Hafatry ny FFKM
Ho an’ny Kristianina sy ny vahoaka Malagasy,
“Meteza hampihavanina amin’Andriamanitra ianareo” (2 Kor 5 : 20b)
Ry havana,
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ilay Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina.
Ny FFKM dia manolotra ny arahaba ho antsika rehetra tratry ny Pentekosta 2017. Ary mampatsiahy ihany koa fa tsy nandao ny voahariny na oviana na oviana ny Tompo. Vanim-potoana mitondra anantenana vaovao hatrany ho an’ny mpino sy izao tontolo izao ny Pentekosta tamin’ny fanambarana lehibe nataon’i Jesoa Tompo hoe : “Fa hahazo hery ianareo rehefa hilatsahan’ny Fanahy Masina, ka ho vavolombelona hanambara Ahy eto Jerosalema sy eran’ny Jodea mbamin’ny Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany” (Asa 1,8) Diem.
1– Koa fotoana izao iantsoantsika ny Fanahy Masina mba hanala ny fatorana tsy mamela antsika hijoro amin’ny fahamarinana sy ho vavolombelon’i Kristy maty sy nitsangan-ko velona. Efa resiny izao tontolo izao ary efa nomeny antsika ny herin’ny Fanahy Masina hahazoantsika manatanteraka izany amin’ny finoana azy.
2– Manoloana ireo trangan-javatra mampahonena sy manala baraka ny firenentsika izay miseho amin’ny endriky ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly avo lenta sy ny tsy fanajàna aina (toy ny fitsarambahoaka tsy misy farany), dia tsapa fa tsy voahaja intsony ny soa toavina maha-malagasy sy maha-Kristianina ; tsy ny Fanahy Masina intsony no tsapa ho miasa fa toa fanahy ratsy mihitsy aza. Mampitamberina an-tsaina ny voalazan’i Jeremia Mpaminany hoe : “Tomany anao aho ry fireneko”, ary koa ilay voalazan’ny Salama faha-13 hoe : “Mihevitra ny adala fa tsy misy Andriamanitra, dia ny vahoaka no ataony sakafo”. Kanefa ny Fanahy Masina ihany no afaka mampahery antsika handà izay tsy araky ny sitrapon’Andriamanitra, ary mitaona antsika iaina marina amin’ny tena fahamasinana sy ny toetra tsara rehetra, araka ny voasoratra hoe : “Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky.” (Gal. 5,22) Diem.
3– Mahatsiaro manokana anareo tanora eto amin’ny firenena ary mankahery anareo mba tsy hiraviravy tanana, manoloana ny hasarotry ny fiainana, ny tsy fananana asa, sy ireo olana samihafa mitambaby eo an-damosinareo. Toa tsapa ankehitriny mihamanjavozavo ny faravodilanitry ny hoavinareo. Ny herin’ny Fanahy Masina anie hampahery anareo hatrany mba tsy horesin’ny hakiviana ianareo ary hiara-mandresy amin’i Jesoa Kristy ilay naniraka ny Fanahy Masina.
4– Am-pahamarinana no ilazàna fa tena marary mafy ny firenena ary mahatratra ny isam-pianakaviana, ny isam-piangonana, ireo manana andraikitra rehetra eto amin’ny firenena, ny malagasy tsirairay izany. Ny Fanahy Masina ihany no azo antenaina hitondra fanavaozana sy fanasitranana ho an’ny firenena, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe : “alefanao ny Fanahinao, dia àry indray ireo ka mihavao ny zavatra rehetra eto ambonin’ny tany” (Sal. 104, 30) Diem. Koa aoka samy hivavaka isika rehetra ho fahatanterahan’izany.
5. Miara-mahatsiaro ny faha-500 taonan’ny Reformasionina miaraka amin’ny Kristianina eran-tany isika eto Madagasikara. Koa ny Ffkm dia mankahery sy mivavaka hatrany handrosoan’ny fiombonana sy ny fiaraha-mijoro ho vavolombelon’ny Tompo eto anivon’izao tontolo izao ary ao anatin’izany koa dia miombom-po amam-panahy amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy isika rehetra noho ny Jobily faha-150 taonany.
Araka izany voatanisa izany, dia izao no fotoana hihainoana ny asa maherin’ny Fanahy Masina eo amin’ny Fiangonana sy eto amin’ny firenena.
Tonga ary ny fotoana ihainoana ny asa maherin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiangonany sy eto amin’ny firenentsika ialana amin’ireo zava-manahirana maro mangeja antsika. Izao ny antso lehibe atolotra antsika amin’ity Pentekosta ity : “Meteza hampihavanina amin’Andriamanitra ianareo”.
Ny olona vita fihavanana amin’Andriamanitra dia sahy mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana ao amin’i Jesoa Kristy izay namela ny helony sy namonjy azy ary nampanantena azy ny fiainana mandrakizay “Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” (2 Tim. 1 : 8a) Izany fanantenana lehibe izany dia miorina indrindra amin’ny fiverenan’ny Tompo amim-boninahitra.
Noho izany, ny fitiavan’Andriamanitra no hery mandresy izay sakantsakana rehetra, ka ao anatin’izany ny tahotra olona, amin’ny fahasahiana hijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana. “Tsy fanahy osa no noraisintsika avy amin’Andriamanitra fa fanahy mahery sy fitiavana ary fihononan-tena” izay mitondra fahaterahana vaovao, sy fihavaozana maharitra ho famonjena izay ao amin’ny Kristy Jesoa (2 Tim 1 : 7).
Izany fahaterahana vaovao izany izay miantso ny Kristianina rehetra hanaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba handalovany amin’ny fiainana hafa dia ny fahariana vaovao.
Manamafy hatrany ny Ffkm eo ambany fitarihan’ny filoham-piangonana efatra, fa ny fihavanan’ny olona amin’Andriamanitra ihany no mitondra fihavanana marina eo amin’ny olona samy olona. Koa dia mbola vaindohan-draharahany hatrany ny fampihavanam-pirenena araka ny 4F dia ny Fiaiken-keloka, ny Fibebahana, ny Fahamarinana, ny Fihavanana.
Koa mankahery sy mirary soa antsika rehetra sy ny tsirairay avy mba tsy hiraviravy tanana manoloana ny fahasarotam-piainana diavintsika.
Amin’ny anaran’ny FFKM Foibe
Ireo Filoham-piangonana
Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona (EKAR)
Past Dr Rakotonirina David (FLM)
Mgr Ranarivelo Samoela Jaona (EEM)
Irako Andriamahazosoa Ammi, mpitandrina (FJKM)