Ireo fanontaniana tsara apetraka mandritry ny fandinihan-tena
Loharano : ZENIT
Taorian’ireo fanontaniana telo fanombohana dia miroso amin’ny lalina kokoa ny fandnihan-tena.
Hoy ny Tompo : “Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra”
Mirona mankany amin’Andriamanitra tokoa ny foko ? Tiako mihoatra ny zavatra rehetra izy ary hajaiko ny didiny ? Sao dia omeko vahana loatra eo amin’ny fiainako ny zava-mandalo ? Marina hatrany ve ny fikasako ?
Mafy orina ve ny finoako ? Moa ankatoaviko ireo fampianaran’ny Fiangonana ? Miezaka manamafy ny finoako amin’ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra, ny fianarana katesizy ary ny fanalavirana ireo zava-drehetra mety hamotika ny finoako ve aho ? Sahiko ny maneho an-kasahiana ny finoako an’Andriamanitra sy ny Fiangonana ? Hita taratra amin’ny fiainako andavanandro ny maha kristianina ahy ?
Mivavaka marain-tsy hariva ve aho ? Moa endrika ivelany fotsiny ihany ny fivavahako sa fifandraisana am-po marina amin’Andriamanitra ? Vitako ny nanolotra azy ny ahiahiko, ny hafaliako ary ny fijaliako ? Moa miantehitra aminy aho, indrindra rehefa misetra fakam-panahy ?
Moa manaja sy tia ny Anaramasin’Andriamanitra aho sa nanimbazimba azy tamin’ny fampianaran-diso, ny fijoroana ho vavolombelona tsy marina ary ny fanonononam-poana ny anarany ? Nanaja an’i Masina Maria sy ireo olo-masina ve aho ?
Hamasiniko ve ny andron’ny Tompo sy ireo fetin’ny Eglizy ka mavitrika sy mifantoka tsara aho mandritry ny fankalazana litorjika, indrindra fa ny lamesa masina ? Vitako ny tsy nanantanteraka ireo asa tsy maika mandritry ny fetin’ny Fiangonana ? Impiry isan-taona aho no mikonfesy ?
Moa misy “andriamanitra” hafa eo amin’ny fiainako ? Zavatra izay itokiako bebe kokoa noho izy Andriamanitra ?