Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – oktobra 2020
Mba ho afaka mandray anjara bebe kokoa amin’ny fitantanana ny Eglizy anie ny lahika, indrindra ny vehivavy noho ny hasin’ny batemy.
Vao tsy ela akory fa tamin’ny Alahady 27 septambra teo isika no nankalaza ny andron’ny Lahika maneran-tany ato anatin’ny Eglizy katolika, izay anentanana sy ampahatsiarovana isan-taona ny adidy aman’andraikatra manandrify ny lahika amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Mandritra izao volana oktobra izao àry dia mitodika bebe kokoa amin’ izay fandraisana andraikitry ny lahika eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny Eglizy izay ny fangatahana ampanaovin’ny Papa ao amin’ny Tambajotram-pivavahany amin’ny vavaka Fanolorana ny andro. Izao volana oktobra izao rahateo dia volana natokana ho an’ny misiona isan-taona, ka mandrisika sy manentana ny vita batemy rehetra hitozo amin’ny asa sy ny fitoriana mifandraika amin’ny maha kristianina.
Araka ny fampianaran’ny Eglizy ao amin’ny konsily Vatikana II, dia « tsy azo foanana ao amin’ny Eglizy ny asa famonjena ataon’ny kristianina lahika, fa avy amin’ny fiantsoan’Andriamanitra maha kristianina azy ». Hita mazava ao amin’ny Soratra Masina (jereo Asa 11, 19-21 ; Ro 16, 1-16) fa efa hatramin’ny fiandohan’ny Eglizy ny kristianina lahika no nikatroka an-tsitrapo tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ny fanaovana asam-pamonjena ary nahavokatra be tokoa. Nisy tamin’izy ireny vehivavy tsara laza sady masim-piainana, toa an-dry Dorkasy sy ry Prisila. Tsy latsa-danja noho ny tamin’izany no ilàna ny zotom-pon’ny kristianina lahika amin’izao androntsika izao, fa ny zava-mitranga ankehitriny dia vao mainka aza mitaky fijoroana sy fandraisana andraikitra misimisy kokoa, tsy eo anivon’ny fiaraha-monina na ny Firenena ihany fa eo amin’ny fitantanana ny fiainam-piangonana ihany koa. Ny lahika rahateo no azo lazaina ho taninketsan’ny fiantsoan’Andriamanitra ; ka na pretra na relijiozy dia samy avy ao amin’ny kristianina lahika avokoa no nipoirana sy niandohana.
Fanampin’izany, amin’ny faritra na diosezy maro dia mbola vitsy ny Pretra, ka raha tsy misy ny asa ataon’ny lahika, dia sarotra amin’ny Fiangonana no hijoro sy hiasa. Amin’ny Fiangonana maro aza, ankehitriny, dia tena mirotsaka an-tsehatra mihitsy ny vehivavy amin’ny fitantanana ny Fiangonana, toy ny katesista an-tsitrapo izany, mpitarika APV, mpampianatra katesizy, mpitarika Fikambanana Masina. Raha tsy hijery afa tsy ny eto amintsika eto Madagasikara, ohatra, dia saika ny vehivavy aza ankehitriny no maro an’isa amin’ny fandraisana andraikitra ao am-piangonana.
Ny Konsily Vatikana II ihany no milaza fa « manana anjara amin’ny raharaha nanirahana ny Eglizy ny kristianina lahika. Ny asam-pamonjena ataon’ny lahika dia ny hanitatra ny fanjakan’Andriamanitra sy handavorary ny olombelona » (Sori-dalana momba ny asam-pamonjena ataon’ny Lahika). Fa ny kristianina lahika, noho ny Batemy noraisiny, dia nomena anjara amin’ny maha-mpisorona sy mpaminany ary mpanjaka an’i Kristy, ka miantsoroka ny tandrify azy amin’ny raharaha nanirahana ny vahoakan’Andriamanitra manontolo, ao amin’ny Eglizy sy eo amin’izao tontolo izao.
Iray amin’ireo fanamby lehibe atrehin’ny Eglizy amin’izao fotoana izao ny fanentanana sy ny fampaherezana ny mpino vita batemy ny fampandraisan’ny tsirairay andraikitra amin’ny iraka tontosain’ny Eglizy. Fa hoy ny Papa Fransoa : « Ny hoavin’ny Fiangonana, manoloana izao fiaraha-monina miovaova haingana izao, dia mitaky fandraisana andraikitra mavitrika kokoa avy amin’ny Lahika ».
Fa manamafy ny andraikitra manandrify ny vehivavy amin’ny fitantanana ny Fiangonana ihany koa ny anjara toeran’i Masina Maria tao amin’ny tantaram-panavotana. Hita miharihary izany tamin’ny fanekeny ny sitrapon’Andriamanitra ka nahatanteraka ny fanavotana antsika olombelona : « Inty aho ankizivavin’ny Tompo, anie hotanteraka aminko araka ny teninao » (Lioka 1, 26-28). Toraka izany koa ny fanelanelanana nataon’i Masina Maria tamin’i Jesoa, tao amin’ny fampakaram-bady tany Kanà, ka nahitany izay tsy ampy tao amin’ny fampakarana. Ary mbola itarafantsika izany koa ny fanankinan’i Jesoa ny Fiangonana tamin’i Masina Maria teo am-pototry ny hazofijaliana, ny fiaraha-mivavaka sy mivory tamin’ny Fiangonana voalohany ka nandraisan’izy ireo ny Fanahy Masina. Toa milaza izany rehetra izany fa mahita lafin-javatra amin’ny antsipiriany amin’izay tsy ampy sy mahasoa amin’ny fitantanana ny vehivavy, tsy ao an-tokatrano ihany fa ao amin’ny Fiangonana Fianakavian’Andriamanitra mihitsy. Koa mazava ny fangatahana anentanan’ny Papa antsika amin’ny fandraisana andraikitry ny lahika eo anivon’ny Fiangonana, indrindra fa ny vehivavy.
Narisoa sj