ny famindram-po

Vavaky ny taonan’ny famindram-po

Ry Jesoa Kristy Tompo, ianao no nampianatra anay ho mpamindra fo tahaka ny Ray any an-danitra, ary nilaza taminay fa izay mahita Anao dia mahita ny Ray, asehoy anay ny endrikao dia ho voavonjy...

Akon’ny famaranana ny taon-jôbily

TSATILAKRI ! Isaorana ny Tompo, isaorana ireo rayamandreny, isaorana antsika rehetra sy ireo mpanao soa fa tontosa soa aman-tsara ny fihaonam-be nasiônalin’ny Afafi-Fet ho famaranana ireo taon-jôbily maro sosona. Ho entina miandalana eto ihany...

Fantaro ny taonan’ny famindram-po

Hanomboka amin’ny 8 desambra 2015 ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 20 novambra 2016 ny Jôbily manokan’ny famindram-po. « Mpamindra fo tahaka ny Ray », notsoahina tao amin’ny Lk, 6-36, io ny teny ho enti-miaina sy...

Hafatry ny Fivondronam-ben’ny eveka, novambra 2015

Loharano : Lakroa.mg Hosokafan’ny Papa Ray Masina Fransoa amin’ny 8 desambra ho avy izao ny vavaravaran’ny Taona Masina momba ny « FAMINDRAM-PON’ANDRIMANITRA », izay hiombonan’ny diosezy tsirairay avy. Asaina hiara-mamakivaky izany taom-pahasoavana manokana izany...