AFAFI-FET, sehatra amaliana ny antso maha iraka
Ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana ( na Aina ny Fivavahana teo aloha) no fototra sy fiandohana nipoiran’ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora. Izy no loharano anovozany hery hoentina mamakivaky ny fiainana.
-
Aina sy Famonjena ny Fivavahana : ho an’ny olona rehetra
Ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana dia fanazarantena hivelona amin’ny Finoana amin’ny Fanolorana ny fiainana miaraka amin’ny fanoloran-tenan’i Kristy amin’ny Ray, amin’ny alalan’ny Fo Madion’i Maria, entanin’ny Fanahy Masina, araka ny fangatahana ampanaovin’ny Papa ny Fiangonana, ho famonjena izao tontolo izao.
Natao ho an’ny mpino rehetra vita Batemy ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana, satria ny olombelona rehetra no nantsoin’Andriamanitra ho ao amin’ny Fanjakany, sy nomanin’ny Tompo hanao asan’Apôstôly. Lalana mankao amin’io Fanjakana io ny làlan’ny fahamasinana. « Ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hanamasinanareo ny tenanareo » (1 Tes 4, 3 ; Efez 1, 4). Antsoin’Andriamanitra ho amin’io fahamasinana io ny olona rehetra. Mitondra ho amin’izany fahamasinana izany indrindra ny AFAFI , araka ny tenin’i Kristy manao hoe : « Aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra » (Mt 5, 48). Ny olona rehetra izay miaina ny AFAFI dia tena mandray anjara amin’ny Famonjena izao tontolo izao, noho ny firaisany aina amin’i Kristy, Loharanom-pahombiazana eo amin’ny asam-pamonjena. Rahefa mety ho asan’Apôstôly dia tsy azo sarahina amin’ny Fivavahana sy ny fahafoizantena.
-
Ny Vavaka Fanolorana ny andro
Ry Andriamanitra Ray be fitiavana ô, atolotro Anao ao am-pon’i Jesoa Zanakao, miaraka amin’ny an’ny olombelona rehetra, entanin’ny Fanahy Masina, omban’ny Fo Madion’i Maria, ao amin’ny Fiangonana : ny fivavahako, ny asako, ny hafaliako sy ny fijaliako rehetra anio ; ho fanonerana ny fahotako sy ho fangatahana ny zavatra rehetra, anoloran’i Jesoa ny tenany eo ambony Vatomasina ary ny anolorako azy indrindra amin’ity volana ity, dia mba…
-
Ny toe-panahy fototra ao amin’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana
Ny Tenin’Andriamanitra dia tahaka ny voa afafy, ka ny fivavahana fanolorana ny andro dia fahafoizan-tena ahafahana mandresy ny ratsy. Ny fiainana atolotry ny AFAFI dia ny fototra ijoroan’ny maha Kristianina mihitsy. Izay rehetra navotan’i Kristy dia voaantso ho mpiara-manavotra Aminy amin’ny Fanolorana ny andro. Mazava araka izany, fa ny toe-panahy fototra sady tanjona ao amin’ny AFAFI dia ny fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny firaisana aina amin’i Kristy ao anatin’ny firaisam-po tanteraka ombam-pitiavana. Ny firaisana aina amin’i Kristy dia ny fiainana ny fanolorana ny andro. Ka ny fanolorana ny fiainana amin’ny alalan’ny Fon’i Jesoa no ezaka fanabeazana ao anatiny. Izany no antony anomezan’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana toerana manokana ny fanajana ny Fo Masin’i Jesoa.
« Anisan’ny zava-dehibe anabeazana ny ankizy sy ny tanora ao amin’ny FET ny maha iray tsy mivaky ny finoana sy ny fiainana an-davan’andro. Ka ny fanolorana ny andri isa-maraina no fanazarana azy amin’izany. Io no fototra iorenan’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana. Aina ka mambomba ny fiainana manontolo. Raha tsy eo ny Aina dia faty no hita. Tafasaraka ny fanahy sy ny vatana » (cf. Torolalana, p. 32).
-
Ireo teny 6 fototra fanalahidin’ny Fanolorana ataon’ny FET
Misy 6 ny teny fototra fanalahidin’ny Fanolorana :
ü Ny fanolorana ataon’ny olombelona :
Atolony isan’andro amin’Andriamanitra ny fiainany manontolo : ny Lasa, ny Ankehitriny ary ny Hoavy no indray voatolotra : ny mandrakizay izany. Tsy andro iray monja, fa ny tantaram-piainana iray manontolo. Ao amin’io Fanolorana ny andro io no anazarana ny Ankizy sy ny Tanora hanao safidy goavana eo amin’ny fiainany manontolo. Avy ao am-po lalina ao no iboiboihan’ny fanolorana.
ü Ny anolorana ny andro dia Andriamanitra Ray
Satria Izy no loharano nipoirana : Loharanon’aina sy hiafarana. Samy afaka milaza toy ny nataon’i Jesoa ny Kristianiina rehetra : « Handeha ho any amin’Ilay naniraka ahy aho » (Jo 16, 5).
ü Ny iarahana manolotra ny andro dia i Jesoa Kristy
Ny Ray no anolorany ny andro fa miaraka amin’ny Fo Masin’i Jesoa. Olom-baovao i Kristy, ka ny fiombonana Aminy no hahafahana miseho amin’ny Ray, satria efa lasa ilay olona tranainy. « Ny Batemy, hoy i Md Augustin, no maha zanaka antsika ao amin’ny Zanaka ». Izy no anolorantsika ny Fanolorana isan’andro. I Kristy no mitondra antsika any amin’ny Ray. Miha-Jesoa isan’andro isika mba hahitana taratra an’i Jesoa ny fiainantsika. Dia i Jesoa Kristy Mpisorona, Mpanjaka, Mpaminany.
ü Ny Fanolorana dia entanin’ny Fanahy Masina
Ny Fanahy Mpankahery sy Mpanentana no manova sy manavao ny fiainana. I Kristy nihoatra ny tantara, izany hoe i Kristy nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana ary nitsangan-ko velona mandrakizay no iombonantsika. Izy nandresy no antsoini Paoly hoe : « Ny Fanahin’i Kristy » (2 Kôr 3, 17). Akaiky an’i Kristy nitsangan-ko velona isika ao amin’ny Fanahy Masina. Hampiasa sy hampamokatra ary hanavao ny fiainantsika manontolo anie ny fanahy Masina ! (Gal 5, 24-25).
ü Ny ohatra amin’ny fanolorana dia ny Fo Madion’i Maria
Tsy ny fiaraha-manavotra ihany no mahatonga an’i Maria ho mpanelanelana amin’ny olombelona sy i Kristy, fa ny fiombonana tanteraka amin’ny ENY nataony, ka atambatra amin’ny azy ny Enintsika, hanaovantsika Amen miaraka aminy amin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Ray mandrakizay sy amin’ny fandaharany hatrizay hatrizay. Mila faharetana izany ; mila finoana toa ny azy.
ü Ny fitaovam-panolorana dia ny Fiangonana
Nahoana no any amin’ny faran’ny fanolorana vao tsiahivina ny Fiangonana ? Tsy mahagaga izany, satria izay voalaza momba ny Ray sy ny Zanaka mbamin’ny Fanahy Masina dia ao amin’ny Fiangonana avokoa no anatontosana azy.
Ny Fiangonana eo anivon’ny tantaram-pamonjena dia milaza fa : « Tsy misy Andriamanitra hafa azontsika idodododoana afa-tsy Ilay Andriamanitra nanorina ny Fiangonana sy monina ao aminy ». Koa izany no anolorantsika tena amin’ny Ray ho an’ny Fiangonana ary ny maha ao amin’izao tontolo izao azy no irosoan’ny Fiangonana ankehitriny. Izay ny olon’ny Eokaristia.
-
Ny Sorona Masina sy ny Fanolorana ny andro
« Ny Eokaristia no loharano ipoiran’ny fitoriana ny Evanjely sy tanjona ifaharany ary fototra iorenan’ny Fiangonana eo amin’ny asany, ka tsy maintsy ao amin’ny Misterin’ny Eokaristia no ianteheran’ny fiainam-pnahy Kristianina. Ary dia haniteraka lalina ny fomba fiainany ny Eokaristia ka hitarika azy handray anjara sy hivelona ao aminy. Izany no antony anantitrateran’ny AFAFI ny amin’ny Fanolorana isan’andro, fa io no anoloran’ny olona tsirairay amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy : ny tenany, ny fivavahany, ny asany, ny fijaliany, ny ahiahiny sy ny hafaliany, mba hahazoan’ny Fiangonana izay ilainy ary koa ho famonjena izao tontolo izao » (cf. Torolalana p. 151 – 152).
Ny asa rehetra, fantatra ho voatolotra amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy dia zary vavaka sy asam-pamonjena ny olombelona rehetra. Tafatambatra amin’ny fanoloran’i Kristy ny Tenany miaraka amin’ny antsika rehetra ho an’ny Ray mandrakizay ny asa voatolotra tsara, ka manjary Eokaristia Velona. Hita taratra eo sahady ny hevitry ny hoe « Fivondronan’ny Tanora ao amin’ny Eokaristia ». Ny fiainan’ny ankizy sy ny tanora manontolo dia Eokaristia. Eokaristia iainana. Ilay Eokaristia nanoloran’i Kristy ny fiainany manontolo miaraka amin’ny fiainantsika indray harivan’ny Alakamisy Masina, fiainana natolony amin’ny ray mandrakizay. Fiainana voatolotra hatramin’ny Nahaterahany ka hatramin’ny Nahafatesany, ary hatramin’ny nahafatesany ka hatramin’ny nitsanganany ho velona. Teny tonga Nofo, Nofo tonga Mofo, Mofo zary Aina.
-
Ny fanajana sy ny fitiavana ny Fo Masin’i Jesoa
(cf. Torolalana, p. 152)
Ny firaisana aina tanteraka amin’i Jesoa no foiben’ny AFAFI. Tsy misaraka ny Fon’i Jesoa be Fitiavana sy ny Eokaristia, foiben’ny litorjia sy ny Sakramenta hafa rehetra. Ary ny Tenin’Andriamanitra sy ny Eokaristia dia sakafo tsy azo sarahina, mba hampiroborobo ny finoana. Finoana miorina amin’Andriamanitra Tokana Olona Telo, Fitiavana lalina mamerovero. Amporisihin’ny AFAFI mafy ireo mpikambana ao aminy hanam-pahazarana hanajana sy ho tia ny Fo Masin’i Jesoa. Mamaly fitia ny Tompo izy amin’izany, ka dia manokana ny tenany ho Azy kosa indray.
Avy ao no nipoiran’ny fiainan’ny FET sy ny fanabeazana rehetra atao ao amin’ny FET, izany hoe : ny Sampana sy ny Dingana isan-tsampana ary ny ezaka rehetra atao amin’izany Dingana izany.
-
Ny fanajana an’i Masina Maria
(cf. Torolalana, p. 153)
Fon-janaka no entina mitia ani Masina Maria, Ilay tsy azo sarahina amin’ny asam-panavotana antsika. Iezahana ny hianatra azy ; ny Fanekena niainany. I Masina Maria manko no Mpanelanelana antsika amin’ny Zanany, ka amin’ny alalany no ampakarana ny fanolorana ho any amin’Andriamanitra. Manao sapile iray isan’andro farafahakeliny. Fon-dReny ny an’i Masina Maria, ka ankinina aminy izay zavatra manahirana ny Fiangonana. Amporisihina mafy ny fanajana an’i Masina Maria, indrindra ny fitiavana azy, satria fantatra fa tsy manimba velively ny firaisan’ny mpino amin’ni Kristy ny fanelanelanan’ny Reniny, fa vao mainka koa mahamafy fatorana azy.
-
Miombona amin’ny Fiangonana, « Sentire cum Ecclesia »
Miara-mitepo amin’ny Fiangonana. Iray fo sy fanahy ary saina aminy. Ny ezaka rehetra atao amin’ny Dingana dia ny miha-Jesoa isan’andro. Miha-Jesoa isan’andro, mihavao isan’andro amin’ny fanolorana ny andro isa-maraina. Manatanteraka izany fanolorana izany mandritra ny andro. Manamarika izay vita rehefa hariva (Examen de conscience). Ezaka isan’andro atao ao amin’ny Fiangonana izany.
Famaranana
Koa satria fototra ijoroan’ny FET ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana (AFAFI), dia miezaka ny FET hanatanteraka ireto soridalan’ny AFAFI ireto :
– Miray amin’Andriamanitra Tokana Olona telo
– Miray tanteraka amin’i Jesoa Kristy
– Manaja sy tia an’i Masina Maria
– Miombona amin’ny Fiangonana
– Mivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra ; mivavaka lalandava
Ny sampana izay miraikitra amin’ny foto-boaloboka ihany no afaka mamoa be. Tahaka izany koa ny FET, tsy afaka hahatonga ny ankizy sy ny tanora beaziny ho olom-banona ho an’ny Firenena,masina ho an’ny Fiangonana izy raha misaraka ami’ny AFAFI ary ny fiainana entiny manatratra io tanjona io dia : ny Vavaka – Tenin’Andriamanitra – Eokaristia.