Ny fizotry ny fampiasam-panahy
Raha ny fizotry ny Fampiasam-panahy kosa no resahina dia mizara ho Herinandro efatra mazava tsara ny fomba entina miatrika sy manatanteraka azy.
Ny Herinandro Voalohany [FP. 21 – 90]
Ny Herinandro Voalohany dia fametrahana ny Fototra, ka Andriamanitra no Fiandohana sy Fototra. Fanaovana jery todika sy fandinihana ny fiainana lasa ihany koa ny Herinandro voalohany mba hibebahana, hiovana, sy hironana bebe kokoa amin’io Andriamanitra Fototra io.
Ao amin’ny fandinihana mikasika ny Fiandohana sy Fototra, ilay manomboka ny Fampiasam-panahy, dia mandinika ny fikasan’Andriamanitra miseho ao amin’ny fitiavany ny olon-drehetra sy ny zavaboary manontolo. Ny tanjona kendren’io Fampiasam-panahy voalohany io dia ny hampiomana an’ilay manao laretirety hamela an’izay mety ho faniriana na hambom-po samirery, ka tsy hikendry afatsy ny hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra aminy, na ny fisainany na ny ataony rehetra.
Rehefa masaka amin’izany toetsaina izany ny olona manao ny Fampiasam-panahy, dia afa-miroso amin’ny dingana voalohany, izany hoe ny « Herinandro voalohany », izay anasana azy handinika ireo hery manohitra sy sakantsakana tsy ahafaha-manatanteraka izany fikasana tsara izany. Tsy maintsy tonga saina amin’ny korontana misy aloha ny olona te handamina ny fiainany, ary mitady fanafahana amin’izany. Ka ireo fandinihana amin’ny Herinandro voalohany dia sady manainga an’ilay manao laretirety ho tonga saina amin’ny fahakelezany sy ny tsy fahamendrehany ary ny faharatsian’ny fahotany, no mitaona azy koa hahita ny famindram-pon’ny Tompo tsy misy fetra, ka mahatonga azy ho « mpanota nahazo famelana ».
Ireo vavaka rehetra amin’io Herinandro voalohany io àry dia mifarana amin’ny resadresaka ifanaovan’ilay manao Fampiasam-panahy amin’i Kristy eo ambony Hazofijaliana, ka anontaniany tena hoe : Inona no nataony ho an’i Kristy ? Inona no ataony, ary inona no tokony hataony ho Azy ? Mifarana ny Herinandro voalohany dia tsy vitan’ny hoe manenina amin’ny fahotana vitany ilay manao laretirety, fa mibanjina ny tokony hataony ho an’i Kristy amin’ny hoavy.
Ny Fifandraisan’ny Herinandro Voalohany amin’ny Dingana I n’ny EKA
Ao amin’ny fiainan’ny EKA dia mazava izao fa mifanandrify tanteraka amin’ny Herinandro voalohany ity ny firosoana amin’ny Dingana voalohany izay ifidianana an’i Kristy Lalana, ka andraisana ny Lakroa masina. Koa mamporisika sy manentana antsika hamaky sy handalina ny voalaza sy voasoratra ao amin’ny boky Miaradia (Miaradia p. 47, 55-73, 113-116).