FET madagasikara, 95 taona nanarahan-dia an’i Jesoa
Sendra tany lonaka ny mpamafy ka namoa arivo heny ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana sy ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora teto Madagasikara.
Voa nahazo tany lonaka ny Fivondronana eokaristikan’ny tanora
Niara-tonga tamin’ireo misiônera teto Madagasikara ny Aina sy famonjena ny fivavahana. Namaly ny hetahetam-pahamahasinan’ny malagasy izy. Voaloham-bokatra tamin’izany ry Victoire RASOAMANARIVO sy ry Frera RAFIRINGA. Marihina fa tao Andohalo no paroasy nikatrohan’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana voalohany ; tao Faravohitra kosa no najoro ny kroaze tamin’ny taona 1919.
Md Jacques Berthieu, ohatra velona ho an’ny FET malagasy
Pretra diôsezanina izy no voasarik’i P. Ramière sj mpampianatra Teôlôjia azy, noho ny amin’ny Aina sy famonjena ny fivavahana sy ny fitiavana manokana ny Fo Masin’i Jesoa, ka niditra ho Relijiozy Zezoita.
Nanampy azy tamin’ny fahamasinana izany taty aoriana rehefa nanao misiônera taty Madagasikara izy. Anisan’ny toetra nampiavaka an’i Md Jacques Berthieu ny :
– Fanajana ny Sakramenta masina : navitrika izy nitsaoka an’i Jesoa ao anaty Sakramenta masina (« adoration ») ary nijanona maharitra manoloana azy.
– Firaiketam‐po tamin’ny Masina Maria sy ny fanajana azy manokana….
Mandrakotra an’i Madagasikara manontolo ny FET
Taorian’ny nananganana ny kroaze dia niampy tsikelikely ireo taona nobeazina tato amin’ny FET : IK, VK, EKA, AFAFI. Nihanisandrahaka manerana ny nosy ihany koa izy ka ankehitriny dia ahitana FET avokoa ny diosezy 22 eto Madagasikara.
Anisan’ny mampiavaka antsika eto Madagasikara ny fananantsika EKA mikatroka eny anivon’ny oniversite sy ny toeram-pampianarana ambony.