Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – jolay 2020
Mba ho voatantana am-pitiavana sy am-panajana ary hahazo ny torohevitra ilainy anie ny fianakaviana amin’izao androntsika izao
Nandritra ny taon-jato maro, hatramin’izao androntsika izao, dia tsy nitsahatra namoaka fampianarana mivoatra lalandava sy marin-toerana momba ny fianakaviana ny Fiangonana. Anisan’ny tena manaitra amin’ireny dia izay voatolotry ny Konsily Vatikana faharoa ao amin’ny Foto-pampianaram-pinoan’ny Fiangonana momba ny fitantanana ny Fiangonana (Gaudium et Spes), momba ny tokony hampiroboroboana ny hasin’ny fianakaviana, tonga hatramin’ny famahavahana ny lanjany sy ny vontoatiny ho fampijiroana araka ny tokony ho izy ny fiarahamonina :
Ambaran’ny Konsily mantsy fa « Ny fianakaviana dia ambohim-pihaonan’ny taranaka maro izay mifanampy mba hahazoana fahendrena mivelatra hatrany ary mba handrindrana ny zon’ny olona tsirairay avy, miaraka amin’izay takian’ny fiainana miara-monina, izay mahatonga azy ho fototra iorenan’ny fiarahamonina (GS 52)
Ny fianakaviana no azo lazaina fa loharano sy fototra iorenan ‘ny fanabezana ho olom-pirenena vanona sy ho olo-masin’ny Fiangonana. Ny « Fampanaran’ny Fiangonana momba ny sosialy » sy ny Konsily Vatikana faharoa dia samy manindrahindra ny fahamboniana sy ny hasin’ny fianakaviana. « Fa nasandratr’Andriamanitra ambony ny fianakaviana tamin’ny nahatongavan’Ilay Zanak’Andriamanitra ho olombelona ka nonenany tao amin’ny Fianakaviana Masina… Teraka ary niaina teo anivona fianakaviana hita maso i Jesoa, araka izay endrika rehetra maha fianakaviana ny fianakaviana » (Fampianarana sosialin’ny Fiangonana, fiz.2, toko 5).
Toraka izany ny Papa François, dia nanao lahateny sy hafatra miezinezina ho fiarovana ny fianakaviana : « Ny fianakaviana, hoy izy, no kitro ifaharan’ny maha olona ny olona manobtolo, ary ny olona tsirairay dia manan-jo hanana fianakavianaona mendrika sy sahaza azy. Ny fianakaviana, hoy hatrany ny Papa, no mpandray anjara fototra ao anatin’ny fiarahamonina sy ny kolontsaina mbamin’ny ara-politika. Noho izany, tsy misy mahasolo ny andraikitry ny fianakaviana, na eo amin’ny fiainam-pirenena na eo amin’ny fiainam-piangonana ».
Ankehitriny dia toa mihavery sy mihen-danja ny soatoavina maha fianakaviana ny fianakaviana. Tsapa sy hita izany na amin’ny firenena manan-karena na amin’ny firenena mahantra toa an’i Madagasikara. Izany dia mety ho vokatry ny fanatontoloana sy ny fandrosoana tsy voalanjalanja intsony, na koa noho ny fahantrana diso tafahoatra, ka miantraika any amin’ny fiainam-pianakaviana.