“Makà tahaka ahy toy ny akako tahaka an’i Kristy”
AFAFI,
Amin’izao fankalazana ny fetin’i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely izao dia mikarakara fifaninanana « Makà tahaka ahy » ao amin’ny Pejy Facebook AFAFI-FET Madagasikara APMEJ Madagascar ny Foibe Nasionalin’ny AFAFI – FET.
Toy izao àry ny mombamomba izany
Lohahevitra: “Makà tahaka ahy toy ny akako tahaka an’i Kristy” 1 Korintiana 11, 1
Izany hoe maka tahaka an’i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely amin’ny alalan’ny endrika sy ny fitafy kanefa misy dingana arahina ao anatin’izany. Marihina fa azo atao daholo na i Mb Terezy fony fahazaza sy tanora na izy efa niditra any amin’ny fikambanan-drelijiozy, fa ny zava-dehibe dia ny fitoviana ary izay endrika safidiana amin’ny dingana voalohany ihany no tohizina aseho amin’ny dingana faharoa sy fahatelo
Toy izao àry no fizotry ny fifaninanana :
Mpandray anjara:
- Ireo AFAFI-FET vehivavy rehetra manerana ny Nosy
- Taona : tsy voafetra
Fepetra:
- Alefa “message privé” manomboka ny 01 ka hatramin’ny 26 Oktobra 2020 amin’ny pejy Foibe Nasionaly ny vidéo rehetra (atao vidéo karazany 3 samihafa araka ireo Dingana 3 voatondro eo ambany) miaraka amin’ny anarana sy fanampin’ny mpandray anjara, ny sampana misy anao ary ny Paroasy sy Diosezy niaviana.
- Ny Foibe Nasionaly ihany no manao ny publication fa azontsika “partagé”na
- Izay mamoaka ny vidéo mialoha dia tsy voaray avy hatrany.
Dingana
DINGANA hanaovana ny vidéo | ZAVATRA HASEHO amin’ny alalan’ny vidéo |
Dingana I | Endrika sy fitafy maneho an’i Mb Terezin’i Jesoa zazakely miaraka amin’ny teny kely maneho ny fiarahaban’ny FET : AFAFI-FET na Tsatilakri – Midamikri. |
Dingana II | Endrika sy fitafy ary manao ity tononkalon’i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely ity Jesoa… O r’ilay Tsitoha Ianao dia ampy ahy, Ny fitiavanao, indro fa manaraka ahy Aminao indrindra, tsapako avokoa ! Izao rehetra izao… Eny azoko ny ilaiko (…) Ato anatiko ato, Ilay fonao sarobidy Sy ilay endrikao toa volamena Tsy misy maha-ory ahy O, tiako indrindra ianao ! Jesoa ! |
Dingana III | Endrika sy fitafy miaraka amin’ny famintinana sombin-tantara kelin’i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely araka izay tiany hanehoana azy fa tsy mihoatra ny 3 minitra |
Fomba fitsarana ny fifaninanana
- Alefan’ny Foibe Nasionaly ny vidéo Dingana telo karazany araka ireo tetiandro eo ambany ireo. Marihina fa izay tafiakatra no miseho amin’ny dingana manaraka.
- Amin’ny alalan’ny j’aime na j’adore no hitsarana ny fifaninanana.
- Ny 60 isan-jato avy amin’ny mpijery ary ny 40 isan-jato avy aty amin’ny Foibe Nasionaly
- Fifanintsanana Dingana 1 : izay 10 tsara indrindra no tafiakatra amin’ny Dingana faharoa
- Fifanintsanana Dingana 2 : izay 5 tsara indrindra no tafiakatra amin’ny Dingana faha 3
Toy izao ny tetiandro handefasan’ny Foibe Nasionaly ny fifaninanana ato amin’ny Pejy
Daty | Hetsika |
01 oktobra – 26 Oktobra | Fandefasan’ny mpandray anjara ny raki-tsary rehetra aty amin’ny Foibe Nasionaly |
27 Oktobra – 02 Novambra | Fifanintsanana dingana voalohany |
04 Novambra | Famoahana valin’ny lalao dingana voalohany |
05 – 11 Novambra | Fifanintsanana dingana faharoa |
13 Novambra | Famoahana valin’ny lalao dingana faharoa |
14 – 20 novambra | Fifanintsanana dingana fahatelo |
22 Novambra | Famoahana ny valin’ny fifaninanana |
LOKA : Mahazo loka miavaka ireo mpandresy telo voalohany
1- Fahafahana misafidy fitaovana ato amin’ny Foibe Nasionaly mitentina 60000 Ariary miaraka amin’ny loka « surprise »
2- Fahafahana misafidy fitaovana ato amin’ny Foibe Nasionaly mitentina 30000 Ariary miaraka amin’ny loka « surprise »
3- Fahafahana misafidy fitaovana ato amin’ny Foibe Nasionaly mitentina 20000 Ariary miaraka amin’ny loka « surprise »
Fanamarihana :
- Ny « vidéo » rehetra dia mijanona ho fananan’ny Foibe Nasionaly avokoa ary azony ampiasaina araka izay ilainy azy
- Tsy voatery ilay mpandray anjara no mandefa ny vidéo fa izay olona manao Facebook ka afaka mandefa izany ao amin’ny MP fa manaraka tsara ny toromarika voalaza.
- Raha mila fanazavana fanampiny dia azontsika atao ny miantso mivantana aty amin’ny Foibe Nasionaly ny Talata hatramin’ny Zoma Maraina : 9h-11h ; Tolakandro : 14h – 16h
- Ho avy tsy ho ela ny anjaranareo lehilahy amin’ny fetin’i Md Fransoa Xavier ka izao dia efa afaka miomankomana
Dia manantena ny fandraisantsika rehetra anjara.
Afitema
Ny Foibe Nasionaly