Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – jona 2020

Mba hanaiky hotohinin’i Fon’i Jesoa anie ireo mijaly ka hahita ny Lalan’ny fiainana.

Entanin’ny Papa Ray Masina indray isika mandritra ity volana ity amin’ny fanolorana ny andro ataontsika isan’andro hitrotro am-bavaka ireo rehetra mijaly. Tsy zoviana amintsika intsony moa ny fijaliana mihatra amin’ny zanak’olombelona ankehitriny, indrindra amin’izao fielezan’ny valan’aretina mamotika ny ain’olona maro izao.

Fa inona moa ny fijaliana ? Ny fijaliana dia endrika iray isehoan’ny fiainana maha voafetra ny olombelona ka mety mitarika azy amin’ny fahafatesana.   Azo ambara anefa fa ny fahotana na ny tsy faneken’ny olombelona ny sitrapon’Andriamanitra sy ny didy napetrany no fototra niavian’ny fijaliana teto an-tany. Noho izany, tsy avy amin’Andriamanitra.

Miseho amin’ny endrika maro ny fijaliana mahazo ny olombelona : ao ireo mijaly ara-tsaina, vokatry ny fahasarotan’ny fiainana na noho ny toe-java-misy manokana teo amin’ny fiainany angamba ; ao ireo mijaly ara-batana, noho ny aretina mikiky na noho ny hanoanana na koa vokatry heraketrak’olombelona tsotra izao ; fa ao koa ireo mijaly ara-panahy satria manalavitra na tsy miraharaha an’Andriamanitra angamba ny fony, na koa noho ny tsy fahampian’ny finoana. Saika fahita eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika daholo izany ankehitriny.

Ny Papa Fransoa dia milaza matetika amin’ny fampianarana na lahateny ataony fa endri-piainana tsy afaka amin’ny maha olombelona ny fijaliana fa arakaraka ny fahaizana mandray sy mizaka azy am-pitoniana no mahamaivana azy, indrindra hoy izy, raha fijaliana aorina ao amin’i Kristy. Tsapa ary hitantsika ombieny ombieny ny fanentanan’ny Papa antsika kristianina sy ny tsara sitrapo rehetra amin’ny fiarovana sy fanampiana ireo ianjadiam-pahoriana sy vesaram-pijaliana izay miseho amin’ny fomba maro samihafa ankehitriny ; fa indrindra ny fitrotroana azy ireny am-bavaka.

Ao anatin’ny volan’ny Fo Masin’i Jesoa rahateo isika izao. Tokony hampitodika antsika bebe kokoa amin’Andriamanitra, amin’ny Fon’i Jesoa mirehi-pitiavana ny olombelona ny zava-misy sy ny fijaliana mianjady amin’izao tontolo izao manoloana ity areti-mandoza covd19 ity. Eny fa na inona na inona karazam-pijalina mihatra sy mianjady amin’ny isam-batan’olona ; fa misy kosa anefa ireo izay tena mizaka ny tsy eran’ny aina amin’ny fijaliana mihatra aminy. Ilaina ny manaiky ho tohinin’ny Fon’i Jesoa. Ohatra ho antsika no nataon’ilay vehivavy nitsidrà nanatona an’i Jesoa: « Na dia ny morotongotr’akanjony fotsiny aza no voakasiko dia ho sitrana aho, hoy izy ». Fa i Jesoa ihany no nilaza hoe : « Mankanesa aty amiko ianareo izay mitondra fahahoriana sy vesaram-pijaliana fa hanamaivana anareo Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo » (Mt 11, 29). Fa na dia Andriamanitra aza i Jesoa dia nietry tena ho olombelona mitovy amintsika, nanaiky ny fijaliana. Ambaran’i Jesoa fa ao amin’ny Fijaliana sy ny fahafatesana no tsy maintsy hanatanterahany ny Iraka nampanaovina azy. Tsy maintsy nandalo tamin’izany mihitsy Izy. Tsy maintsy manatanteraka ny sitrapon’ny Ray Izy. « Ny haniko dia ny manatanteraka ny sitrapon’ny Raiko ». Fa ny Fitsanganan-ko velona no setrin’ny Fijaliana sy ny Fahafatesana. I Kristy no Lalana sy Fahamariana mitondra mankamin’ny tena Fiainana.

Narisoa sj

Hafatry ny FEM : « Ho aminareo anie ny Fiadanana »

Ry vahoaka malagasy tsivakivolo,

Ry kristianina havana,

“Ho aminareo anie ny Fiadanana!” (Jo 20, 19)

Io Tenin’i Jesoa Kristy tafatsangan-ko velona, niseho tamin’ny mpianatra nihidy tao an-trano noho ny tahotra io, no entinay hiarahabana anareo sy hitsidihanay ny tokantranonareo tsirairay amin’izao fotoan-pitsapàna lalovantsika, mbola miady amin’ny ny valan’aretina Covid_19 izao.

Noho ny toe-java-misy iaraha-mahalala dia tsy afaka nanatanteraka ny fivoriana fanao amin’ny volana mey toy izao izahay Eveka nefa kosa tsy mahasakana anay hifandray aminareo amin’ny alalan’izao hafatra alefanay izao, izany.

Nanapa-kevitra koa izahay, fa tsy ho tanterahina amin’ity taona 2020 ity ny fankalazana ny Kongresy Eokaristika nasiônaly sy faha-100 taonan’ny FET, saika hatao any Antsiranana amin’ny volana Aogositra sy ny Fihaonamben’ny ankizy (JNE) saika hatao any Fianarantsoa amin’ny volana septambra.

Tao anatin’ny fotoanan’ny Karemy sy ny fankalazana ny Paka tokoa no nitrangan’ity valan’aretina tsy hita maso ity ka nanohina ny fiainan’ny olombelona rehetra na ara-nofo izany na ara-panahy. Nasehon’ity valan’aretina ity tokoa ny maha-marefo antsika olombelona sy ny fetrantsika ka tsy misy afa-bela na ireo firenena matanjaka na ireo mbola eo andalam-pivoarana.

Tsapa anefa fa nampitodika antsika tamin’ilay Andriamanitra Mpahary, niandohàna sy hiafaràna, ka na tsy afaka niara-nankalaza Azy tany am-piangonana aza isika, indrindra tamin’ny fotoanan’ny Paka izay manan-danja tokoa amin’ny finoana kristianina dia naneho kosa ny hetahetantsika lalina hivavaka bebe kokoa sy hitoky amin’ny herin’ilay Mahefa ny zavatra rehetra.

Isaorana ny Papa Ray Masina Fransoa naneho hatrany ny aaha Ray aman-dreny mpampiombona, nanentana ny olombelona rehetra maneran-tany, na inona na inona finoany, hitodika amin’Andriamanitra sy hiombom-peo hivavaka handresena ny valan’aretina ary maneho mandrakariva koa ny maha-akaiky azy amin’ny teny fankaherezana sesilany sy fihetsika mitory fitiavana sy fanantenana, narahintsika tamin’ny haino aman-jery sy ny tambazotran-tserasera sosialy.

“Matokia, efa nandresy an’izao tonto izao Aho!” (Jn 16, 33)

Tsapa fa miezaka tokoa ny Fitondram-panjakana, tarihin’ny Filoham-pirenena sy ny Governemanta, ampian’ny ny ekipan’ny CCO, ny mpitandro filaminana sy ireo olom-boafidy isan’ambaratongany mitady ny fomba rehetra hifehezana ny fiparitahan’ny valan’aretina sy hiarovana ny ain’ny ny mpiray tanindrazana. Ankasitrahana ny ezaka vita sy mbola atao ary mankahery anareo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra sarotra tsy azo ihodivirana nefa miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka.

Misaotra amin’ny finiavana lehibe asehonareo mpitsabo sy mpisehatra rehetra amin’ny fahasalamam-bahoaka manerana ny nosy izay mampiseho finiavana lehibe ary manao vy very ny ainy amin’ny fanatonana sy fikarakarana ireo marary. Mankahery sy mivavaka ho anareo izahay mba hanana herim-po sy handresy ny tahotra, eo am-panaovana ny asanareo amim-pitandremana fatratra. Mankahery sy mamporisika ny mpikaroka amin’ny ezaka atao hampiasa ny fanomezana nomen’Andriamanitra hikaroham-bahaolana hiarovana ny ain’olombelona sy hitsaboana ity valan’aretina ity, tsy ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana ihany fa mba hitohy mandavan-taona.

Aoka anefa tsy ho hadino koa fa mifanindran-dàlana amin’ny fiparitahan’ny Coronavirus ny firongatry ny tazomoka sy ny dingue ary ireo aretina hafa mahazatra izay amoizana ain’olona maro kokoa aza saika manerana ny nosy koa heverinay fa fotoana izao hijerena akaiky izay fomba hanatsaràna ny fahasalamam-bahoaka amin’ny ankapobeny.

Manana anjara toerana lehibe amin’ity ady atao ity koa ianareo mpisehatra amin’ny fampitam-baovao sy serasera hampahalala ny vahoaka izay tokony ho fantatra sy hanentana amin’ny fitandremana tokony atao koa ankasitrahana ny fanekenareo handray ny adidy tandrify anareo. Mahazo laka tanteraka koa ny tambazotran-tserasera sosialy izay ahafahan’ny maro mifandray sy maneho hevitra. Miantso ny rehetra anefa mba hampiseho fahendrena ka tsy hampita vaovao tsy marina mampikorontana ny fiainam-bahoaka efa trotraky ny tahotra sy ny adim-piainana. Ilaina ny tsikera am-pitiavana hahatsara zavatra fa aoka kosa hatsahatra ny fankahalana mitarika fifandrangitana sy fifanaratsiana tsy hitera-bokatsoa.

Anisan’ny mampitebiteby sy mampametram-panontaniana ny maro ny lafiny fanabeazana noho ny taom-pianarana tapaka an-tenantenany. Sanatria ho taona fotsy ve ity taom-pianarana ity? Manantena ny hisian’ny sori-dàlana mazava avy amin’ny tompon’andraikitry ny fampianarana isan’ambaratonga mba hampisinda ny tebitebin’ny tanora sy ny ray aman-dreny.

« Aoka ny matanjaka hitsimbina ny osa, … ny mpanan-karena hanome ny mahantra, ny mahantra hisaotra an’Andriamanitra nanome olona hitsimbina azy teo amin’ny fahoriany” hoy Md Clément

Iaraha-mahalala fa ny fepetra fijanonana an-trano dia nisy fiantraikany avy hatrany tamin’ny lafiny toekarena sy ny fiveloman’ny isan-tokantrano sy ny isam-batan’olona ka nanosika hiroso bebe kokoa amin’ny fifampitsinjovana sy fifampizaràna, izay sady soa toavina malagasy no soatoavina kristianina. Ankasitrahana indrindra ny tompon’andraikitra ara-panjakana sy ireo malala-tànana na avy eto an-toerana na avy any ivelany ary ireo mpilatsaka an-tsitrapo niandraikitra ny fizaràna. Ny irariana dia mba hisy ny fahamarinana sy ny mangarahara amin’ny fitantanana ny fanampiana rehetra ka tsy hisy ny hahatsiaro tena ho hadino indrindra ireo tena marefo sy ireo any amin’ny tany lavitra andriana.

Mampalahelo anefa indrisy ny mahita fa mbola misy ihany ny zatra lalan-dririnina ka amin’ny fotoan-tsarotra toy izao avy no mbola sahy manodinkodina ny fanampiana tokony ho zaraina, ho an’ny tombontsoan’ny tena manokana. Hita ho nirongatra koa tato anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao ny asan-dahalo sy ny fandrombàna. Aoka mba hanohina ny fontsika izao fotoan-tsarotra diavintsika izao ka hibebahantsika sy hialàntsika amin’ny ny fitiavan-tena mitondra amin’ny fanararaotana sy ny kolikoly.

Na dia eo aza anefa ny fitsapàna maro nolalovana indrndra ny fisian’ny tondra-drano sy ny haintany dia mampisaotra an’Andriamanitra kosa fa amin’ny ankapobeny dia tsara ny vokatry ny tany tamin’ity taona ity ka mahavelombolo ny tantsaha any amin’ny faritra maro.

Ny tanjona iombonantsika dia ny hamongotra tanteraka ity valan’aretina ity eto amin’ny Nosintsika, mba ho tanteraka amintsika tokoa ny « Fiadanana » nomen’i Kristy an’ireo Apôstoly ka ho faly sy ho salama ny mponin’i Madagasikara. Ilàna firaisan-kina sy firaisam-po ary fafanomezan-tànana izany ka aoka re mba hampandeferina ny hampom-po diso toerana ary tsy afangaro ny adilahy politika sy ny tolona ara-pahasalamana izay iarahantsika miatrika. Matoky ny fahendrentsika mpiray tanindrazana izahay Eveka.

Hamafisinay etoana àry ireo teny fanentanana efa nataon’ny Kardinaly Désiré TSARAHAZANA, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, indrindra ny amin’ny tokony anarahan’ny tsirairay ireo fepetra rehetra napetraky ny tompon’andraikitra ara-panjakana mba ho fiarovana ny aintsika sy ny ain’ny hafa ary mankasitraka an’ireo rehetra tsara sitra-po nanaraka izany amim-pitiavana sy amim-piniavana fa mitory fitiava-namana lehibe ny ezaka ataontsika tsy hiparitahan’ity valan’aretina ity. Aoka hifampahatoky isika! « Soa iombonana ny fahasalamana » ka mila iezahana arovana fatratra

« Mitoera ao an-tanàna ianareo mandra-pandraisanareo ny Hery avy any ambony » (Lk 24, 49). “Niray saina izy rehetra ary naharitra nivavaka, … niaraka tamin’i Maria Renin’i Jesoa” Asa 1, 14

Efa hatramin’ny fotoana nitrangan’ity valan’aretina ity isika no tsy nitsahatra nitodika tany amin’ilay Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra nitalaho ny famindram-pony sy ny fitantanany ary ny fiarovany. Koa tohizantsika ny vavaka entanin’ny finoana sy ny fanantenana fa i Jesoa Kristy nandresy ny fahafatesana sy ny herin’ny ratsy rehetra dia tsy hamela antsika ho irery. Koa aorian’izao fitsapàna lalovantsika izao dia hibaliaka ny masoandron’ny fiadanana sy ny hasambarana izay nirariany hiainantsika.

Tianay ny maneho etoana ny fiaraha-miory amin’ireo fianakaviana namoy ny havany noho ireo valan’aretina niseho teto amin’ny firenentsika ary manankina ny fanahin’ireo nodimandry eo ampelan-tànan’Andriamanitra.

Mankahery sy mivavaka ho anareo rehetra izay mbola tsaboina mba hahazo fahasitranana. Antoka hiverenan’ny fahasalamana haingana ny fanehoantsika fitiavana ireo marary koa manentana ny mpiara-monina mba tsy hanilika ireo havantsika mitondra ny tsimok’aretina.

Anatin’ny volan’i Masina Maria, mpiaro an’i Madagasikara isika izao. Ankinitsika amin’ny vavaka ataony ny fiainantsika manontolo hahita fahombiazana sy fahasalamana. Tsy ho ela koa ny fankalazana ny fetin’ny Pantekoty, handraisantsika ny afon’ny Fanahy Masina. Koa mamporisika antsika hanao ny vavaka hasivian’andro fiomànana, manomboka ny zoma aorian’ny ankalazàna ny niakaran’i Kristy any an-danitra. Koa hamafiso mandrakariva ny finoana.

« Ray ô, ampio izahay hahatahiry ny fahasoavana nomenao, hahavelona mandrakariva ao aminay ny fanomezan’ny Fanahy Masina !».

Mankahery anareo sy mivavaka ho anareo ary mitso-drano anareo izahay Eveka, Ray amandreninareo.

Natao anio faha 21 mey 2020.

Fankalazana ny Niakaran’i Jesoa Kristy any an-danitra.

Son Éminence le Cardinal Désiré TSARAHAZANA, Arsevekan’i Toamasina, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara

Son Exc. Marie Fabien Mgr RAHARILAMBONIAINA, Evekan’i Morondava, Filoha lefitra

Son Exc. Mgr Jean Claude RANDRIANARISOA, Evekan’i Miarinarivo, Sekretera Jeneraly

Son Exc. Mgr Benjamin Marc RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana, Administrateur apostolique d’Ambanja

Son Exc. Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA, Arsevekan’Antananarivo

Son Exc. Mgr Filgence RABEMAHAFALY, Arsevekan’i Fianarantsoa,

Son Exc. Mgr Fulgence RABEONY, Arsevekan’i Toliary

Son Exc. Mgr Georges Varkey PUTHIYAKULANGARA, Evekan’i Port-Bergé

Son Exc. Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana

Son Exc. Mgr Jean de Dieu RAOELISON, Evekan’Ambatondrazaka

Son Exc. Mgr Rosario  VELLA, Evekan’i Moramanga

Son Exc. Mgr Gustavo Bmbin ESPINO, Evekan’i Maintirano, Administrateur Apostolique de Mahajanga

Son Exc. Mgr Philippe,RANAIVOMANANA Evekan’Antsirabe

Son Exc. Mgr Fidelis RAKOTONARIVO, Evekan’Ambositra

Son Exc. Mgr José Alfredo CAIRES DE NOBREGA, Evekan’i Mananjary,

Son Exc. Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, Evekan’Ihosy

Son Exc. Mgr Gaetano DI PIERRO, Evekan’i Farafangana

Son Exc. Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Evekan’i Morombe

Son Exc. Mgr Vincent RAKOTOZAFY, Evekan’i Tolagnaro

Son Exc.Mgr Jean Pascal ANDRIANTSOAVINA, Eveka mpanampin’Antananarivo

Son Exc. Mgr Raymond RAZAKARIVONY, Evêque Emérite de Miarinarivo

Son Exc. Mgr Joseph Donald Léo PELLETIER, Évêque Émérite de Morondava

Son Exc. Mgr Michel MALO, Evêque Emérite d’Antsiranana

Son Exc. Mgr Armand TOASY, Evêque Emérite de Port-Bergé

Son Exc. Mgr Antoine SCOPELLITI, Evêque Emérite d’Ambatondrazaka

Rév. Père. Jean Claude RAKOTOARISOA, Administrateur diocésain de Tsiroanomandidy

Vavaka iombonana ho an’ny tsingerin-taona faha-dimin’ny Laudato Si

 

Feno 5 taona ny Laudato Si.

Ankoatry ny vavaka samirery dia hiaraka hanandratra ity vavaka ity isika ny alahady 24 mey amin’ny mitataovovonana.

———–

Ry Andriamanitra tia anay,

Mpahary ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra eo aminy,

Nataonao nitovy endrika taminao izahay, ary nataonao ho

mpiandry ny voaharinao sy ny tranobe iombonanay.

Nitso-drano anay ianao tamin’ny nanoloranao ny

masoandro, ny rano sy ny tany miavosa mba hahafahanay mivelona.

 

Sokafy ny fanahinay ary hetseho ny fonay

mba hahafahanay rehetra mikolo ny voahary izay nankininao taminay.

Ampio izahay mba hahatsapa fa tsy anay irery ihany ny tranobe iombonana,

fa ho an’ny taranaka mifandimby ihany koa, ary adidinay  ny miaro azy.

 

Enga anie izahay ho afaka manampy ireo sahirana

mitady sakafo sy loharanon-karena izay ilain’izy ireo.

Mitoera eo amin’ireo fadiranovana amin’izao fotoan-tsarotra izao

indrindra amin’ireo tena mahantra sy marefo.

Afaho amin’ny tahotra sy ny ahiahy ary ny fiolonolonana izahay

ary ovao ho fahatsapana fanantenana ireny

mba hahafahanay rehetra mahalala ny fiovam-po marina.

Ampio izahay mba hahay hamorona sy hifanohana

eo am-piatrehana  ny voka-dratsin’ity valanaretina maneran-tany ity.

 

Omeo anay ny herim-po hanaiky ny fiovana izay ilainay

amin’ny fikatsahanay ny soa iombonana.

Amin’izao fotoana izao indrindra  no tokony hahatsapanay

fa iray izahay rehetra,

amin’ny ezaka hamalianay ny hiakan’ny tany sy ny antsoantson’ny mahantra.

 

Amin’ny anaran’i Kristy Tomponay no anaovanay izany vavaka izany.

 

Amen

Valanaretina Covid 19 : fangatahana amin’i Masina Maria

“Izahay mifefy aminao ry Reny Masin’Andriamanitra”

Amin’izao zava-mitranga mampitaintaina, feno fijaliana sy fanahiana mamely an’izao tontolo izao ankehitriny izao, midodododo any Aminao, Renin’Andriamanitra sy Reninay izahay, ary mitady fialofana eo ambany fiarovanao.

Ry Maria Virjiny, atodiho aminay ny masonao feno indrafo amin’izao iatrehanay ny valan’aretina Coronavirus izao, ary ankaherezo ireo rehetra very hevitra sy mitomany noho ireo havany namoy ny ainy, nalevina amin’ny fomba mandratra fanahy. Tohano ireo velon’ahiahy noho tsy fahafahany mitoetra eo anilan’ireo marary ho fisakanana ny fiparitahan’ny valan’aretina. Omeo fitokiana ireo mitebiteby noho ny ho avy lasa manjavozavo, sy noho ny fiantraikan’izao zava-mitranga izao eo amin’ny toe-karena sy ny asa.

 

Ry Renin’Andriamanitra sady Reninay,

mitalahoa ho anay amin’Andriamanitra, Rain’ny famindrampo,

mba hitsaharan’izao fitsapàna mivaivay izao

ka hiverina ny fara-vodilanitry ny fanantenana sy ny fiadanana.

Tahaka ny nataonao tany Kanà, miresaha amin’i Jesoa Andriamanitra Zanakao, mba hitalaho aminy hankahery ny fianakavian’ireo marary sy ireo nodimandry ary hanokatra ny fon’izy ireo amin’ny fitokiana.

Arovy ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy, ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpilatsaka an-tsitra-po, izay lohalaharana amin’izao fotoanan’ny hamehana izao ka manao vy very ny ainy mba hamonjena ny ain’ny hafa. Tantano ny harerahana feno herim-po asehony ary omeo azy ireo ny hery sy halemem-panahy ary ny fahasalamana.

Aoka ianao ho eo anilan’ireo izay manampy andro aman’alina ireo marary sy ireo pretra izay mikatsaka ny hanampy sy hanohana ny rehetra, entanin’ny fiahiana maha mpiandry ondry sy ny firotsahana araka ny Evanjely.

 

Ry Virjiny Masina, hazavao ny sain’ireo lehilahy sy vehivavy mpikaroka ara-tsiansa, mba hahita vahaolana marina handresena ity tsimok’aretina ity.

Ampio ireo tompon’andraikitra ara-panjakana, mba hiasa amim-pahendrena sy fiahiana ary fahafoizana, eo am-pamonjena ireo izay tsy manan-kivelomana sy eo am-pandrafetana vahaolana ara-tsosialy sy ara-toekarena, amim-pahiratan-tsaina sy amim-pitandroana hatrany ny firaisan-kina.

 

Ry Maria masina indrindra, fohàzy ny feon’ny fieritreretana,

ka ireo vola be mikararàna nampiasaina hampitomboana sy hanatsarana ny fitaovam-piadiana anie mba hatokana amin’izay, hampiroboroboana fikarohana mahomby enti-misoroka ny zava-doza tahaka itony, amin’ny ho avy.

 

Ry Maria tianay indrindra,

ampitomboy eo amin’izao tontolo izao, ny fiheveran-tena ho mpikambana amin’ny fianakaviam-be iray, amin’ny fahatsapana ny rohy mampifandray ny rehetra, ka hanosika anay hamonjy ireo fahantràna marobe sy ny toe-javatra iainan’ireo fadiranovana, entanin’ny toe-tsaina mandala ny firahalahiana sy firaisan-kina. Ankaherezo izahay hiorina mafy amin’ny finoana, haharitra amin’ny fanompoana ary hitozo tsy tapaka amin’ny fivavahana.

 

Ry Maria Mpanambitamby ny malahelo,

fihino ireo zanakao rehetra ao anatin’ny fahoriana,

angataho amin’Andriamanitra mba hanampatra ny Tànany mahery

hanafaka anay amin’izao valan’aretina mampivarahontsana izao,

ka mba hiverina amin’ny laoniny ao anatin’ny fitoniana ny fiainanay.

 

Mitoky aminao izahay,

Ianao izay mamirapirapitra eo amin’ny làlanay,

toy ny famantarana ny famonjena sy ny fanantenana,

izany ry be fitiavana, izany ry be famindrampo,

izany ry Maria Virjiny maminay. Amen

Covid-19 : fangatahana amin’i Masina Maria

Ry Maria ô,

Ianao izay mamirapirapitra mandrakariva eo amin’ny làlanay,

toy ny famantarana ny famonjena sy ny fanantenana.

Mitoky aminao, Fahasitranan’ny marary izahay, Ianao ilay niombona tamin’ny fijalian-janakao teo am-pototry ny hazofijaliana, nefa nijoro ho mafy orina hatrany tamin’ny finoana.

Ry Maria, Vonjin’ny vahoaka …, fantatrao izay ilainay, ary azonay antoka fa hotsinjovinao ny hiverenan’ny hafaliana sy ny fety aorian’izao fotoam-pisedràna izao, tahaka ny nataonao tany Kanà any Galilea.

Ampio izahay, ry Renin’ny Fitiavan’Andriamanitra, mba hahaizanay hampifanaraka ny fiainanay amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy hanao izay lazain’i Jesoa anay,

Izy ilay nandray tao aminy ny fijalianay sy nibaby ny fahorianay, mba hitondra anay, tamin’ny alalan’ny hazofijaliany, any amin’ny hafalian’ny fitsanganan-ko velona. Amen

Izahay mifefy Aminao ry Reny Masin’Andriamanitra,

aza manary ny fangatahanay amin’ny manjo anay,

fa afaho amin’ny rofy rehetra izahay

ry Virjiny be voninahitra sy be hasoavana.

Kongresy Eokaristika sy fankalazana ny faha100 taona : tsy hotanterahina amin’ity taona ity !

TSATILAKRI !

Indro ampitaina amintsika ny fanapahan-kevitry ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara, nampitain’i Mgr Benjamin RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana.

« Tsy hotanterahina amin’ity taona ity ny Kongresy Eokaristika miaraka amin’ny faha-100 taonan’ny FET saika hatao tany Antsiranana. Amin’ny fivoriana manaraka no manapaka izay mety ho tohiny ».

Araka izany àry dia mazava ny fanapahan-kevitr’ireo Eveka Raiamandreny fa tsy ho tanterahina amin’ity taona ity ny Kongresy Eokaristika miaraka amin’ny faha 100 taonan’ny FET saika hotanterahinina any Antsiranana.

Mino sy manantena kosa anefa isika fa tsy havelan’Andriamanitra tsy hotanteraka ny fikasana tsara ao am-pontsika sy ny ezaka rehetra natao hatramin’izay, fa ho tanterahiny amin’ny fotoana efa voatendriny ; ary tsy misaraka amintsika i Masina Maria sy ireo Olomasina Mpiaro ny FET – Md François Xavier sy Mb Terezin’i Jesoa Zazakely – ary ireo Olomasina sy Olontsabatra malagasy.

Noho izany, dia mandray izao toromarika sy fepetra manaraka izao indray isika mandrapahatonga ny fanapahan-kevitra farany avy amin’ireo Eveka Raiamandreny :

Momba ny fisoratana anarana :

  • Foana ny datin’ny fisoratana anarana izay voatondro teo aloha mahakasika ny Kongresy Eokaristika sy ny faha 100 taonan’ny FET saika hatao any Antsiranana.
  • Ho an’izay efa nisoratra any amin’ny Diosezy misy azy avy kosa dia tolo-kevitra no omenay : dia ny hitazonana ny anaran’ireo ankizy izay efa nahavita izany, mba ho fitsinjovana ny fiomanan’izy ireo amin’ny fotoana manaraka. Amin’izay fotoana izay anefa dia hokendrena tsara izay fepetra sy ny fomba hahafahana manatanteraka izany.
  • Tolo-kevitra ihany koa no ataonay ho an’ny Ekipa fototra manana vola tahiry iombonana natokana ho an’ny fihaonana any Antsiranana : azo atao ny mametraka izany any amin’ny Paositra « Tsinjo lavitra » na any amin’ny Caisse d’Epargne na koa amin’ireo Banky afaka ametrahana tahiry ahazoana zana-bola. Efa misy mantsy ireo nahita tombontsoa tamin’izany, ka soa fianatra.
  • Ny saram-pisoratana anarana dia mbola tsy misy fiovana aloha hatreto fa mijanona ho amin’izay efa voatondro teo aloha ihany, araka ny Sampana misy.
  • Hotohizina ny fanentanana ny mpikambana amin’ny fisoratana anarana, satria manantena isika fa tsy maintsy hisy ny Fihaonam-be hanamarihantsika ny Taon-jobily.

Fiomanam-panahy :

  • Iaraha-mahalala fa ao anatin’ny Vavaka hasiviam-bolana isika amin’izao fotoana izao. Hotohizina hatrany io vavaka hasiviam-bolana io mandrapahatongan’ny volana Aogositra mamarana azy.
  • Rehefa vita kosa ny vavaka hasiviam-bolana dia tohizina hatrany ny vavaky ny Taon-jobily noho ny faha 100 taonan’ny FET.

Maneho ny fisaorana sy fankasitrahana antsika tompon’andraikitra rehetra noho ny fahafoizan-tenantsika amin’ny fanabeazana sy fikarakarana ireo zanak’Andriamanitra omeny antsika. Izy Tompo anie hampamokatra hatrany ny asa sy ny fisasarantsika.

Miombom-bavaka hatrany miaraka amin’ireo Olomasina mpiaro antsika. Ho tahian’Andriamanitra daholo.

 

Ny Aomônie Nasiônaly

Odon Honoré ANDRIANARISOA SJ

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – mey 2020

« Mba ho famantarana ny maha mpanompo ny Eglizy anie ny fijoroan’ny Diakra amin’ny fanomezam-pahasoavana hitory ny Tenin’Andriamanitra sy hanompo ny mahantra ».

Ho an’ireo Diakra indray no iompanan’ny fangatahana  anentanan’ny Papa Ray Masina ny vita Batemy rehetra mandritra ny volana Mey, amin’ny vavaka fanolorana ny andro izay atao isan’andro. Ny Diakra izay manana anjara toerana manokana eo amin’ny fandraharahana sy ny fiainam-piangonana, noho izy ao anatin’ny ambaratongan’ny sakramentan’ny Filaharana.

« Amin’ny laharana zandriny eo amin’ny ambaratongam-pitondrana no misy ny Diakra izay « tsy ho an’ny maha-mpisorona tsy akory, fa ho an’ny fanompoana » no ametrahan-tanana aminy » (KFK 1569).

Asongadin’ny fampianaran’ny Eglizy ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika hatrany fa : « Mandray anjara amin’ny fomba manokana ny Diakra, amin’ny fanirahana an’i Kristy sy amin’ny fahasoavany. Ny sakramentan’ny Filaharana no mampisy marika azy ireo amin’ny fitomboka (“marika”) izay tsy misy afaka manafoana izany, sy mampitovy endrika azy ireo amin’i Kristy izay nanao ny Tenany ho “Diakra”, izany hoe mpanompon’ny rehetra. Azo singanina manokana amin’izany ireto asan’ny Diakra ireto : manampy ny Eveka sy ny Pretra amin’ny fankalazana ny misterin’Andriamanitra, indrindra ny Eokaristia, mizara izany, …  mahafoy tena amin’ny asam-pitiava-namana isan-karazany » (KFK 1570).

Ny lahatenin’ny Eveka amin’ny fanamasinana ho Diakra dia mbola manamafy ny andraikitra masina ankinina amin’izy ireo : « Eo amin’ny toriteny sy eo amin’ny ôtely ary eo amin’ny fiahiana ny ory sy ny mahantra, hanompo ny olona rehetra » araka ny fomba nolovana tamin’ny apostoly. Fanampin’izany, araka ny anirahan’ny Eveka azy, dia adidiny ny mampianatra ny olona mpino, na ny tsy mpino, sy ny mivaofy na manazava ny fampianarana masina

Mpandraharaha voahosotra ho amin’ny lahasa fanompoana ny Fiangonana  àry ny Diakra ; tsy mandray ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra  izy, kanefa ny fanamasinana dia manome azy anjara raharaha mavesa-danja amin’ny andraiki-panompoana ny Teny, amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, amin’ny fitantanana pastôraly ary amin’ ny asa  fanompoana am-pitiavana ny hafa, lahasa izay tsy maintsy tanterahiny eo ambany fahefana maha-mpiandry ondry ny Evekany.

Adidintsika kristianina àry ny mivavaka ho an’ireo Diakra, fa efa  nanome ohatra azy ireo i Kristy ; izany hoe ho tena mpanompo marina tokoa, mpanao raharahan’i Kristy, ilay nilatsaka ho mpanompo teo anivon’ny mpianany ; mba ho tena hanompo am-pitiavana. Sahala amin’ireo nofidin’ny Apostoly fahiny hiandraikitra ny fiahiana ny ory sy ny mahantra, ka ho olona tsara laza, henika ny Fanahy Masina ary feno fahendrena.

Narisoa sj

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – aprily 2020

Mba hahazo fanampiana sy fanohanana amin’ny ezaka ataony anie ireo te hiala amin’ny filàna mangeja isan-karazany.

Anisan’ny loza lehibe mandrava sy manapotika ny fiainan’ny olombelona ny fahazaran-dratsy izay miteraka filàna mangeja, mitondra mankany amin’ny fiankinan-doha. Rehefa tsy voafehy intsony mantsy ny filàna ao anatin’ny saina amam-batan’ny olombelona ao, dia mitarika azy ho any amin’ny fiankinan-doha amin-javatra izay iantefan’ny filàny. Maro ankehitriny ny olona tafalatsaka ao anatin’izay fiankinan-doha izay, ary tsy ny tanora ihany fa hatramin’ny olon-dehibe koa aza. Inona moa ireo karazana filàna na fiankinan-doha manimba sy mitera-doza ireo : ny fisotroan-toaka, ny fidorohana zava-mahadomelina, ny fijangajangana, filokana sns ; fa mety ho fiankinan-doha ihany koa, ny fijerena tahitalavitra tafahoatra, ny internet, ny fanaovana facebook tsy voafehy na tsy voalanjalanja. Ny hatendan-kanina sy ny filerana ihany koa aza, araka ny voalaza ao amin’ny fahotana fito fototry ny hafa, dia azo lazaina fa filàna diso tafahoatra ka miteraka fahotana sy haratsiana maro.

Tsy vitsy ny olona ankehitriny, hoy isika, no tafalatsaka ao anatina fitongilanana na fiankinan-doha toy izany. Ny tena loza anefa dia tsy mijanona ho an’ilay manana io fironana io ihany ny vokadratsiny fa miantraika amin’ny hafa sy ny fiaraha-monina manodidina mihitsy. Toy ny virus ka manimba fiaraha-monina. Toa zary potika ny toetra soa sy ilay endrika itovizana amin’Andriamanitra. Toa tsy manam-pahafahana intsony fa voageja ao anaty fitiavan-tena.

Na izany aza dia misy ihany ny mahatsapa tena fa tafalatsaka anaty hantsana, diso lalana, ka te hanao toy ilay zaza mpandany, hiverina an-tranon-dray. Te hioitra sy hiezaka hanarina ny toe-piainana ; hiala amin’ny fahazaran-dratsy sy ny fiankinan-doha mamohehatra. « Ato anaty hantsana aho, Tompo, no miantso Anao ; Tompo ô, henoy izany feoko », hoy ny Salamo faha 129. Maro amin’ireny olona ireny no te ho afaka amin’izany fahazaran-dratsy izany, nefa tsy afaka, fa sarotra ho azy ny miala satria efa tafalatsaka anaty loatra, ka mila olona hanampy.

Adidin’ny tsirairay, ny vita Batemy, ny tsara sitrapo rehetra, indrindra fa ny Eglizy, ny manampy azy ireny hiala amin’ny filàny sy ny fahazaran-dratsiny ; mba hotafarina indray ka hanjary olona afaka toy ny rehetra.

Izany no anentanan’ny Papa Ray Masina antsika amin’ny fanampiana azy ireny, ary tsy ny hitrotro am-bavaka fotsiny, fa hanana fahasahiana hanarina azy indray, na ara-torohevitra izany, na ara-toetsaina. Hitantsika fa ny Papa Fransoa mihitsy no manome ohatra velona ho antsika amin’ny fanatonana sy fankaherezana ireny olona ireny, na amin’ny hafatrafatra sy ny fampianarana ataony izany, na amin’ny fanampiana ara-nofo ihany koa. Hoy indrindra izy, ao amin’ilay atao hoe « vidéo du Pape », raha manentana ny olona ny amin’izany : « Ataoko fa tsy isalasalana ny nandrenesanareo ny amin’ny resaka fiankinan-doha. Ary moa mba heverinareo ihany koa ny fiankinan-doha amin’ny filokana, ny sary mamoafady, ny internet sy ny voadratsy ateraky ny elanelana virtoaly ? Amin’ny alalan’ny Evanjelin’ny Famindram-po no ahafahantsika manamaivana sy mitsabo ary manasitrana ny fijaliana mifandray amin’ireo fiankinan-doha vaovao ireo. Mivavaka àry isika mba  hahazo fanampiana sy fanohanana amin’ny ezaka ataony ireo te hiala amin’ny filàna, ny fiankinan-doha mangeja isankarazany » (Vidéo du Pape, mois d’Avril 2020).

 

Hafatry ny Papa Fransoa : andro eran-tany ho an’ny tanora faha-35 (JMJ 2020)

« Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna ! » (Lk 7,14)

Ry tanora malala,

Tamin’ny Oktobra 2018, niaraka tamin’ny sinaodan’ny Eveka momba ny lohahevitra “ny tanora, sy ny finoana ary ny fandalinana ny antson’Andriamanitra” ny Eglizy no nanao dingana momba ny fandalinana ny zava-misy iainanareo amin’izao tontolo ankehitriny izao, momba ny fikarohanareo ny dikan’ny fiainana sy ny kasainareo eo amin’ny fiainana, momba ny fifandraisanareo amin’Andriamanitra. Tamin’ny Janoary 2019, nihaona tamin’ny tanora mitovy taona aminareo aman’hetsiny avy amin’izao tontolo izao aho, nivory tao Panama, tamin’ny andro eran-tany ho an’ny tanora. Ny tranga toy ireny- sinaody sy JMJ- dia maneho ny maha-zava-dehibe ny Eglizy: “miaraka mizotra”

Amin’io lalana io, isaky ny mahatratra (vato manamarika ny halavilaran-dalana vita)dingana iray lehibe isika, dia asain’Andriamanitra sy ny fiainana miatrika fanamby hiainga indray. Havanana amin’izany ianareo, ianareo tanora! Tianareo ny mandeha, mihaona amin’ny toerana sy endrika mbola tsy hitanareo teo aloha, miaina traikefa vaovao. Izany no nifidianako ho tanjona amin’ny fivahinianana iraisan’ny kontinanta manaraka, amin’ny taona 2022, any amin’ny tananan’i Lisbonne, renivohitr’I Portugal. Tao, tamin’ny taon-jato faha-15 sy faha-16, maro ny tanora, betsaka ny misionera tamin’izy ireo, no nandeha tany amin’ny tany tsy fantatra, mba hizara ihany koa ny traikefam-piainana miaraka amin’i Jesoa sy ny mponina ary ny firenena hafa. Ny lohahevitry ny JMJ any Lisbonne dia hoe: “Niainga i Maria, ary lasa nandeha haingana” ( Lk 1, 39). Nandritra ny taona roa nifanaraka, dia mandinika miaraka aminareo aho momba ny lahatsoratra roa hafa tao amin’ny Baiboly : “ Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangana!” ( Lk. 7, 14), ny taona 2020 ary “ Mitsangana fa izaho no hanendry anao ho vavolombelon’ny zavatra efa hitanao!”( Asa 26, 16), ny taona 2021.

Araka ny hitanareo, ny voambolana iombonan’ireo lohahevitra telo ireo dia hoe: mitsangana, Io fomba fiteny io dia misy heviny ihany koa hoe mitsangan-ko velona, mifoha ho amin’ny fiainana. Teny miverimberina ao amin’ny taratasy fanentanana apostolika Christus vivit 2

(Velona I Kristy) izay natokako ho anareo taorian’ny sinaody tamin’ny 2018, ary, tao amin’ny tahirin-kevitra farany, ny Eglizy no nanolotra anareo tari-dalana hanazava ny lalam-piainanareo. Manantena amin’ny foko rehetra aho fa ny lalana mitondra anareo ho any Lisbonne dia mifandraika, ao amin’ny Eglizy manontolo, amin’ny firotsahana mavitrika ho amin’ny fanatanterahana ireo tahirin-kevitra roa ireo, hitodika amin’ny iraka ho an’ireo mpanentana amin’ny pastoralin’ny tanora.

Ndeha amin’izay hijery ny lohahevintsika amin’ity taona ity: « Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna ! » (Lk 7, 14). Efa nolazaiko io andinin’ny Evanjely io tao amin’ny Christus vivit: “Raha very fanahy ianao, nofy, hafanam-po, fanantenana, fahalalan-tanana, Jesoa tonga eo aminao, toy ilay nataony amin’ny fahafatesan’ny zanak’ilay vehivavy nananon-tena, ary miaraka amin’ny herin’ny Fitsanganan-ko velona ny Tompo no mankahery : “ry zatovo, izaho mandidy ianao, mitsangàna” (lah.20).

Mitantara amintsika io andalana io ny fomba nataon’I Jesoa, niditra ilay tanana kely tao Naïm, ao Galilée, nifanena tamin’ireo mpandevina mitanjozotra nitondra ny tovolahy halevina, zanaka lahitokan’ilay reny mananon-tena. Jesoa, nangoraka noho ny fahoriana mahavaky fo nahazo ity vehivavy ity, ka nanao fahagagana ary nanangana ho velona ilay zanany. Nefa, io fahaganana io dia taorian’ny fihevitra sy fihetsika: “Nony nahita an-dravehivavy, nangoraka ny Tompo ka nanao taminy hoe: “aza mitomany”. Nanatona izy ka nanendry ny tranovorona dia nijanona ny mpilanja” (Lk. 7, 13-14). Hijanona kely isika handinika momba ny fihetsika sy tenin’ny Tompo sasany.

Mijery ny fijaliana sy ny fahafatesana

Nijery amim-pitandremana ireo mpandevina mitanjozotra i Jesoa ary tsy nidonàka. Tao afovoan’ireo vahoaka no nahitany ny endrik’ilay vehivavy ao anatin’ny fijaliana mafy. Niteraka fihaonana io fijeriny io, loharanon’ny fiainam-baovao. Tsy nilàna teny maro.

Ary ny fijeriko, manao ahoana? Mijery amin’ny maso amim-paharetana ve aho, sa amin’ny fomba izay mamadibadika haingana ny sary amin’arivony ao amin’ny finday na ny sary famantarana amin’ny tambazotra sosialy? Impiry isika no vavolombelona manatri-maso tranga maro, nefa toa tsy miaina izany mivantana! Indraindray ny ataontsika voalohany dia ny maka sary ny tranga amin’ny finday, angamba tsy te hijery amin’ny maso ilay olona voakasika izany.

Manodidina antsika, na indraindray ao amintsika ihany koa, mifanehatra amin’ny trangam-pahafatesana isika: ara-batana, ara-panahy, ara-pihetsem-po, ara-piaraha-monina. Tsapantsika ve izany na hoe miantraika amintsika ny vokatr’izany? Nisy zavatra azontsika natao ve hamerenana ny aina?

Mieritreritra ireo toe-javatra ratsy iainan’ny tanora namanareo aho. Misy, ohatra izay manankina ny rehetra amin’ny ankehitriny, ka manao vy very ainy amin’ny traikefam-piainana mihoampapana.

Ny tanora sasany, mifanohitra amin’izany, maty satria very fanantenana. Henoko tamin’ny zazavavy iray : “Amin’ireo namako dia hitako nisy very hery ny hirotsaka, very herim-po ny hiarina”. Mampalahelo, amin’ireo tanora ihany koa no mihanaka ny fahakiviana izay, amin’ny tranga sasany, mety hitarika amin’ny fakam-panahy hanala ny aina. Firifiry ireo tranga tsy maha-rototra, ka mahalatsaka any anatin’ny lavaky ny tebiteby sy ny nenina! Firifiry ireo tanora mitomany izay tsy misy mihaino ny kiakan’ny fanahin’izy ireo! Manodidina azy ireo, matetika, ny fijery variana, tsy miraharaha avy amin’ireo, angamba, manararaotra ny ora mahafinaritra ka mitazan-davitra.

Misy ireo mitsipozipozy amin’ny endrika ivelany, mihevitra fa velona nefa maty ao anaty (jr. Ap 3,1). Mety vao 20 taona dia mirefarefany fiainany, tsy mifanaraka amin’ny hahavon’ny fahamendrehany. Mionona amin’ny “velombelom-poana”, mitady fankasitrahana kely: fialamboly kely, potipoti-pitiavana avy amin’ny hafa…Misy ihany koa fizahozahoana amin’ny tontolo nomerika manjavozavo izay mahazo ny tanora sy ny olon-dehibe. Maro ny miaina toy izany! Misy amin’izy ireo angamba no mivelona amin’ny fikatsahana fahafaham-po amin’ny fahafinaretan’ny harena izay tsy mihevitra afa-tsy ny hahazo vola ary hitoetra, toy ny hoe ireo ihany no tanjo-piainana. Rehefa ela ny ela, dia tsy azo idovirana ny hisehoan’ny marenina, ny tsy firaharahiana, ny fahasorenana eo amin’ny fiainana, izay mihamampitebiteby hatrany.

Io firononana ratsy io dia mety ho vokatry ny tsy fahombiazan’ny tena, rehefa ny zavatra no atao am-po, nikatrohana, no tsy mandeha intsony na tsy mahatratra ny vokatra nantenaina. Mety hiseho izany amin’ny fianarana, na amin’ny ambom-po eo amin’ny fanatanjahan-tena na zava-kanto… Ny faran’ny “nofy” dia mety hahatsapana fa maty. Ny tsy fahombiazana anefa dia tafiditra ao amin’ny fiainan’ny olombelona rehetra, nefa ihany koa mety hiseho ho fahasoavana! Matetika, ny zavatra izay heverintsika fa mahasambatra dia miseho ho fitaka sy sampy. Ny sampy dia mitaky ny rehetra avy amintsika ary mahatonga antsika ho andevo, nefa tsy manome n’inona n’inona ho takalony. Ary, farany, levona izy ka ny vovoka sy ny lavenona sisa no avelany. Amin’io heviny io, ny tsy fahombiazana, raha handrodanana sampy, dia tsara, na dia mampijaly azy.

Azontsika tohizina amin’ny trangam-pahafatesana hafa, ara-batana, ara-moraly, izay mety iainan’ny tanora, toy ny fiakinan-doha, ny heloka bevava, ny fahoriana, ny aretina lehibe… Avelako ianareo hieritreritra ny momba anareo sy hisaintsaina izay mahatonga ny “fahafatesana”, ao aminareo na ao amin’ny iray amin’ireo akaikinareo, ankehitriny na tamin’ny lasa. Miaraka amin’izay, tadidio fa ity zazalahy nolazain’ny Evanjely ity, izay tena maty tokoa, dia niverina ny aina satria nojeren’ ilay Olona tia ny hahavelomany izy. Mbola mety ho tanteraka izany ankehitriny, ary isanandro.

Mangoraka

Ny Soratra masina dia mitantara matetika ny fihetseham-pon’ireo izay manaiky ho voatohina “hatrany amin’ny aty fanahiny” ny fahorian’ny hafa. Ny fihetsem-pon’i Jesoa dia nahatonga azy handray anjara amin’ny trangam-piainan’ny hafa. Noraisiny ho azy ny fahorian’ny hafa. Tonga fijaliany ny fahorian’ity reny ity. Lasa fahafatesany ny fahafatesan’ilay zaza.Amin’ny fotoana maro ianareo, ry tanora, no miseho fa mahay mangoraka. Ampy ny mijery hoe firy aminareo no manolo-tena amin-kahalalam-po rehefa misy fotoana ilàna izany. Tsy misy loza, horohoron-tany, tondran-drano, tsy ahitana andiana tanora milatsaka an-tsitrapo vonona ny hanampy. Toy izany koa ny fifamitaonana lehibe ataon’ny tanora te hiaro ny zavaboahary izay maneho ny fahafahanareo mihaino ny kiakan’ny tany.

Ry tanora malala, aza avela hisy handrombaka izany hamoram-ponareo izany! Meteza ianareo hihaino ny fitarainan’ireo izay mijaly; meteza ho tohinin’ireo izay mitomany sy maty amin’izao tontolo ankehitriny izao. “ny trangam-piainana sasany dia tsy hita raha tsy amin’ny maso voasasan’ny ranomaso” (Christus vivit, n.76). Raha hainareo ny mitomany miaraka amin’ireo izay mitomany, dia ho sambatra tokoa ianareo. Maro amin’ireo mitovy aminareo no tsy manana fahafahana, iharan’ny herisetra, ny fanenjehana. Ny ratrany anie ho tonga ho anareo, ary ianareo no ho mpitondra fanantenana eto amin’ izao tontolo izao. Afaka hilaza amin’ny rahalahinareo, sy anabavinareo ianareo hoe: “ Mitsangàna ianao, tsy irery ianao”, sy haneho fa Andriamanitra Ray tia antsika ary i Jesoa no tanany mitsotra hanarina antsika.

Manakaiky sy “mitsapa” mampijanona ireo mpandevina mitanjozotra i Jesoa. Manatona izy, mankaiky. Ny fanakaikezana no manosika antsika handroso sy lasa fihetsika be herim-po mba hahavelona ny hafa. Fihetsiky ny mpaminany. Ny fifandraisan’i Jesoa, ilay Velona, no mampita ny aina. Fifandraisana izay mampiditra ny Fanahy Masina ao amin’ny vatana matin’ilay zazalahy sy mamelona ny ain-dehibeny.

Io fifandraisana io no maninteraka amin’ny trangan’ny fahakiviana sy ny fahadisoam-panantenana. Io ilay fifandraisan’Andriamanitra izay mandala ihany koa amin’ny tena fitiavan’olombelona sy misokatra amin’ny habaka tsy hay heverin’ny fahafahana, ny fahamendrehana, ny fanantenana, ny fiainam-baovao sy feno. Ny fahombiazan’ity fihetsik’i Jesoa ity dia tsy azo saintsainina. Mampahatsiahy antsika izy fa na dia famantarana maneho fanakaikezana, tsotra nefa azo tsapain-tanana, dia mety hiteraka hery ho amin’ny fitsanganan-ko velona.

Eny, ianareo ihany koa, ry tanora, afaka manakaiky ny trangam-pahoriana, sy ny fahafatesana izay sendra anareo, azonareo tsapaina ireo ary afaka manome aina ianareo toa an’i Jesoa. Mety ho tanteraka izany noho ny Fanahy masina, raha toa ianareo aloha ho tohinin’ny fitiavany, raha toa ny fonareo nohalefahan’ny fiainana ny halemem-panahiny tao aminareo. Noho izany, raha mahatsapa ianareo ao anatinareo ny hamorampon’Andriamanitra

mitaintaina ho an’ireo zavaboahary velona, indrindra ireo rahalahy noana, mangetaheta, marary, tsy mitafy, migadra, dia afaka manakaiky toa izany ianareo, mitsapa toa azy, ary mampita aina amin’ny namanareo izay maty ao anaty, mijaly na very finoana sy fanantenana.

Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna!”

Tsy nilaza ny anaran’ilay zazalahy natsangan’I Jesoa ho velona tao Naïm ny Evanjely. Fanasana ny mpamaky io handray azy ho toy ny tenany. Miteny aminao i Jesoa, amiko, amin’ny tsirairay amintsika, ary miteny hoe: “Mitsangàna ianao!” fantantsika tsara fa isika, ihany koa, ny kristianina dia lavo, ary tokony hiarina mandrakariva. Ireo izay tsy mandeha ihany no tsy lavo, nefa tsy mandroso ihany koa. Noho izany tsy maintsy mandray ny asan’i Kristy ary maneho asam-pinoana an’Andriamanitra. Ny dingana voalohany dia manaiky ny hiarina. Ny fiainam-baovao izay homeny antsika dia tsara sy mendrika iainana, satria hotohanan’ily Olona izay hanjohy antsika ihany koa amin’ny ho avy, ary tsy handao antsika na oviana na oviana, hanampy antsika handany ny androm-piainantsika amin’ny fomba mendrika sy mahavokatra.

Tena zava-boahary vaovao izany, fahateraham-baovao.Tsy fanamboaran-tsaina izany. Mety, amin’ny fotoan-tsarotra, ny maro aminareo naheno teny “majika” miverimberina izay firononana amin’izao fotoana izao sy tokony hahavaha ny olana rehetra dia ny hoe: “Tokony hatoky tena ianao”, “Tokony ao aminao no hahitanao ny haren-tsaina”, “tokony ho fantatrao ny angovo mahomby ao aminao” … Nefa dia teny ihany ireo ary ho an’ireo izay tena “maty ao anaty” dia tsy mandaitra ireo. Hafa ny halalin’ny Tenin’I Kristy, ambonin’ny zavatra rehetra izy. Tenin’Andriamanitra sy mpahary izy, izay izy irery ihany no afaka mamerina indray ny aina izay efa maty.

Ny fiainam-baovaon’ny Fitsangana-ko velona

“Niteny” (Lk 7,15) ilay tanora, hoy ny Evanjely? Fihetsika voalohan’ny olona voakasika sy naverin’I Kristy amin’ny aina dia ny miteny, miseho tsy amin-tahotra ary tsy manano sarotra amin’izay misy azy, ny maha-izy azy, ny faniriany, ny filàny, ny nofiny. Angamba mety mbola tsy nataony izany teo aloha, satria resy lahatra izy fa tsy misy olona afaka nahazo azy!

Ny miteny dia midika hoe mifandray amin’ny hafa. Rehefa “maty dia mikatona ao amin’ny tena, tapaka ny fifandraisna na lasa misavoamboana, tsy mari-pototra, mihatsara ivela-tsihy. Rehefa mamelona antsika indray I Jesoa, dia manolotra antsika amin’ny hafa (jr. and. 15)

Matetika, ankehitriny, misy ny “fifanohizana” fa tsy misy fifandraisana. Ny fampiasana ny fitaovana elektronika, rehefa tsy mifandanja, dia mety hahatonga antsika hifantoka amin’ny efi-jery. Amin’ity hafatra ity dia tiako ny mametraka, miaraka aminareo tanora , ny fanamby amin’izao kihon-dalan’ny kolo-tsaina izao manomboka amin’ity hoe “Mitsangàna ianao!”-n’i Jesoa ity. Kolo-tsaina izay maniry ny tanora hitokana sy hikombona ao amin’ny tontolo virtoaly, andeha hahelintsika ity tenin’i Jesoa ity “Mitsangàna ianao!”. Fanasana hisokatra amin’ny zava-misy izay mihoatra lavitra noho ny virtoaly. Tsy midika akory izany hoe mankahala ny technologie, fa mampiasa azy ho toy ny fitaovana fa tsy ho toy ny tanjona. “Mitsangàna ianao” midika ihany koa hoe “nofy”, “loza mitatao”, “mandraisa andraikitra ianao mba hanova izao tontolo izao”, velombelomy ny fanirianao”, banjino ny lanitra, ny kintana, ny tontolo manodidina anao. “Mitsangàna-ianao, dia ho tonga amin’izay maha-izy anao”. Noho io hafatra io, maro amin’ny endrika kivin’ireo tanora manodidina antsika no mihavelom-bolo ary miha-tsara kokoa noho ny zava-misy eo amin’ny tontolo virtoaly.

Satria raha manome aina ianao, dia misy olona mandray izany. Tovovavy iray nilaza hoe: “Mitsangana eo am-pandriana ianao, raha mahita zavatra tsara, ary raha tapa-kevitra hanao toy izany koa”. Tsara ny manaitra ny firehetam-po. Ary rehefa ny tanora no tena tia zavatra iray, na tsara kokoa, olona iray, mitsangana izy amin’ny farany ary manomboka manao zavatra lehibe; niala tamin’ilay fahafatesany teo, ary mety ho tonga vavolombelon’I Kristy sy manome ny ainy ho azy.

Ry tanora malala, inona no firehetam-po ao aminareo sy ny nofinareo? Asehoy izy ireo, ary amin’ny alalan’izany, manolora amin’izao tontolo izao, an’ny Eglizy, an’ny tanora hafa, zavatra tsara ao amin’ny tonotolo ara-panahy, ara-java-kanto, ara-piaraha-monina. Averiko aminareo amin’ny fitenin-dreniko : hagan lio! Mandrenesa ianareo. Henoko tamin’ny tanora iray ity : « Raha i Jesoa no olona tsy nihevitra afa-tsy izay momba azy, dia tsy nitsanga-ko velona ny zanak’ilay vehivavy mpananon-tena!”

Namerina azy tamin’ny reniny ny fitsanganan-kovelon’ilay zatovo. Amin’io reny io dia afaka mahita an’i Maria isika, renintsika hanankinantsika ny tanora maneran-tany. Izy, no hahafahantsika ihany koa mankasitraka ny Eglizy izay te handray amin-kalem-panahy ny tanora zanany tsirairay, tsy misy voahilika na iray aza. Hitalahontsika noho izany i Maria ho an’ny Eglizy, mba ho reny mandrakariva izy manoloana ireo zanany maty sy mitomany ary miandrandra fiteraham-baovao. Ho an’ireo zanany rehetra maty, dia maty ihany koa ny Eglizy, ary ho an’ireo zanany mitsangan-ko velona dia mitsangan-ko velona ihany koa ny Eglizy.

Mitso-drano ny lalanareo aho. Ary ianareo, miangavy anareo aho, aza adinoina ny mivavaka ho ahy.

Nomena tao Roma, tao amin’ny Md Jean de Latran , ny 11 febroary 2020

Fahatsiarovana an’i Notre Dame de Lourdes.

Dikateny ofisialy :VPKT

 

 

Papa Fransoa : vavaka manokana noho ny Covid-19