Mankalaza fety roa sosona ny Afafi-Fet !
Afafi !
Amin’ny fo feno haravoana no iarahabana antsika rehetra amin’izao fety roa sosona izao ! Hitoetra ao amintsika tokoa anie ny Hafalian’ny Evanjely !
3 desambra, fetin’i Md Fransoa Xavier, mpiaro ny FET
Anisan’ireo namorona ny Fikambanan’i Jesoa niaraka tamin’ny Md Ignasy i Md Fransoa Xavier. Nampiavaka azy ny nandehanany nitory ny Filazantsara tany amin’ny ilany atsinanan’ny tany (Exrême-Orient).
580 taona lasa izay no nanaovany ny voadin’ny fahantrana sy ny fahadiovana ary nanomboka teo dia tsy nahalala sasatra izy tamin’ny fitoriana an’i Kristy.
Marika hahafantarana an’i Md Fransoa Xavier ny Lakroa sy ny Fo mirehitra. Koa enga anie isika Afafi-Fet mba hitondra ny Hazo fijaliana amin’ny asa fitoriana ataontsika ary hirehim-pitiavana an’i Jesoa ireo rehetra mihaino antsika.
3 desambra, 170 taona ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana
Araka ny efa fantatsika dia tany Frantsa, tao amin’ny toerana fanofanana ireo tanora zezoita no nanomboka ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana.
Raha tany am-boalohany dia ireo tanora ireo no nentanina hanolotra ny fiainany manontolo ho fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana ataon’ny Eglizy.
Tsapan’ny Ray masina ny maha zava-dehibe ny fiombonam-bavaka nipariaka eran’i Frantsa ka ny taona 1928 no nanomboka nangataka vavaka manokana izy.
Miditra amin’ny dingana vaovao ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana izao. Isika mianakavy no manoratra ny tantaran’ny 170 taona manaraka !
Tsidiho ny tranokala apmej.net fa efa vonona ao ireo boky tari-dalana ho antsika Afafi-Fet.