Iza moa i Mgr RAKOTONDRAJAO Roger Victor Solo ?
« Ampy ho anao ny fahasoavako » 2Kor12.9
Nodimandry ny sabotsy 3 novambra teo amin’ny faha-58 taonany i Mgr RAKOTONDRAJAO Roger Victor Solo, evekan’i Mahajanga. Ny 11 aprily 2010 izy no napetraka tamin’ny Fiketrahana masina maha piandry ondrin’ny diosezy azy. Andraikitra nosahaniny teo anivon’ny Fivondronamben’ny Eveka ihany koa ny Justice et paix sy ny Aumônerie Catholique des prisons.
Niasa tany amin’ny diosezin’i Miarinarivo izy talohan’ny nanendrena azy ho eveka.
>>> Vakio ny Lakroan’i Madagasikara raha te hahafantatra misimisy kokoa.
Ny alahady 11 novambra no halevina ao amin’ny katedralin’i Mahajanga ny nofony.
Mandria am-piadanana Mgr.