Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – jona 2018
« Mba hanamafy ny firaisankina sy ny fanajana ny hafa ao anatin’ny fahasamihafana ny tambajotram-pifandraisana sosialy misy. »
Afantoky ny Papa Ray Masina amin’ny tambajotram-pifandraisana sosialy ny fangatahana iombonantsika aminy mandritra ny volana Jona. Ankehitriny mantsy dia miely hatraiza hatraiza ary efa zary fanantontoloana mihitsy ny firoboroboana sy ny fampiasana ny teknolojia moderna amin’ny fifandraisana amin’ny mpiara-belona. Vokatr’izany dia afaka mifandray tsy tapaka ao anatin’ny elanelana sy halavirana misy ny olombelona. Mampitombo ny fifandraisana ara-piaraha-monina sy eo amin’izao tontolo izao izany, ka toa zary mifanakaiky sy afaka mifampita vaovao avy hatrany ny rehetra. Raha tsy hiteny afatsy ny « finday » (téléphone portable) isika, fa io no azo lazaina ho maro mpampiasa eto amintsika, hatrany ambanivohitra any, dia tena manamora ny fampitam-vaovao tokoa ary mahavaha olana ao anatin’ny fotoana fohy ny fananana sy ny fampiasana azy ireny.
Ny Fiangonana, noho izy eo anivon’izao tontolo izao sy mamakivaky vanim-potoana samihafa, dia tsy afa-miala amin’ny zava-misy ateraky ny vanim-potoana lalovana. Anisan’izany ny tambajotram-pifandraisana sosialy ankehitriny izay mihazakazaka sy tsy mitsaha-mivoatra hatrany. Fitaovana sy sehatra iray lehibe ahafahana mitory ny Vaovao Mahafaly rahateo ny fandrosoana ara-teknolojia ka ilain’ny Fiangonana eo amin’ny fanatontosana ny iraka sahaniny. Amin’izany dia anokanan’ny Fiangonana andro iray mihitsy isan-taona hanamarihana ny « Andro eran-tany ho an’ny fifandraisan’ny mpiara-belona ». Anisan’ny fantatra sy misongadina ankehitriny ny « Vidéo du Pape » sy ny « Twitter » ary ireo tambajotram-pifandraisana samihafa ampiasain’ny Fiangonana ampielezany ireo hafatra sy fampianarana ataony ho antsika kristianina sy ho an’ny olona rehetra tsy ankanavaka.
Na dia eo aza izany tombony lehibe amin’ny fampiasana ny tambajotram-pifandraisana moderna izany dia tsy vitsy ihany koa no mampiasa azy ireny ho fitaovana entina hamotehana na hanimbana ny hafa. Firifiry koa moa ny tsaho sy ny ady, ny fifandirana sy fankahalana, ny fifanalam-baraka aely sy aparitaka amin’ireny tambajotra seraseara ireny, ka zary manakorontana ny fiainam-bahoaka, hatramin’ny fifankatiavan’ny mpivady sy ny fiainam-pianakaviana mihitsy aza. Toy izay ho fitaovana hanamafisana ny fihavanana sy ny firaisankina, ho fanajana ny hafa, dia manjary manapotika sy manimba ny fiaraha-monina, eny fa hatramin’ny fiainam-piangonana mihitsy aza, noho ny tsy fahaizana mandanjalanja ny fampiasana sy ny mety vokatra aterak’izany. Indraindray dia toa ny namana lavitra sy tsy mbola hitan’ny maso velively no omen-danja sy mahafaly, fa ny mpianakavy ao an-trano sy ny havana akaiky ary ny manodidina toa hadino sy tsy raharahiana akory fa variana manao « Facebook » na mijery zavatra hafa tsy mahasoa akory.
Ny Papa Ray Masina, amin’ny hafatra sy ny fampianarana ataony, dia manatitrantitra amin’ireo mikirakira sy mpampiasa ireny tambajotram-pifandraisana sosialy ireny hikatsaka sy hitandro mandrakariva ny soatoavina sy ny fitsipika mifehy azy ireny amin’ny fikarohana izay ataony. Mampirisika ny Fiangonana ihany koa izy handray anjara mavitrika ao amin’ny tambajotram-pifandraisana eo amin’ny tontolo nomerika ho fampielezana sy ho fitoriana ny Vaovao Mahafaly, ka hanjary fitaovana hanamafisana ny firaisankina sy hanajana ny hafa ao anatin’ny fahasamihafana.
Aoka àry isika hiezaka sy handanjalanja hatrany amin’ny fampiasantsika ireny tambajotram-pifandraisana samihafa ireny mba ho zary fitaovana mampiray sy mampifankatia hatrany ary ho fitaovana mahomby itoriana ny Vaovao Mahafaly.