Katesizin’i Papa Fransoa mikasika ny famindram-po
Ry rahalahy sy anabavy, nosokafana teny anivon’ireo katedraly isan- diosezy ny varavarana masina ny alahady 13 desambra farany teo, hahafahan’ireo maro an’isa miaina ny jôbilin’ny famindram-po ary mba ho taratry ny fitiavana sy ny famindram-pon’Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao ny Fiangonana.
Tsy tokony hijanona ho resabe fotsiny ny famindram-po sy ny famelana fa ho tanteraka eny anivon’ny fiainana isan’andro.
Tokony ho tia sy hamindra fo manahaka ny Ray tia sy mamindra fo isika ary hamoha midanadana ny varavaran’ny fontsika ho an’i Kristy, izay manentana antsika hitondra Azy eny amin’ny hafa.
Marika lehibe ho an’ny jôbily ihany koa ny fikaonfesena ny ota, satria, amin’ny alalan’io sakramenta mampihavana antsika amin’ny Ray io dia miantraika mivantana amin’ny tsirairay ny famindram-pon’Andriamanitra.
Ny fahazoantsika ny famelan’Andriamanitra ihany no hahafahantsika mamela ny hafa ihany koa.