Fangatahana ampanaovin’ny Papa – septambra 2018
« Mba ho afaka misitraka ny fanabeazana aroso sy ny asa misy ao amin’ny Fireneny ireo tanora maro aty amin’ny kaontinanta Afrikana ».
Raha ny salan’isan’ny mponina aty amin’ny Firenena Afrikana no jerena dia ny tanora no maro an’isa. Midika izany fa tanora kokoa ny mponina aty Afrika sy Madagasikara, amin’ny ankapobeny, raha miohatra amin’ireo any amin’ny kaontinanta sasany toa an’i Eoropa. Anisan’ny iankinan’ny ho avin’ny Firenena iray ny maha tanora ny mponina ao aminy noho izy ireo manana ny hery sy tanjaka ho enti-miasa mampandroso ny Firenena misy azy.
Mba ho azo antoka anefa ny ho avin’ny tanora iray sy ny Firenana manontolo, dia ny fanabeazana aloha no tsy maintsy ho mafy orina sy marim-pototra. Ny fanabeazana mantsy no mamolavola ny olona iray ho tonga olom-banona manam-panahy, hiasa sy hanasoa ny namana, hampandroso ny Firenena iray manontolo. Mavesa-danja tokoa ny fanabeazana eo amin’ny fiainan’ny olombelona sady mitombo hatrany ny ilàna azy eo amin’ny fivoaran’ny fiaraha-monina ankehitriny. Noho izany, hatraiza hatraiza dia ezahina hampiroboroboina hatrany ny fanabeazana. « Manana zo hobeazina sy hampianarina ny olon-drehetra tsy ankanavaka, na inona na inona firazanany na inona toetrany », hoy ny Konsily Vatikana II (Fanambarana momba ny Fanabeazana Kristianina).
Tsy ny fanabeazana ihany anefa no iankinan’ny fampivoarana ny fiainan’ny olombelona sy ny fiaraha-monina misy azy fa eo ihany koa ny fananana asa. Hoy mantsy ny Fampianarana sosialin’ny Fiangonana : « Maneho lafiny iray manan-danja eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona ny asa fivelomana, satria fandraisany anjara, tsy hoe amin’ny asa fahariana ihany fa amin’ny asa fanavotana ihany koa ». I Paoly Apostoly moa dia mampirisika ny olon-drehetra « hirehareha fa miasa amin’ny tanany mivantana, mba tsy hiankin-doha na amin’iza na amin’iza » (I Tes 4, 11-12). « Izay tsy miasa aoka izy tsy hihinana ». Koa adidy ny miasa. Zava-manan-kasina ny asa, koa tsy azo anaovana mosalahy.
Manoloana izany indrindra anefa, raha ny zava-misy aty Afrika, eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny asa no jerena sy dinihina dia azo lazaina fa mandalo fotoan-tsarotra tokoa, indrindra ny eto amin’ny firenentsika. Maro ny tanora no tsy ampy fanabeazana sy tsy mahavita fianarana. Vitsy dia vitsy no mba tonga any amin’ny ambaratonga ambony. Ireo mahavita fianarana indray aza tsy mahita asa hatao, na tsy mifanaraka akory amin’ny asa ataony ny fianarana vitany. Maro ny antony mahatonga izany ; eo ny fahantran’ny Firenena fa eo ihany koa ny tsy faharahan’ny ray aman-dreny ny zava-misy iainan’ny ankizy sy ny tanora ankehitriny, ka maha goragora ny fanabeazana. Tsy ampy ny fitsinjovana ny tanora eo amin’ny sehatry ny famoronana asa.
Tsikaritra sy tsinjon’ny Papa François izany fahasahiranana mianjady amin’ny tanora Afrikanina izany ka anentanany antsika ny fitrotroana izany am-bavaka isan’andro amin’ny Fanolorana ny andro ataontsika. Eo am-pizorana mankany amin’ny sinaodan’ny Eveka eran-tany momba ny tanora rahateo isika ankehitriny no sady miomana ihany koa amin’ny JMJ iraisam-pirenena hatao any Panama, ka mitrotro am-bavaka ny tanora.