Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – aogositra 2020
Ho an’ireo rehetra miasa sy mivelona amin’ny ranomasina, anisan’izany ny tantsambo, ny mpanjono sy ny fianakaviany
Toy ny fanaony isan-taona, dia manoratra hafatra ho an’ireo mpino katolika miasa amin’ny sambo sy mivelona amin’ny ranomasina ny Papa Fransoa, mba ho fankaherezana sy ho fanampiana azy ireo ara-torohevitra. Tsy vitsy tamin’ireo tantsambo sy mpiantsehatra amin’ny ranomasina tokoa mantsy no voatery nandao ny asany noho ny fihanaky ny valan’aretina corona virus. Teo anatrehan’izany dia nankahery sy nisaotra azy ireny tamin’ny alalan’ny fahitalavitra ny Papa Fransoa..
Nambaran’ny Papa Fransoa àry fa fantany tsara ny fahasarotan’ny asan’izy ireo, indrindra tato anatin’ny volana vitsivitsy izay, noho ny krizy ara-pahasalamana, eo koa ny loza aterak’ity asa ity ary ny fiaretana ny sedra isankarazany mandritra ny fanatanterahana ny asa. Nisaotra sy nankahery ny azy ireo ny Papa noho ny fizakan’izy ireo ity « enta-mavesatra » ity mba hanohizana ny famatsiana entana ilain’ny vahoaka sahirana.
Hoy indrindra ny Papa tamin’ny hafatra nataony ho an’ireo tantsambo sy ireo rehetra mivelona amin’ny ranomasina ; « Ny asanareo any an-dranomasina, hoy izy, dia mazàna mampanalavitra anareo amin’ny hafa, fa ianareo kosa dia manakaiky ahy amin’ny eritreritro sy ny vavaka ataoko ». « Ny Evanjely mihitsy no mampahatsiahy antsika [io fifanakekezana io] raha milaza amintsika ny momba an’i Jesoa sy ireo mpianany voalohany, izay mpanarato », hoy hatrany izy nanamarika. Ny Papa amin’ny maha Filohan’ny Eglizy katôlika azy, dia nankahery sy namporisika ny tantsambo sy ireo rehetra miara-miasa amin’izy ireo, amin’ny sehatra pastoraly, ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ireo mpiasa an-dranomasina.
Ny mpanjono matihanina dia tsy tokony ho diso fanantenana manoloana ny tsy fahombiazana atrehin’izy ireo, hoy ny Papa teo anatrehan’ny solontenan’izy ireo..
Ireo mivelona amin’ny ranomasina amin’ny alalan’ny jono, ny sambo mpanamboatra sy mpitantitra ary mpanondrana entana, ireo amin’ny sehatry ny fizahan-tany, ny tafika, dia maneho ny zava-misy sy ny anjara toeran’ny hasarobidin’ny asa an-dranomasina. Koa ny kendren’ny fangatahana ampanaovin’ny Papa antsika vita Batemy sy tsara sitrapo àry amin’ity volana ity dia ny hitondrantsika am-bavaka ireo tantsambo ireo, ny mpanarato ary koa ny fianakaviany.
Araka ny fandinihana ataon’ny mpamakafaka mantsy dia ny 90% n’ny fifanakalozana ara-barotra maneran-tany dia ny fitaterana an-dranomasina no misahana azy. Misy fitenenana manao hoe : ny ranomasina no mampanonofinofy, fa ny fiainan’ny tantsambo kosa dia mafy. Tsy mafy ho azy ireo ihany anefa, fa mafy hoan’ny fianakaviany ihany koa, indrindra eo am-piandrasana ny fiverenan’ny havan-tiany. Eo anatrehan’ izao coronavirus izao, mihasarotra sy miharatsy hatrany ny toerana misy azy ireo. Nitodika tamin’izy ireo ny Papa, tamin’ny 17 Jona lasa teo, naneho ny fangorahany sy nankahery. Manasa sy manentana antsika ihany koa izy hivavaka ho azy ireny, fa asa sy andraikitra lehibe iankinan’ny fiainan’ny zanak’olombelona no iantsorohany.