Handray ny Lakroa JMJ Mada ny diosezin’Antananarivo

Taorian’ny JMJ Mada 8 notanterahina tany Fianarantsoa dia handray ny Lakroa JMJ Mada ny diosezin’Antananarivo ny zoma 27 janoary 2017.

Toa izao ny fandaharam-potoana :

  • 3ora : Fitsenana ny Lakroa eny amin’ny Wagon Ambalavao Ambatofotsy (Solotena 5 isaky ny Fikambanana Masina Nasionaly)

>>> Entina mamonjy ny Paroasy Md Zozefa Mahamasina izy avy eo

  • 6 ora – 6 ora30 : Procession fitondrana ny Lakroa mankeny amin’ny ôtely – Teny fandraisana sy Vavaka fohy
  • 7 ora : Lamesa (Litorjia: TAFIKA Diosezy + TAFIKA Mahamasina)
  • 09 ora alina – 6 ora maraina : Alimbavaka

Manentana antsika ary hiombom-bavaka !