Kongresy Eokaristika sy fankalazana ny faha100 taona : tsy hotanterahina amin’ity taona ity !
TSATILAKRI !
Indro ampitaina amintsika ny fanapahan-kevitry ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara, nampitain’i Mgr Benjamin RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana.
« Tsy hotanterahina amin’ity taona ity ny Kongresy Eokaristika miaraka amin’ny faha-100 taonan’ny FET saika hatao tany Antsiranana. Amin’ny fivoriana manaraka no manapaka izay mety ho tohiny ».
Araka izany àry dia mazava ny fanapahan-kevitr’ireo Eveka Raiamandreny fa tsy ho tanterahina amin’ity taona ity ny Kongresy Eokaristika miaraka amin’ny faha 100 taonan’ny FET saika hotanterahinina any Antsiranana.
Mino sy manantena kosa anefa isika fa tsy havelan’Andriamanitra tsy hotanteraka ny fikasana tsara ao am-pontsika sy ny ezaka rehetra natao hatramin’izay, fa ho tanterahiny amin’ny fotoana efa voatendriny ; ary tsy misaraka amintsika i Masina Maria sy ireo Olomasina Mpiaro ny FET – Md François Xavier sy Mb Terezin’i Jesoa Zazakely – ary ireo Olomasina sy Olontsabatra malagasy.
Noho izany, dia mandray izao toromarika sy fepetra manaraka izao indray isika mandrapahatonga ny fanapahan-kevitra farany avy amin’ireo Eveka Raiamandreny :
Momba ny fisoratana anarana :
- Foana ny datin’ny fisoratana anarana izay voatondro teo aloha mahakasika ny Kongresy Eokaristika sy ny faha 100 taonan’ny FET saika hatao any Antsiranana.
- Ho an’izay efa nisoratra any amin’ny Diosezy misy azy avy kosa dia tolo-kevitra no omenay : dia ny hitazonana ny anaran’ireo ankizy izay efa nahavita izany, mba ho fitsinjovana ny fiomanan’izy ireo amin’ny fotoana manaraka. Amin’izay fotoana izay anefa dia hokendrena tsara izay fepetra sy ny fomba hahafahana manatanteraka izany.
- Tolo-kevitra ihany koa no ataonay ho an’ny Ekipa fototra manana vola tahiry iombonana natokana ho an’ny fihaonana any Antsiranana : azo atao ny mametraka izany any amin’ny Paositra « Tsinjo lavitra » na any amin’ny Caisse d’Epargne na koa amin’ireo Banky afaka ametrahana tahiry ahazoana zana-bola. Efa misy mantsy ireo nahita tombontsoa tamin’izany, ka soa fianatra.
- Ny saram-pisoratana anarana dia mbola tsy misy fiovana aloha hatreto fa mijanona ho amin’izay efa voatondro teo aloha ihany, araka ny Sampana misy.
- Hotohizina ny fanentanana ny mpikambana amin’ny fisoratana anarana, satria manantena isika fa tsy maintsy hisy ny Fihaonam-be hanamarihantsika ny Taon-jobily.
Fiomanam-panahy :
- Iaraha-mahalala fa ao anatin’ny Vavaka hasiviam-bolana isika amin’izao fotoana izao. Hotohizina hatrany io vavaka hasiviam-bolana io mandrapahatongan’ny volana Aogositra mamarana azy.
- Rehefa vita kosa ny vavaka hasiviam-bolana dia tohizina hatrany ny vavaky ny Taon-jobily noho ny faha 100 taonan’ny FET.
Maneho ny fisaorana sy fankasitrahana antsika tompon’andraikitra rehetra noho ny fahafoizan-tenantsika amin’ny fanabeazana sy fikarakarana ireo zanak’Andriamanitra omeny antsika. Izy Tompo anie hampamokatra hatrany ny asa sy ny fisasarantsika.
Miombom-bavaka hatrany miaraka amin’ireo Olomasina mpiaro antsika. Ho tahian’Andriamanitra daholo.
Ny Aomônie Nasiônaly
Odon Honoré ANDRIANARISOA SJ