Admin

Articles de cet auteur

Kongresy eokaristika 2020 : vavaka hasiviam-bolana, febroary sy marsa

Toy izao indray àry ny Taridalana ho an’ny Vavaka hasiviam-bolana mandritra ny volana Febroary sy Marsa 2020 izao. Ny Dingana fahatelo sy fahefatra ao amin’ny « Lalan’ny Fo » no hodinihina sy hiainana ary hifampizarana. Ny fomba hanatanterahana ny vavaka dia toy ny teo aloha ihany. Toy izao manaraka izao : Hiezaka ny Ekipa fototra iray mba tsy …

Lire la suite

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – febroary 2020

Mba hohenoina sy hoheverina anie ny tarainan’ireo mpifindra monina vokatry ny fanondranan’olona mamoafady satria mbola mpiray tampo amintsika izy ireo.   Anisan’ny mampiavaka ny Papa François amin’izao fitondrany sy fiahiany am-panahy ny Eglizy izao, amin’ny alalan’ny fampianarana ataony, ny fanentanana sy fampirisihana ny kristianina sy ny tsara sitrapo rehetra, indrindra ireo manana andraikitra manokana amin’ny …

Lire la suite

Hafatry ny Papa Fransoa : Ny Fiadanana, lalan’ny fanantenana

HAFATRY NY PAPA FRANSOA Ho an’ny fankalazana ny andro manerantany faha-53 ho an’ny Fiadanana   NY FIADANANA, LALAN’NY FANANTENANA : FIFANAKALOZAN-KEVITRA, FAMPIHAVANANA ARY FIBEBAHANA ARA-TONTOLO IAINANA. 1. Ny Fiadanana, làlan’ny fanantenana manoloana ireo vato misakana sy ireo sedra Ny fiadanana dia soa sarobidy, fototry ny fanantenantsika, izay irin’ny olombelona rehetra. Ny manantena ny fiadanana dia …

Lire la suite

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – janoary 2020

Mba samy hampanjaka ny fiadanana sy ny fahamarinana eto amin’izao tontolo izao anie ny mpianatr’i Jesoa, ny mpino ary ny olona tsara sitrapo.

Kongresy Eokaristika 2020 : vavaka hasiviam-bolana ho fiomanana

Arahabaina isika nankalaza tao anatin’ny hafaliana sy fanantenana ny ivon’ny Taon-jobily faha 100 taona iny. Mitohy hatrany ny fiainantsika ny Taon-jobily. « Mirosoa amin’ny lalina kokoa hatrany ». Hamafiso  amin’ny fiainam-bavaka sy ny fiainam-panahy ireo fiomanana isankarazany hoenti-miatrika ny Kongresy Eokaristika hatao any Antsiranana amin’ny 26 – 31 Aogositra 2020. Hiombom-bavaka amin’ny alalan’ny vavaka hasiviam-bolana isika manomboka …

Lire la suite

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – desambra 2019

Mba hataon’ny firenena tsirairay ho laharam-pahamehana anie ny hoavin’ny ankizy, indrindra ireo mijaly Mifototra indrindra amin’ny hoavin’ny ankizy ny fangatahana ampanaovin’ny Papa mandritra ity volana ity. Manentana ny vita Batemy rehetra tsy ankanavaka izy amin’izany hiombom-bavaka aminy amin’ny Fanolorana atao isan’andro, amin’ny Fo Jesoa be fitiavana,  « mba hanao ho laharam-pahamehana  ny hoavin’ny ankizy ny firenena …

Lire la suite

Hafatry ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara – novambra 2019

Hafatry ny Fivondronamben'ny Eveka - mey 2020

“Nino izy, fa nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza” (Romana 4, 18)   Ho an’ny Kristianina rehetra sy ireo izay tsara sitra-po Homba anareo anie ny Fiadanana ! Isaorana Andriamanitra Trinite Masina satria tontosa soa aman-tsara iny famangiana apôstôlika nataon’ny Papa Fransoà teto amintsika iny amin’ny maha Ray aman-dreny iombonana azy; ary hafaliana …

Lire la suite

FET 100 taona – fifampizaràna

TSATILAKRI Zava-dehibe loatra ny faha-100 taona ka tsy avelantsika mandalo fotsiny. Fotoana mety ifampizaràna ny soa notovozintsika teo anivon’ny fikambanana izao. Misaotra mialoha amin’ny fandraisana anjara. Alefa mailaka amin’ny Foibe nasiônaly : fet_afafi@yahoo.fr ny valiny 1 – Témoignage Anarana : Paroasy : Taona nidirana FET : Mitondra inona eo @ fiainanao ny maha-FET anao ? Mitondra inona ho …

Lire la suite

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – novambra 2019

Mba hanjaka any Proche-Orient, izay faritra misy ireo samihafa finoana maro miara-monina anie ny fifanakalozan-kevitra, ny fifampizaràna ary ny fampihavanana. Fandrentsika matetika amin’ny haino aman-jery sy ny fampahalalam-baovao isan-karazany i Proche Orient izay faritra malaza sy manan-tantara eo anivon’izao tontolo izao, na eo amin’ny lafiny toekarena sy fandriampahalemana izany, na eo amin’ny ara-pivavahana. Tsara ihany …

Lire la suite

Ivon’ny fankalazana ny faha 100 taonan’ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora

TSATILAKRI Ny 22 nôvambra 2019, fetin’i Mb Cécile, no feno 100 taona tanteraka ny FET eto Madagasikara. Aoka mba tsy ho hadinoina io andro lehibe io fa homarihina amin’ny fomba manokana. Mba ho fiombonana manerana ny Nosy dia fanentanana no ataon’ny Foibe Nasiônaly ho an’ny AFAFI-FET rehetra tsy ankanavaka, mba samy hanao Fanamiana (Tenue) na ny …

Lire la suite