Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – aogositra 2018
“ Mba ho arovan’ny fanapahan-kevitra ara-toekarena sy ara-politika ny fiainam-pianakaviana izay harena sarobidy ho an’ny zanak’olombelona”.
Araka ny lahatra sy ny fandaharan’Andriamanitra dia sehatra voalohany manampy ny olona ho mendrika ny maha-olona azy ny fianakaviana, ary manampy ny fiaraha-monina ho mendrika ny maha-olona ny olona. Imbetsaka no asongadin’ny Soratra Masina ny lanjan’ny fianakaviana, na ho an’ny tsirairay na ho an’ny fiaraha-monina. Voatsodranon’Andriamanitra hatramin’ny nahariana izao tontolo izao manko ny fiainam-pianakaviana tamin’ny alalan’ireo Raiamandreny voalohany, Adama sy Eva. « Miteraha maro, mitomboa ary mamenoa ny tany » (Jen 1, 28)..
Harena sarobidy ho an’ny zanak’olombelona sy izao tontolo izao tokoa ny fiainam-pianakaviana satria avy ao amin’ny fianakaviana no ipoiran’ireo mpitondra isan-tokony, na eo anivon’ny Firenena izany na eo anivon’ny Fiangonana. Ny fianakaviana no azo lazaina fa loharano sy fototra iorenan’ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona sy ho olo-masin’ny Fiangonana. Ny « Fampianaran’ny Fiangonana momba ny sosialy » sy ny Konsily Vatikana faharoa dia samy manindraindra ny fahamboniana sy ny hasin’ny Fianakavina. « Fa nasandratr’Andriamanitra ambony ny fianakaviana tamin’ny nahatonavan’Ilay Zanak’Andriamanitra ho Olombelona ka nonenany tao anivon’ny Fianakaviana Masina… Teraka ary niaina teo anivona fianakaviana hita maso i Jesoa, araka izay endrika rehetra maha-fianakaviana ny fianakaviana » (Fampianarana sosialin’ny Fiangonana, fiz. 2, toko 5). Toraka izany, ny Papa François dia nanao lahateny sy hafatra miezinezina ho fiarovana ny fianakaviana : « Ny Fianakaviana, hoy izy, no kitro ifaharan’ny maha-olona ny olona manontolo, ary ny olona tsirairay dia manan-jo hanana fianakaviana mendrika sy sahaza azy ». « Ny fianakaviana no mpandray anjara fototra ao anatin’ny fiaraha-monina sy ny kolotsaina mbamin’ny ara-politika. Noho izany tsy misy mahasolo ny andraikitry ny fianakaviana na eo amin’ny fiainam-pirenena na eo amin’ny fiainam-piangonana ».
Ankehitriny anefa dia toa mihavery na mihen-danja ny soatoavina maha fianakaviana ny fianakaviana. Tsapa sy hita izany na amin’ny firenena manankarena na amin’ny firenena mahantra toa an’i Madagasikara. Izany dia mety ho vokatry ny fanatontoloana sy ny fandrosoana tsy voafehy sy tsy voalanjalanja intsony, ka miantraika any amin’ny fiainam-pianakaviana. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fitsinjovana manokana atao amin’ny isam-pianakavina, toraka izany koa ny tsy fisian’ny politika na paik’ady mazava entina miaro sy manandratra ny fiainam-pianakavina izay antoky ny fampivoarana sy ny fiaraha-monina mirindra raha toa ka atao laharampahamehana izany.
Araka izany àry dia manana anjara toerana manokana eo amin’ny fiahiana sy fanabeazana ny ankohonana ny fianakaviana izay antoky ny fampandrosoana ny firenena. Noho izany manan-jo feno harovana manokana eo amin’ny fiaraha-mionina misy azy, na amin’ny sehatra ara-toa-karena izany na ara-politika raha tiana ny hisian’ny tena fampandrosoana marina sy fiainana mirindra araka ny tanjona naharian’Andriamanaitra azy hatrany am-piandohana. Toraka izany koa, ny fianakaviana dia manana adidy manokana manoloana ny fiaraha-monina misy azy.