Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – jona 2020
Mba hanaiky hotohinin’i Fon’i Jesoa anie ireo mijaly ka hahita ny Lalan’ny fiainana.
Entanin’ny Papa Ray Masina indray isika mandritra ity volana ity amin’ny fanolorana ny andro ataontsika isan’andro hitrotro am-bavaka ireo rehetra mijaly. Tsy zoviana amintsika intsony moa ny fijaliana mihatra amin’ny zanak’olombelona ankehitriny, indrindra amin’izao fielezan’ny valan’aretina mamotika ny ain’olona maro izao.
Fa inona moa ny fijaliana ? Ny fijaliana dia endrika iray isehoan’ny fiainana maha voafetra ny olombelona ka mety mitarika azy amin’ny fahafatesana. Azo ambara anefa fa ny fahotana na ny tsy faneken’ny olombelona ny sitrapon’Andriamanitra sy ny didy napetrany no fototra niavian’ny fijaliana teto an-tany. Noho izany, tsy avy amin’Andriamanitra.
Miseho amin’ny endrika maro ny fijaliana mahazo ny olombelona : ao ireo mijaly ara-tsaina, vokatry ny fahasarotan’ny fiainana na noho ny toe-java-misy manokana teo amin’ny fiainany angamba ; ao ireo mijaly ara-batana, noho ny aretina mikiky na noho ny hanoanana na koa vokatry heraketrak’olombelona tsotra izao ; fa ao koa ireo mijaly ara-panahy satria manalavitra na tsy miraharaha an’Andriamanitra angamba ny fony, na koa noho ny tsy fahampian’ny finoana. Saika fahita eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika daholo izany ankehitriny.
Ny Papa Fransoa dia milaza matetika amin’ny fampianarana na lahateny ataony fa endri-piainana tsy afaka amin’ny maha olombelona ny fijaliana fa arakaraka ny fahaizana mandray sy mizaka azy am-pitoniana no mahamaivana azy, indrindra hoy izy, raha fijaliana aorina ao amin’i Kristy. Tsapa ary hitantsika ombieny ombieny ny fanentanan’ny Papa antsika kristianina sy ny tsara sitrapo rehetra amin’ny fiarovana sy fanampiana ireo ianjadiam-pahoriana sy vesaram-pijaliana izay miseho amin’ny fomba maro samihafa ankehitriny ; fa indrindra ny fitrotroana azy ireny am-bavaka.
Ao anatin’ny volan’ny Fo Masin’i Jesoa rahateo isika izao. Tokony hampitodika antsika bebe kokoa amin’Andriamanitra, amin’ny Fon’i Jesoa mirehi-pitiavana ny olombelona ny zava-misy sy ny fijaliana mianjady amin’izao tontolo izao manoloana ity areti-mandoza covd19 ity. Eny fa na inona na inona karazam-pijalina mihatra sy mianjady amin’ny isam-batan’olona ; fa misy kosa anefa ireo izay tena mizaka ny tsy eran’ny aina amin’ny fijaliana mihatra aminy. Ilaina ny manaiky ho tohinin’ny Fon’i Jesoa. Ohatra ho antsika no nataon’ilay vehivavy nitsidrà nanatona an’i Jesoa: « Na dia ny morotongotr’akanjony fotsiny aza no voakasiko dia ho sitrana aho, hoy izy ». Fa i Jesoa ihany no nilaza hoe : « Mankanesa aty amiko ianareo izay mitondra fahahoriana sy vesaram-pijaliana fa hanamaivana anareo Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo » (Mt 11, 29). Fa na dia Andriamanitra aza i Jesoa dia nietry tena ho olombelona mitovy amintsika, nanaiky ny fijaliana. Ambaran’i Jesoa fa ao amin’ny Fijaliana sy ny fahafatesana no tsy maintsy hanatanterahany ny Iraka nampanaovina azy. Tsy maintsy nandalo tamin’izany mihitsy Izy. Tsy maintsy manatanteraka ny sitrapon’ny Ray Izy. « Ny haniko dia ny manatanteraka ny sitrapon’ny Raiko ». Fa ny Fitsanganan-ko velona no setrin’ny Fijaliana sy ny Fahafatesana. I Kristy no Lalana sy Fahamariana mitondra mankamin’ny tena Fiainana.
Narisoa sj