Fampihavanam-pirenena : mila mazava tsara ny resaka hoy ny CEM
Nanoratra taratasy ho an’izy efatra mirahalahy filoha FFKM ny Fivondronam-ben’ny Evekan’i Madagasikara (CEM).
Ambaran’izy ireo fa maro ny zavatra mahalasa eritreritra satria toa mifangaro be loatra :
1- Eo amin’ny fampihavanana atao dia toa resaka politika no misongadina matetika. Izao tokoa ve ny fotoana ampidirana ny raharaha politika ary anjaran’ny FFKM ve ny mandinika izany ? Nahoana moa raha atao fanta-bahoaka tsara ireo Tanjona Fampihavanana imasoan’ny FFKM ? Marina efa mazava ny 4 F nefa iza marina no ampihavanina ?
2- Mitovy ve ny isan’ireo solontenan’ny Fiangonana tsirairay manatrika izao fihaonambe izao ? Misy fepetra ve mikasika azy io ? Raha misy tsara lazaina mazava ho fantatry ny rehetra ?
3- Tsara ny fandraisana antanana nefa tampoka loatra ny resaka 200 000 Ar ka sarotra ny ahitana azy eo no eo amin’izao maitso ahitra izao fa indrindra ho an’ny tantsaha. Izy ireo anefa ny vahoaka maro an’isa ary tena tompon’ny fampihavanana.
Hanao ny Fihaonambeny ny 5 hatramin’ny 14 mey 2015 ny CEM, ka anisan’ny tafiditra amin’ny fandaharam-potoana ny dinika momba ny Raharaham-pirenena, indrindra ny resaka Fampihavanam-pirenena.
Tsidiho ny soirmada.wordpress.com raha hamaky manontolo ny taratasy ianao.