Mba ho ao aminareo : hira fanevan’ny faha 100 taona !
Tsatilakri !
Indro atolotra antsika ny hira fanevan’ny fankalazana lany tamin’ny fifaninanana :
Efa azontsika hiraina avy hatrany izany.
Diôsezy 6 no nahatonga ny fifaninanana taty amin’ny Foibe Nasiônaly :
– Laharana voalohany: FET Diôsezin’Ambositra
– Laharana faharoa: FET Diôsezin’i Mahajanga
– Laharana fahatelo: FET Diôsezin’Antananarivo
Isaorana ireo mpandray anjara rehetra.
Isaorana antsika ihany koa ny fanapariahana ity hira faneva ity
Ho ela velona ao am-pontsika anie i Jesoa Kristy !
1. Dibo-kafaliana no misaotra Anao
Amin’izao fahasoavana izao
Faly izahay AFAFI sy FET
Fa mananao Anao Zoky mpanabe
Ianao Jesoa no Lalana arahina
Aina sy Famonjena ny Fivavahana
2. Asa am-bavaka e ny fiainanay ety
Atolotra anao Jesoa Kristy
Asa soa, asam-pamonjena koa
Asa am-pitiavana e ! Asa amin’ny fo
Ny andronay e ! ny hoavinay e !
Ankininay amin’izy Ray e !
3. Ombay ny Fanahy Masina e ! e !
Hanaja ny Fonao Masina e !e !
Mivavaha ho anay ry Masina Maria,
Hampita ny hafatra napetrak’i Kristy !
Finoana mafy orina : izany no tarigetra,
Mitory ny Evanjely amin’ny olon-drehetra
Fiv : Mba ho ao aminareo ny fifaliako
Hoy Ianao Jesoa Kristy
Hanaradia Anao no tiako,
Miaina ny Eokaristia
Fa soa e ! soa e !
Soa e ! Jesoa e !