Hafatry ny birao maharitry ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara
Ry Malagasy mpiray tanindrazana,
Amin’izao fotoana ankatoky ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena izao, izay trangan-javatra lehibe iankinanan’ny ho avy sy ny fiainan’ny firenena amin’ny dimy taona manaraka, dia raisinay mpikambana ato amin’ny Birao maharitra ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara ho adidy ny manao antso avo ho fanamafisana ihany koa ny hafatra efa nataon’ny Evekan’I Madagasikara tamin’ny faha-22 novambra 2018 lasa teo.
Voalohany indrindra dia misaotra ny vahoaka Malagasy izay nandray anjara tamin’iny fihodinana voalohany iny ary indrindra ny fahaizana naneho fahendrena sy fahamatorana tamin’ny fandraisana tao anatin’ny filaminana ny vokam-pifidianana ka nahafahana niampitana tamin’izao fihodinana faharoa izao.
Efa fantantsika fa adidin’ny olom-pirenena tsirairay ny mifidy koa mbola manentana ny rehetra izay afaka manao izany mba handray anjara mavitrika amin’ny fihodinana faharoa izay hatao ny 19 desambra ho avy izao ary haneho safidy malalaka tokoa araka ny feon’ny fieritreretana.
Miantso ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny nomena fahefana hikarakara ny fifidianana any amin’ny ambaratonga rehetra any, hanao izay tratry ny ainy mba hampanjaka ny fahamarinana sy ny mangarahara amin’ny fikirakirana ny vokam-pifidianana hisehoan’ny tena safidin’ny vahoaka. Izany no antoka lehibe hanafoana ny ahiahy tsy hihavanana sy haha-marim-pototra ny fifidianana ka hitondra filaminana aorian’ny famoahana ny vokatra ofisialy.
Miantso anareo mpifaninana amin’izao fifidianana izao sy ireo mpomba azy avy izahay mba hampanjaka ny fihavanana sy ny fifanajana ary ho tony sy hilamina eo am-panatanterahana ny fifidianana fa indrindra eo am-piandrasana ny famoahana ny vokam-pifidianana ka hahay handray amim-panetren-tena ny tena safidin’ny vahoaka. Miara-miaiky isika rehetra fa tsy hitondra tombontsoa ho an’ny firenena sy ny vahoaka na oviana na oviana ny korontana fa vao mainka aza hampiditra antsika any amin’ny kizo mangitsokitsoka ary tsy mendrika an’izany ny vahoaka malagasy.
Na iza na iza ho voafidy eo dia izy no ho Filohan’ny vahoaka malagasy rehetra tsy ankanavaka ka aoka hijoro ho mpampihavana sy ho mpampiombona, hahay hiara-miasa amin’ny hery velona rehetra sy izay tsara sitra-po te hampandroso ny firenena.
Samy nilokaloka fa hampandroso marina ny firenena ianareo tamin’ny fampielezan-kevitra nataonareo koa aoka izay Filoha ho voafidy eo mba hanaja ny teny nomeny, ary tsy hikendry afa-tsy ny soa iombonana sy ny fampandrosoana ny firenena amin’ny lafiny rehetra, ahafahan’ny vahoaka tsivakivolo hivelona sy hiadam-pinaritra.
Mitaona antsika rehetra ary izahay mba hiray fo sy hiombom-bavaka, hametraka eo ambany fitantanan’Andriamanitra izao zava-dehibe atrehantsika izao. Ny hazavan’i Jesoa zazakely sy ny tsiokan’ny Fanahy Masina anie hanilo sy hanazava ny safidy masina izay hataontsika tsirairay.
I Masina Maria Virjiny, Mpanjakavavin’ny Fiadanana, Mpiaro voalohany an’i Madagasikara anie hiaro mandrakariva ny tanindrazantsika tsy ho resin’ny ratsy!
Eto ampamaranana àry, dia mirary antsika rehetra hankalaza am-pifaliana sy fiadanana ny fetin’ny Noely ary samy ho tratry ny taona vaovao 2019.
Natao teto Antananarivo anio alahady faha-16 desambra 2018.
Ny Birao maharitry ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara
Son Eminence le Cardinal Désiré TSARAHAZANA, Filohan’ny FEM.
Son Excellence Mgr Fabien RAHARILAMBONIAINA, Filoha lefitra.
Son Excellence Mgr Jean Claude RANDRIANARISOA, Sekretera Jeneraly.