Fampiasam-panahy : herinandro fahatelo sy fahaefatra
Fanohizana ny Fibanjinana ny Misterin’ny fiainan’i Kristy ny Herinandro fahatelo izay ibanjinana ny Fijalian’i Jesoa Kristy Tompo : manomboka eo amin’ny Sakafo farany tamin’ny Alakamisy Masina, ka hatramin’i Jesoa nalevina. Fandalinana ny safidy noraisina, anamarinana raha mafy orina izy, manoloana ny fitsapana sy ny fijaliana.
Fibanjinana an’i Kristy nitsangan-ko velona kosa ny Herinandro fahaefatra : manomboka amin’ilay maraina vaovaon’ny Paka, ka hatramin’ny Pantekôty nidinan’ny Fanahy Masina. Ny hanaraka an’i Kristy hatramin’ny farany no tanjona ary handray anjara feno amin’ny fijaliany sy ny hafaliany tafatsangan-ko velona. Mandray ny hafaliana avy amin’Ilay Velona, sy manovo fitiavana miredareda avy Aminy, mba ho enti-mirotsaka amin’ny seha-piainana anirahan’ny Tompo.
Ny Fifandraisan’ny Herinandro fahatelo sy hafaefatra amin’ny Dingana III n’ny EKA
Ny Dingana fahatelo na ny Fanoloran-tena amin’i Kristy dia mifandray tsara amin’ny Herinandro fahatelo sy fahaefatra ao amin’ny Fampiasam-panahy. Amin’izay ny EKA dia olona afa-mandalina ny fitiavan’ny Tompo azy, olona tapa-kevitra ny hirotsaka sy handray fepetra hoentiny mampifanaraka ny fiainana amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ho lasa fahazarana ho azy ny manombana ny zavatra rehetra araka ny sitrak’Andriamanitra, ny mandanjalanja ny zava-misy sy ny fiainany ao anatin’ny vinavinan’Andriamanitra.
Sady mibanjina no mirotsaka
Ny Fampiasam-panahy dia tsy natao hahavariana mibanjina ny lanitra fotsiny, fa natao hanomana indrindra ho maimay hirotsaka tsy misy hatak’andro eo amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly.
Tsy misaraka anefa ny Fibanjinana sy ny asa, ny vavaka sy ny firotsahana : fa ny vavaka fibanjinana manilo ny asa irotsahana ary ny asa irotsahana no fanoitra sy sedran’ny vavaka. Tsy misy asa tsy azo atao vavaka ; nefa koa tsy hisy asa hamokatra raha tsy velomin’ny vavaka anokanam-potoana mihitsy. Fa raha asa tsy velomim-bavaka dia hatsatso.
Ny Fampiasam-panahy dia lalana iray handravana ny fakam-panahy mananontanona lava, dia ny fanasarahana ny finoana sy ny fiainana, ary lalana marina hampiraisana ny fiainana, dia ny vavaka sy ny asa, ny fibanjinana sy ny firotsahana.